- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady fiaraha-miasa hanampy amin'ny fiarovana ny haran-dranomasina i Trinidad & Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
[1]

Bibisokay ao amin'ny haran-dranomasina any Tobago. Sary [1] avy amin'i Jenni Konrad tao amin'ny Flickr (CC BY-NC 2.0 [2]).

Avy amin'i Glendon Glasgow

Navoaka voalohany tao amin'ny Cari-Bois Environmental News Network [3] ity tantara ity. Averina navoaka eto ambany ny dikan-dahatsoratra ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Niara-niasa tamin'ny governemanta, ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina ny Institute of Marine Affairs [4] (IMA) ao Trinidad sy Tobago vao haingana mba hanamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fanarenana ny haran-dranomasina sy ny ahi-dranomasina, izay niatrika fahapotehana tsy mbola nisy toy izany manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny asan'ny olombelona toy ny fanjonoana tafahoatra sy ny loto. Ny hevitra dia ny hahitana hoe hatraiza ny fiaraha-miasa mety hitondra vokatra mampahery eo amin'ny fiarovana sy ny fitehirizana biby.

Rehefa mafana loatra ny rano ipetrahan'izy ireo, dia tratran'ny rari-tsaina ny haran-dranomasina (bibisokay) ary manomboka mihafotsy [5], izay mahatonga azy ireo ho mora voan'ny aretina sy ho faty. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mitarika amin'ny fihenan'ny isan'ny trondro sy ny zavamananaina an-dranomasina hafa monina ao amin'ny haran-dranomasina ny fahafotsian'ny bibisokay.

Nahatsikaritra ny IMA avy eo fa ireo karazana fiarahamiasa ireo no dingana lehibe amin'ny fampiroboroboana ny fitehirizana ny bibidia, ny fiarovana ny fahasalaman'ny zavamananaina an-dranomasina sy ny mponina ao aminy, satria manana anjara toerana lehibe amin'ny fitazonana ny fahasalaman'ny zavamananaina an-dranomasina ny haran-dranomasina.

Manana otrika ihany koa hiantoka ny fitehirizana sy famerenana amin'ny laoniny ny zavamananaina mandritra ny fotoana maharitra amin'ny fisorohana ny fahaverezana amin'ny alàlan'ny fangarom-panamafisana fitantanan-dranomasina, ny famerenana amin'ny laoniny ny rohivoary an-dranomasina ao Tobago manokana, ary ny fananganana ny fahazakan'ny ranomasina maharitra ny fiarahamiasa toy izany.

Miasa ho ivon'ny fampiraisana sy famahanana ireo karazam-biby, toerana azo antoka ho an'ny zana-trondro mba hitombo sy ho matotra ny vatohara. Noho izy ireo manome toeram-ponenana, sakafo ary fiarovana ho an'ny karazam-biby an-dranomasina, dia mpandray anjara lehibe amin'ny fiarovana ny ranomasina amin'ny ankapobeny ihany koa izy ireo. Ny fitohizan'ny fandringanana azy ireo no mety hamindra ireo zavaboary an-dranomasina tsy tambo isaina ary manakorontana ny fifandanjana marefo amin'ny zavamananaina anaty rano.

Afaka mandray anjara amin'ny fiarovana ny haran-dranomasina ihany koa ny olom-pirenena amin'ny alàlan'ny fampihenana ny dian-karbônina, ny fanariana fako araka ny tokony ho izy, ary ny fanjonoana lovainjafy. Ny ezaka lehibe amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny famoronana faritra arovana an-dranomasina dia afaka manampy amin'ny fampahombiazana ny haran-dranomasina sy ny fiarovana ny ranomasina ho an'ny taranaka fara mandimby, mba hahafahan'izy ireo miaina zava-mahatalanjona.