Tsy sampanan-dàlana fotsiny ho an'ny ara-toekaren'i Tôgô ny tsenan'i Adawlato, fa maneho ihany koa ampahany manandanja amin'ny lova ara-tantaran'i Lomé renivohitra.
Adawlato dia isan'ireo tsena lehibe miisa 15 ao amin'ilay zana-paritra andrefan'i Afrika ary mipetraka eo amin'ny laharana faharoa, aorian'ny tsenan'i Dantokpa ao Benin, heverina ho ny tsena lehibe indrindra ao amin'ilay zana-paritra. Eny tokoa, io dia tsena hita eo akaikin'ny Seranana Mizakatenan'i Lomé, hany seranan-tsambo anaty rano lalina ao Afrika Andrefana, izany no manazava ny antony maha-stratejika ny anjara toerany ao amin'ny faritra. Araka izany, mandeha mankany Adawlato mba hanao fandraharahàna ireo mpivarotra madinika sy goavana avy amin'ireo firenena mpiray sisintany toa an'i Ghana, Bénin, Borkina Fasô.
Ireo vehivavy mpivarotra ao amin'io tsena io, izay antsoin'ny maro hoe “Nana Benz”, no tena fototry ny laza iraisam-pirenen'ny tsenan'i Adawlato. Hoy ny Wikipedia:
Ireo “Nana Benz” dia vehivavy mpandraharaha, avy ao Tôgô, navitrika tany amin'ny taona 1960 hatramin'ny 1980 tamin'ny fampidirambola avy amin'ny famarotana sikina hôlandey. «Nana » dia fomba fiteny feno fitiavana sy mahazatra avy amin'ny hoe na (na ena), amin'ny fiteny minan (na Gen), any atsimon'i Tôgô, izay toerana niavian'ny ankamaroan'ireo “Nana Benz”. Fotokevitra nentina nanasokajy ireo reny ihany koa izy io, izay midika hoe « neny » na « nenibe », niala tamin'ny sehatra anaty fianakaviana nisy azy tany am-piandohana mba ho entina maneho fanajàna sy fahalalampomba noho ny toerana sôsialy misy an-dry zareo. Fiara Mercedes-Benz no fitondran-dry zareo mivezivezy.
Rehefa nifandimby ny taona, lasa habaka iray tsy azo lalovam-potsiny io toerana io, mahita toerana ao daholo ny sehatr'asa rehetra anatin'ny tsena. Sikina, lamba, akiraro, vàkana, rojo, famantaranandro, voankazo, legioma, samy amidy ao avokoa. Vondrom-piarahamonina isankarazany no mifampizara ny fandraharahàna ao: Shinoa, libaney, miozolmàna, afrikàna avy amin'ireo firenena mpiray vodirindrina.
Isan'ny asa ara-barotra ataon'ireo vehivavy tôgôley ihany koa ny fivarotana vakana, araka ny hita amin'ity magazay iray ity, ao amin'ny faritra Agbadahonou ao amin'ilay tsena lehibe.
Ankoatra ny vakana, dia hita ao koa ireo zavakanto avy ao amin'ny faritra antsoina hoe “Gôlfa”. Eto, santionan'ireo zavakanto tôgôley sy afrikàna no tazana.
Ny tsena dia voarindra ho làlantsara kely maro mitondra mankany amin'ireo habaka samihafa voatokana arakaraky ny vokatra. Eto izao dia ny làlantsara mankany amin'ny faritra antsoina hoe “Gôlfa”
Amin'ny ankamaroany dia ireo vondrom-piarahamonin'ny vahiny sy ny miozolmàna no mitàna ny resaka varotra lamba ao amin'ilay tsena lehibe.
Toerana iray hafa fivarotana lamba:
Ao amin'ny tsena lehiben'i Lomé, ahitanao akanjo, kiraro avo razana ao amin'ny habaka Hollando izay ry zareo Nizeriàna no tompon'ny laka.
Mitàna anjara toerana lehibe ao amin'io tsena io ireo vehivavy mpivarotra voankazo sy legioma noho izy ireo manome fahafahana ny fianakaviana hividy vokatra vao sy mora vidy.
Ampahany amin'ny tantara tôgôley
25 Jolay 1967, notokanan'ilay filoha efa nodimandry, Eyadema Gnassingbé, rain'i Faure Gnassingbé, filohampirenena amin'izao fotoana izao, io tsena io dia mitahiry fifamatorana manokana amin'ny tantaran'ny fanjanahantany tao Tôgô. Hita ao amin'ny faritra misy azy ny trano isan'ny voalohany indrindra an'i Eglizy Katôlika ao Tôgô, ny katedralin'ny Sacré Cœur, naorina tamin'ny 1902, nataon'ireo misionera alemàna avy amin'ny kaongregasiôna Fikambanan'ny Tenin'Andriamanitra.
Ilay habaka ara-barotra dia mampiantrano ihany koa ao amin'ny faritra misy azy ny toeram-pianarana voalohany indrindra mitondra anarana mitovy amin'ilay katedraly ihany.
Indrisy anefa, tamin'ny Janoary 2013, nisy afo nandrava ireo tranobe manan-tantara tao amin'ny tsena Adawlato. Taona vitsivitsy taty aoriana no natomboka ny fanarenana azy, saingy mbola an-dalam-panamboarana foana izao ilay toerana.
Eto, tranobe iray vaovao an-dalam-panorenana ao anatin'ny tsena lehibe ao Lomé