Mitokona manohitra ny fampitsaharana kasain’ny governemanta atao ireo Filipiana mpamily jeepney

 

Jeepney strike

Fitokonan'ny Jeepney tao an-tanandehiben'i Quezon, Metro Manila. Sary avy amin'i Kodao, mpiara-miasa ara-botoatim-baovao amin'ny Global Voices.

Nanao fitokonana fitaterana naharitra roa andro ireo mpamily jeepney Filipiana, mpandraharaha, ary ireo mpanohana azy ireo mba hanoherana ny fandaharan'asa fanavaozana ataon’ny governemanta, izay nolazain'ireo mpitsikera fa hitarika amin'ny fampitsaharana ilay fiara malaza vita Filipiana.

Taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, novain'ny Filipiana ireo fiara maro tsy nilaina navelan'ny miaramila amerikana izay nijanona tao an-toerana ary novain’izy ireo ho jeepneys izay lasa fomba fitateram-bahoaka malaza manerana ny firenena. Maro no efa voaravaka sy nohavaozina tamin'ny loko sy endrika maro loko, ary heverina ho ampahany tena ilaina amin'ny fitaterana ao Filipina ho an'ny mponina sy ny mpizaha tany.

Jeepney iray ao an-tanàndehiben'i Legazpi. Tao amin'ny Wikipedia, lisansa (CC BY-SA 4.0)

Tokony haharitra herinandro ny fitokonana, saingy nofaranan'ny mpikarakara ny fihetsiketsehana tamin'ny andro faharoa (7 martsa) taorian'ny fihaonan'ny biraon'ny filohan'i Filipina tamin'ny lehiben’ny fitaterana sy nilazany fa hanolo-tena ny governemanta handinika ny fandaharan'asa fanavaozana sy hifampidinika amin'ireo mpandray anjara rehetra.

Tamin'ny taona 2017, nanomboka ny Fandaharanasa Fanavaozana ny Fiara Ilaim-Bahoaka (PUV) ny Departemantan'ny Fitaterana (DOTr), izay nanolo-kevitra ny hanolo ny jeepney nentim-paharazana amin'ny dika maoderina izay “azo antoka, azo ianteherana, mety ary miaro ny tontolo iainana”.

Nohamafisin’ireo vondron’ny mpitatitra fa tsy manohitra ny fanavaozana izy ireo, saingy nilaza izy ireo fa hanilika ireo mpamily sy mpandraharaha jeepney maro izay tsy afaka manokatra na manangana karazana koperativa ny fandaharam-potoanan’ny governemanta. Ankoatra izay, nangataka fanampiana izy ireo satria tsy afaka mividy fiara maoderina hanoloana ireo jeepney mahazatra ny ankamaroan’ny mpamily. Nanamafy ny heviny i PISTON, iray amin'ireo mpikarakara fitokonana:

“Iza moa no tsy haniry fiara mandeha tsara sy hahazoana aina kokoa? Zara raha mahazo vola izahay mba hivelomana. Tianay ny fanavaozana izay mamaly ny filan'ny sehatry ny fitaterana. Saingy ny mpandraharahana lehibe no tena mahazo tombony amin’ izany fanavaozana izany ary olana ho an'ny besinimaro ihany koa, “

Nitarika ny vondrona mpitatitra hanao fitokonana ny fanambaran'ny governemanta momba ny fe-potoana farany ho amin'ny 30 jona 2023 hampiatoana ny jeepney.

Manoloana izany, nohalavain’ny DOTr ho enim-bolana indray ny fe-potoana. Saingy nivoady ny hanohy ny hetsi-panoherana ireo vondron’ny mpitatitra rehefa nangataka ny filoha Filipiana Ferdinand Marcos Jr. izy ireo mba hihaino ny fitakiany.

Eo am-piandrasana ny fitokonana, nanambara ny fifindrany mankany amin’ny asa an-jotra ny sekoly sy ny birao. Navoaka ihany koa ny fiaram-panjakana mba hitaterana  maimaimpoana ireo mpandeha tsy misy mpitatitra.

