- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Mpitarika ekipa Media Sosialy ny Global Voices 

Sokajy: Mediam-bahoaka

Sary flicker [1] ampiasaina eo araka ny lisansa CC BY 2.0 [2].

Mpitantana media sosialy efa za-draharaha manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ny raharaha manerantany ve ianao? Mampientanentana anao ve ny fiarahamiasa amin'ny ekipa iraisam-pirenena sy ny fitrandrahana ireo endrika vaovao sy fifandraisana amin'ny sehatra media sosialy isan-karazany, amin'ny fiteny samihafa?

Raha izany no izy dia azonao atao ny mieritreritra ny hangataka ny toeran'ny Mpitarika ny Ekipan'ny Media Sosialy.

Ny Mpitarika ny Ekipa Media Sosialy dia tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny sehatra media sosialy rehetra ho an'ny Global Voices ary mitarika ny ekipa mpiara-miasa.

Ny andraikitry ny mpitarika ny ekipa media sosialy dia:


Ireo kandidà sahaza ny toerana dia:

Homena ireo kandidà manana fahalalana fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy ny safidy.

Fikambanana virtoaly manerantany ny Global Voices. Ekipan-tonian-dahatsoratra [4]ao amin'ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices  no milina miara-miasa amin'ireo mpandray anjara sy mpandika teny an-tsitrapo manerana izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia aseho loatra amin'ny haino aman-jery mahazatra iraisam-pirenena.

Tsy misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ireo asa ireo. Tsy manana birao na foibe ara-batana ny Global Voices. Tsy maintsy mahay miasa amin'ny fametrahana ny fandaharam-potoanany manokana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo ny kandidà.

Amporisihanay indrindra ireo kandidà mandray anjara ankehitriny amin'ny tetikasa Global Voices mba hametraka fangatahana.

Miasa tapak'andro amin'ny ⅓ fotoana ny toerana ary horaisina ho toy ny fifanarahana tsy miankina.

Raha hametraka fangatahana:

Mandefasa CV sy taratasy fahavononana amin'ny teny Anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony maha-sahaza anao amin'io toerana io any amin'ny jobs@globalvoices.org, miaraka amin'ny loha-hevitra: Social Media Team Lead: ny anaranao. Ataovy amin'ny endrika .doc na .pdf ny taratasy fahavononanao no sady soraty ao amin'ny vatan'ny mailakao ihany koa.

Ny fe-potoana fangatahana dia amin'ny 11:59 hariva ora EST (GMT -4) amin'ny 14 aprily 2023.