Fifidianana ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Fanambaràna ny anaran'ny mpirotsaka

Scrabble tiles spelling out the word VOTE

Amin'ny 31 Martsa hatramin'ny 14 aprily 2023 no vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra

Mahafaly anay ny milaza aminareo ny lisitry ny kandidà voatendry hifaninana amin'ny toeran'ny solotenan'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices (marihana azafady fa nisy kandidà vitsivitsy nandà tamim-panajana tsy hifaninana) :

Solontenan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo (manaraka ny filaharan'ny alfabeta ny fanampin'anarana )

Solontenan'ireo mpandraharaha (manaraka ny filaharan'ny alfabeta ny fanampin'anarana )

Manomboka androanay 31 Martsa ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra, ary hohalavainay izany hatramin'ny 14 Aprily mba handraisana antso an-tariby Zoom roa miaraka amin'ireo kandidà mba ho afaka hifanakalo hevitra amin'ny endrika mivantana ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina. Ho lazainay amin'ny manaraka ny datin'ireo antso ireo. Ato ny fandaharam-potoana nohavaozina.

Mandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezankevitra dia havoakanay ao amin'ny tranonkalan'ny vondrom-piarahamonina ireo lahatsoratra am-blaogy izay fanolorana ny kandidà tsirairay ary asainay ianao hifanakalo hevitra amin'izy ireo sy hametraka fanontaniana ao amin'ny fanehoankevitra. Afaka mampiasa ny GV Community Google Group ihany koa ireo kandidà ho amin'ny fampielezankevitra, rehefa voamarika mazava tsara ny hafatra hoe “[Hafatra Fanentanana Fifidianana GV]”.

Ao anatin'ny tapa-bolana manaraka izahay dia hizara vaovao fanampiny mikasika ny fizotry ny latsabato, sy ny sisa.

Raha te-hijery ny fandaharam-potoana sy ireo toromarika momba ny fifidianana dia vakio ity lahatsoratry ny vondrom-piarahamonina ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.