- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosintonina tsy ho alefa ao Hong Kong ilay sarimihetsika mampihoron-koditra ‘Winnie ilay Bera’

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina, GV Mpisolovava
[1]

Sary avy amin'ilay sarimihetsika Winnie ilay Bera: Rà sy Tantely, sombin-doka ofisialy tao amin'ny Youtube [1].

Ny tatitra tsy niova tànana tamin'ity tatitra ity dia nosoratan'i Tom Grundy ary naverin'ny [2] Hong Kong Free Press (HKFP) navoaka tamin'ny 21 Martsa 2023. Ny dika nasiam-panovàna manaraka etoana dia navoakan'ny Global Voices eo ambanin'ny fifanarahana hifampizara votoaty amin'ny HKFP.

Taorian'ny nanafoanan'ny mpaninjara ny famoahana azy dia nofoanana tsy nisy fanazavàna tao Hong Kong sy Makaô ny fandefasana ilay sarimihetsika britanika mampihoron-koditra ”Winnie ilay Bera: Rà sy Tantely”. Nilaza tamin'ny HKFP ny biraon'ny sivana sarimihetsika ao an-toerana, na izany aza, fa mbola manana ny fankatoavana ny hamoahana azy ilay sarimihetsika.

Tany am-boalohany, nokasaina ho alefa amina efitrano 32 fijerena sarimihetsika ao Hong Kong izy io — izay manararaotra ny fahataperan'ny fizakamànana ara-tsaina mifandraika amin'i Pooh. Asongadin'izy io ireo sariitatra mpilalao malaza, izay lasa masiaka sy lian-drà ankehitriny noho ny tsy maha-eo an'i Christopher Robin. Kanefa, nanjavona tany amin'ireo tranonkala fanaovana famandrihana mialoha izy io talohan'ny famoahana azy ny 23 Martsa 2023.

Mandràra [3] tsy tapaka ny sarin'ilay bera ireo shinoa mpanivana noho ny fitovitoviany amin'ny filoha Xi Jinping.

Fanafoanana tsy nasiam-panazavana

Tao anatin'ny lahatsoratra [4] iray tamin'ny media sosialy tamin'ny 21 Martsa lasa teo dia nilaza ny mpaninjara VII Pillars Entertainment fa hosintoniny ao Hong Kong sy ao Makaô ilay sarimihetsika, na dia tsy nitondra fanazavàna aza izy. Milaza ny lahatsoratra hoe :

Amin'alahelo lehibe no ilazanay aminareo fa nofoanana ny famoahana nokasaina hatao tamin'ny Winnie ilay Bera: Rà sy Tantely tao Hong Kong sy Makaô amin'ny 23 Martsa. Miala tsiny izahay noho ny fahadisoam-panantenana sy ny fanelingelenana.

Ny mpitondra tenin'ny HKFP dia nilaza fa “tsy mbola azon-dry zareo antoka” hoe mety ho aseho amin'ny fotoana manaraka ilay sarimihetsika sa tsia

Tao anaty tafatafa nifanaovana tamin'ny orinasam-panjakana alemà DW News dia nilaza ilay mpaninjara fa ireo mpandefa sarimihetsika teo an-toerana no nilaza tamin-dry zareo mikasika ireo fanafoanana:

Farany : VII Pillars Entertainment, ny mpaninjara ao HK ny “Winnie ilay Bera: Rà sy Tantely” dia niteny tamin'ny @dwnews fa ny 20 Martsa ry zareo vao nilazàn'ireo mpandefa sarimihetsika mikasika ny fanafoanana ilay fandefasana, tsy nisy filazàna izay antony. “Tsy fantatray izay antony. Ary maniry ny hahalala izany izahay.

— Phoebe Kong (@phoebe_kongwy) 21 Martsa 2023

Ny Office for Film, Newspaper and Article Administration (OFNAA), izay miasa ho toy ny mpanao sivana amin'ny sarimihetsika ao an-tanàna sy mamoaka ny sertifika fetran-taonan'ny sarimihetsika dia nanambara tamin'ny HKFP fa efa nankatoaviny ho an'ny mpijery eo an-toerana ilay sarimihetsika :

Namoaka sertifika fankatoavana ho an'ny mpangataka ny [OFNAA]. Ny fandrindran'ireo efitra fijerena sarimihetsika ao Hong Kong ho an'ny fandefasana ilay sarimihetsika ho an'olona tsirairay miaraka amin'ny sertifika fankatoavana ho ao anatin'ny toerana misy azy ireo no fanapahankevitra ara-barotra noraisin'ireo efitrano fijerena sarimihetsika voakasik'izany, ary tsy hanisy resaka momba ireny fandrindrana ireny ny OFNAA.

Ny tranonkala OFNAA dia mampiseho fa voakilasy anatin'ny sokajy faha-III ilay sarimihetsika, ka mahatonga azy ho sahaza ho an'ny mpihaino mihoatra ny 18 taona fotsiny.

Niteny tamin'ny HKFP ny talen'ilay sarimihetsika, Rhys Frake Waterfield, fa tsy nomena azy izay antony mikasika ireo fanafoanana ny fandefasana azy io : “Fifanandrifian-javatra fotsiny ny nanafoanany azy rehetra.”

Tamin'ny 2021, nankato volavolan-dalàna iray ny mpanao lalàna tao Hong Kong [7] izay manome alalàna ny governemanta handràra ny fandefasana sy ny famoahana sarimihetsika heverina ho mifanohitra amin'ny fiarovam-pirenena. Izay olona rehetra mampiseho sarimihetsika iray tsy nahazoana alalana dia mety iharan'ny sazy telo taona an-tranomaizina sy mandoa lamandy 1 tapitrisa HKD (manodidina ny 127 400 dolara amerikana). Marobe ireo sarimihetsika voarara hatramin'izay [8].

Nitranga nandritra ny herinandron'ny zavakanto tao an-tanàna ny fanafoanana ny fandefasana ilay sarimihetsika mampihoron-koditra, izay hetsika voalohany amin'io karazana io hatramin'ny nanombohan'ny valanaretina COVID-19 telo taona lasa izay. Hatramin'ny datin'ny famoahana azy tamin'ny 10 Martsa dia nahazo isa efatra isan-jato [9] ilay sarimihetsika teo amin'ny tranonkala fitsikirana Rotton Tomatoes. 100% no isa tsara indrindra.

Nandritra ny roa herinandro lasa izay, famoriam-bahoaka roa – nataon'ny vondrom-behivavy [10] sy vondrona Taoïste [11] – no nofoanan'ireo mpikarakara tamin'ny ora farany, na dia teo aza ny fankatoavan'ny polisy.

Efitrano efatra mpandefa sarimihetsika no nifandraisan'ny HKFP nakàna fanehoankevitra.