Fifidianana solontenan'ny Nanao Fifanarahana Arakasa ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: ny kandidà Gabriela García Calderón

Photo of Gabriela García Calderón

Gabriela García Calderón

Gabriela García Calderón  dia Peroviana mpahay lalàna monina ao Lima, kely monja tsy amoron'ny ranomasimbe Pasifika. Niditra tao amin'ny Global Voices izy tamin'ny Novambra 2007, ary tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity izy nahadika tantara GV maherin'ny 12.000 avy amin'ny teny Anglisy ho amin'ny teny Espaniola, ka nahatonga azy ho mpandika teny namokatra indrindra tato amin'ny GV hatramin'izay nijoroany. Mibilaogy ao amin'ny Seis de enero i Gabriela ary mpitantana ny fandikan-teny Global Voices amin'ny teny espaniola amin'izao fotoana izao.

Nasaina hamaly ireo fanontaniana hita etsy ambany avokoa ireo kandidà rehetra amin'ny fifidianana ho biraon'ny filankevi-pitantanana 2023. Aza misalasala manontany zavatra fanampiny amin'i Gabriela ao amin'ny faritra fanehoan-kevitra eo ambanin'ny lahatsoratra teny anglisy!

Inona no mahasarika anao indrindra amin'ny fiheverana hanao raharaha ao amin'ny biraon'ny filankevi-pitantanana (FiPi) GV?

Being able to voice the concerns of volunteers and staff, as I've been in both sides of the equation.

Ny ho afaka milaza izay ahiahy sy mahakasika ny volantera sy ny nifanaraka arakasa, satria samy efa nandalovako avokoa ireo toerana roa ireo.

Inona avy ireo talenta, hakingàna, fifandraisana aman'olona ary fahaiza-manao manokana azonao omena ny Global Voices amin'ny andraikitrao amin'ny maha-solontena anao ao amin'ny birao filankevi-pitantanana (FiPi)?

I've been part of GV since 2007, and I think I've been everywhere in GV. I started as a volunteer translator and now I'm Lingua editor. I think I'm the GVer with the most translations published, so I think my name had been around a lot!

Efa tato amin'ny GV aho hatramin'ny taona 2007, ary heveriko fa efa nandehanako avokoa ny [sehatra rehetra] ato amin'ny GV. Nanomboka ho mpandika teny an-tsitrapo aho ary tonian-dahatsoratra Lingua aho amin'izao fotoana izao. Heveriko fa izaho no GVer manana fandikan-teny betsaka indrindra navoaka, ka heveriko fa efa niely be ny anarako!

Raha mitsinjo ny telo taona manaraka ianao, inona, araka ny hevitrao, no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy?

Be a link between volunteers and board, mostly because GV relies on heavily volunteers.

Ny mba ho rohy mampifandray ny volantera sy ny birao FP, indrindra noho ny fianteheran'ny GV be amin'ny volantera.

Lafiny inona amin'ny asan'ny GV no mahaliana anao indrindra?

That GV makes the world look smaller.

Io GV io no mahatonga izao tontolo izao ho kely kokoa.

Inona no tianao ho azo avy amin'ny fandalovana hanao servisy ao amin'ny biraon'ny FiPi ity, na amin'ny lafiny matihanina na ho anao manokana?

Learn how this great organization works and give my two cents from the volunteer point of view.

Mianatra ny fomba fiasan'ity fikambanana mahafinaritra ity sy ny hanome izay ananako avy amin'ny fomba fijerin'ny volantera.

Ahoana no handrindranao ny servisy ataonao ao amin'ny biraon'ny FiPi amin'ireo adidy aman'andraikitrao manokana sy amin'ny asanao matihanina  any an-kafa?

With organization and right scheduling.

Amin'ny alalan'ny fandaminana sy ny fametrahana fandaharam-potoana araka ny tokony ho izy.

Inona no fomba fiasa hampiasainao hirobohana sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina mba hisoloana tena azy ireo amim-pahombiazana eo amin'ny sehatry ny biraon'ny FiPi?

I can be contacted anytime by e-mail or Slack (although I prefer e-mail). I'd be open to suggestions, opinions, questions from the community at any time.

Azo ifandraisana amin'ny mailaka na amin'ny Slack amin'ny fotoana rehetra aho (na dia aleoko kokoa aza amin'ny mailaka). Misokatra amin'ny soso-kevitra, fanehoan-kevitra, fanontaniana avy amin'ny vondrom-piarahamonina amin'ny fotoana rehetra aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.