- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nohadihadian'ny polisy Maleziana momba ny afisy manohana ny LGBTQ+ ireo mpikarakara ny diaben'ny vehivavy 

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

 

WomensMarchMY [1]

Diaben'ny Vehivavy tany Malezia. Sary [1] avy amin'ny pejy Facebook an'i Gandipan Nantha Gopalan.

Nampiantso ireo mpikarakara [2] ny diaben'ny vehivavy natao tamin'ny 12 martsa ny polisy any Malezia noho ny voalaza fa fanitsakitsahana ny lalàna nasionaly. Na dia efa nampahafantarina momba ilay hetsika voatondro mialoha aza ny manampahefana, dia nanizingizina ny polisy fa manitsakitsaka ny lalàna eo an-toerana ny fampidirana ireo lohahevitra LGBTQ+ nandritra ny fihetsiketsehana.

Manana mponina Miozolomana maro an'isa i Malezia.  Manohitra tanteraka ny volavolan-dalàna izay tsy manameloka ny fanambadian'ny samy lahy na samy vavy sy manome fiarovana ny olona LGBTQ+ ny mpitondra fivavahana hiringiriny.

Manodidina ny 300 ny olona nanatevin-daharana ny fivoriambe nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tao Kuala Lumpur renivohitra tamin'ny 12 Martsa. Nitaky fanavaozana [3] toy ny fitovian’ny karama raisina, ny fandrarana ny fanambadian'ny ankizy, ary ny fampitsaharana ny fanavakavahana eo amin'ny lahy sy ny vavy ireo mpandray anjara.  Nanazava ny tanjon'ny fihetsiketsehana [4] ny komity mpikarakara:

In the last three years, there has been a resounding lack of movement by our government to protect and preserve the rights of women and other marginalised genders. These demands translate to the urgent need for more progress towards achieving gender equality in this country.

Tao anatin'ny telo taona farany, nisy ny tsy fahampian'ny hetsika nataon'ny governemantantsika mba hiarovana sy hitandroana ny zon'ny vehivavy sy ireo lahy sy vavy voahilikilika. Midika ireo fitakiana ireo fa ilaina maika ny fandrosoana bebe kokoa amin'ny fanatrarana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy eto amin'ity firenena ity.

Ny sasany amin'ireo tenim-pahefana miparitaka tamin'ny #diaben'ny vehivavy [5] MY androany

Nifarana tamim-pilaminana ny hetsika, saingy nanao fanadihadiana ny polisy rehefa nahita sora-baventy mampiroborobo ny zon'ny LGBTQ+. Izao no nolazain'ny polisy tamin'ny fampitam-baovao [9]:

Based on police observation, the participants were found to have gathered and marched while holding placards with words like ‘Imagine If Men Are As Disgusted With Rapes As With Periods, Child Not Pride, Trans Women Are Women, Police Your Behaviour Not My Body’ and others.

Araka ny fanamarihan'ny polisy, hita fa nivory sy nanao diabe ireo mpandray anjara sady nilanja sora-baventy misy teny toy ny hoe ‘Alao sary an-tsaina ireo lehilahy ankahalaina amin'ny fanolanana fa tsy amin'ny fitsipika, tsy rehareha ny zaza, vehivavy ireo niova fananahana, araho maso ny fitondran-tenanareo fa tsy ny vatako’ sy ny hafa.

Niampanga ireo mpanohana ny zon'ny LGBTQ+ [10] ho namadika ny fihetsiketsehana ihany koa Mpikambana ao amin'ny Antoko Miozolomana Maleziana:

Of course, we agree with the women empowerment agenda but there are some who have taken the opportunity to hijack and share their ideas so that the government will give a green light to LGBTs in the country. This is something that is unacceptable at all.

Mazava ho azy fa miombon-kevitra amin'ny fandaharan'asa fampiroboroboana ny vehivavy izahay saingy misy ireo nanararaotra namadika sy nizara ny heviny mba hanomezan'ny governemanta jiro maitso ho an'ny LGBT ao amin'ny firenena. Zavatra tsy azo ekena mihitsy izany.

