- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Fanambaràna ny anaran'ny mpirotsaka

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV
Scrabble tiles spelling out the word VOTE [1]

Amin'ny 31 Martsa hatramin'ny 14 aprily 2023 no vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra

Mahafaly anay ny milaza aminareo ny lisitry ny kandidà voatendry hifaninana amin'ny toeran'ny solotenan'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices (marihana azafady fa nisy kandidà vitsivitsy nandà tamim-panajana tsy hifaninana) :

Solontenan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo (manaraka ny filaharan'ny alfabeta ny fanampin'anarana )

Solontenan'ireo mpandraharaha (manaraka ny filaharan'ny alfabeta ny fanampin'anarana )

Manomboka androanay 31 Martsa ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra, ary hohalavainay izany hatramin'ny 14 Aprily mba handraisana antso an-tariby Zoom roa miaraka amin'ireo kandidà mba ho afaka hifanakalo hevitra amin'ny endrika mivantana ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina. Ho lazainay amin'ny manaraka ny datin'ireo antso ireo. Ato ny fandaharam-potoana nohavaozina [13].

Mandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezankevitra dia havoakanay ao amin'ny tranonkalan'ny vondrom-piarahamonina ireo lahatsoratra am-blaogy izay fanolorana ny kandidà tsirairay ary asainay ianao hifanakalo hevitra amin'izy ireo sy hametraka fanontaniana ao amin'ny fanehoankevitra. Afaka mampiasa ny GV Community Google Group [14] ihany koa ireo kandidà ho amin'ny fampielezankevitra, rehefa voamarika mazava tsara ny hafatra hoe “[Hafatra Fanentanana Fifidianana GV]”.

Ao anatin'ny tapa-bolana manaraka izahay dia hizara vaovao fanampiny mikasika ny fizotry ny latsabato, sy ny sisa.

Raha te-hijery ny fandaharam-potoana sy ireo toromarika momba ny fifidianana dia vakio ity lahatsoratry ny vondrom-piarahamonina ity. [13]