Nandray anjara betsaka ny vondrona fitaterana an-tanàndehibe ao amin'ny firenena ary nanohana ny fitokonana naharitra roa andro. Nahazo ny fanohanan'ny mpikatroka sy ny olom-pirenena voakasika ihany koa izy ireo izay nanakiana ny paikady fanavaozana ataon'ny governemanta ho fady amin'ny mahantra. Namoaka ity fanambarana ity ny ny fiaraha-mientan’ny sehatra maro manohitra ny fampiatoana ny PUV ho fanohanana ny fitokonana:

The fight of drivers and small operators also belongs to the people. Without a franchise, operators will lose their livelihoods. Drivers will have no jeepneys to use. Millions will have to endure the lack of access to affordable transportation.

An'ny vahoaka ihany koa ny tolona ataon’ny mpamily sy ny mpandraharaha madinika. Ho very asa ny mpandraharaha raha tsy misy ny fahazoana alalana. Tsy hanana jeepney hampiasaina ny mpamily. Olona an-tapitrisa no tsy maintsy hiaritra ny tsy fisian’ny fitaterana amin’ny sarany taka-bidy.

Nangataka tamin’ny governemanta ihany koa ny mpanao lalàna sasany mba hamerina hijery sy handinika ilay fandaharan’asa antsoina hoe fanavaozana. Nanontany momba ny antony hanoloana ny jeepney amin'ny fiara avy any Shina sy Rosia ny Senatera Chiz Escudero.

There are no safeguards whatsoever with respect to the affected drivers and operators who will be displaced because of this supposed modernization. The Philippines is known for its jeepneys and all of a sudden, overnight, they want to phase it out and replacing it with these square looking buses from China and Russia?

Tsy misy ny antoka ho an’ny mpamily sy ny mpandraharaha voakasika izay hafindra toerana noho ity heverina fa fanavaozana ity. Malaza amin'ny jeepney i Filipina ary tampoka teo, tao anatin'ny alina iray, te-hanafoana izany izy ireo ary hanolo azy ireo amin'ireo fiara fitateram-bahoaka avy any Shina sy Rosia?

Ny filoha lefitra Sara Duterte, izay sekreteran’ny fanabeazana ihany koa, nanameloka ny fitokonan'ny “mamofopofona komonista” noho ny fanakorontanana ny fanarenana ny fianaran'ny mpianatra. Manoloana izany,  nanazava ny antony hanohanan’ireo mpampianatra sekolim-panjakana ny fitokonana ny Fikambanan’ny Mpampianatra Voakasika.

Many of our students and teachers have family members who are PUV drivers who are about to lose their livelihood. Our difficult realities and the scantiness of government funding for education are the real serious impediments to education recovery, so much more than the coming transport strike.

Maro amin'ireo mpianatra sy mpampianatra eto aminay no manana havana mpamily fiara PUV izay eo andalam-pahaverezam-pivelomana. Ny zava-tsarotra eto amintsika sy ny fahavitsian'ny famatsiam-bolam-panjakana ho an'ny fampianarana no tena sakana lehibe amin'ny fanarenana ny fampianarana, mihoatra noho ny fitokonan'ny fitaterana izay ho atao.

Raha niditra ny andro faharoa ny fihetsiketsehana, nanatona sy nidinika tamin’ireo mpitarika ny fitokonana ary nanao dinika ny ao amin'ny biraon'ny Filoha Marcos. Nilaza i Marcos taty aoriana tamin'ny antsafa tamin'ny fampitambaovao fa hiantoka ny fivelomana sy ny fiahiana ny mpamily jeepney ny governemanta.

Nanambara ny fitokonana ho fahombiazana ny vondron'ny mpitatitra, saingy nivoady izy ireo fa hanohy ny fanentanana amin'ny fanoherana kasaina atao amin'ny fampiatoana ny jeepney.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.