Saingy nanamafy [11] ny komity mpikarakara ny diabe ho an'ny vehivavy fa tsy nandika ny lalàna eo an-toerana ny fihetsiketsehana ary manamafy ny antso vaovao ataon'ny governemanta ho amin'ny firaisankina ny fitakiana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy.

Do we not deserve to express our thoughts, talk about the issues that plague the lives of one too many people, and ask for changes that will create the Malaysia MADANI the unity government wants? The ‘I’ in MADANI stands for ‘Ihsan’, its elaboration asking for us to treat everyone, especially minorities with empathy and kindness.

Moa ve izahay tsy mendrika ny haneho ny hevitray, hiresaka momba ny olana mampahory ny fiainan'ny olona marobe, ary hitaky fanovana izay hamorona ny Malezia MADANI ilay firaisankina tadiavin'ny governemanta? Midika hoe  ‘Ihsan’ ny ‘I’ amin'ny MADANI, mitaky antsika hitondra ny olona rehetra, indrindra fa ny vitsy an'isa amin'ny fangorahana sy ny hatsaram-panahy ny famelabelarana azy.

Fanafohezana ny rafitra politika nolanian'ny governemanta vaovao ny hoe MADANI [12]. Manasongadina ny firaisam-pirenena sy ny fandrosoana ny politika MANDANI.

Sora-baventy namelively tao amin'ny Diaben'ny Vehivavy MY

Nifanojo tamin'ny fanambaràna nahazoan’ilay mpilalao sarimihetsika Maleziana Michelle Yeoh ny loka “mpilalao sarimihetsika tsara indrindra” tamin'ny Oscars tany Hollywood ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Tao amin'ny sarimihetsika tantara noforonina hatsikana, “Everything, Everywhere, All at Once,” Yeoh dia milalao ny renim-pianakaviana reraka, tototry ny asa, ny raharahany, ny vadiny ary ny zanany lesbiana. Nanamarika ny fanesoana ny fanadihadian'ny polisy ny olona sasany raha nankalaza ny fandresen'i Yeoh tamin'ny filalaovana sarimihetsika mampiseho toetra LGBTQ+.

Raha nahazo ity loka manan-tantara  #Oscar [16] ity i Michelle Yeoh, any Malezia, ny polisy kosa nandefa fampilazana ho an'ny mpikarakara sy ny mpandahatenin’ny#WomensMarchMY [13]. Nalaina am-bavany izy ireo noho ny fanaovana diabe am-pilaminana ho an'ny zon'ny vehivavy, ho an'ny rariny ho an’ny fitovian’ny lahy sy ny vavy, noho ny fanehoan-kevitra 3/

Nampahatsiahy ny manampahefana [18] i Nalini Elumalai, tompon'andraikitra ambony amin'ny Fandaharan’asa Maleziana ARTICLE 19, ny amin'ny fanoloran-tenany hanaja ny zo voalazan'ny lalàmpanorenana momba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fivoriana:

It is deeply disappointing that the new government seems to be resorting to tactics used by its predecessor to restrict peaceful demonstrations. The right to freedom of expression is integral to the enjoyment of the rights to freedom of assembly and association, guaranteed in Article 10 of the Malaysian Federal Constitution.

Tena mandiso fanantenana fa toa mampiasa tetika nampiasain'ny teo alohany ny governemanta vaovao mba hamerana ny fihetsiketsehana am-pilaminana. Tsy misaraka amin'ny fisitrahana ny zo amin'ny fahalalahana mivory sy hampijoro fikambanana ny zo ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra, izay iantohan’ny andininy faha-10 amin'ny Lalàmpanorenana Federaly Maleziana.

Azo jerena amin'ny alalan'ny tenirohy Twitter  #DiabenyVehivavyMY [19] ny vaovao sy ny fanavaozam-baovao farany momba ny fihetsiketsehana.