- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices mitady toniandahatsoratra ho an'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny anglisy ao atsimon'i Sahara

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka

Tsenan'i Nairobi. Sary an'i Filip Noubel, fampiasàna nahazoana alàlana

Mpanoratra no sady toniandahatsoratra ve ianao, manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ireo endrika rehetran'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny anglisy ao atsimon'i Sahara ? Mientanentana amin'ny famolavolana hevitra havadika ho tantara, lahatsoratra ho an'ny media sôsialy, sy famoahana lahatsoratra hafa iarahana amina vondrom-piarahamonina marolafy??

Raha “eny” no havalinao io fanontaniana etsy ambony io, azonao atao ny mieritreritra hisoratra anarana hitazona ny toeran'ny Toniandahatsoratry ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny anglisy ao atsimon'i Sahara.

Samy ho andraikitry ny Toniandahatsoratry ny Faritra ny famoahana ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara mpirotsaka an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices sy fanoratàna tantàra momba ny faritra. Ireo tantaran'ny Global Voices dia mifantoka amin'ireo lohahevitra toy ny kolontsain'ny aterineto, ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra anaty tambajotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny zon'olombelona, ny fahasamihafàna sy ny fisoloana tena, ary ny fahasamihafàm-pitenenana.

Ny Toniandahatsoratry ny Faritra koa dia hiasa miaraka amina vondrom-piarahamonina iray marolafy misy ireo mpandray anjara izay manoratra ireo tantara, mizara hevitra ho an'ireo tantara, ary mametraka ny fandaharam-potoanan'ny famoahan-dahatsoratra ho an'ilay faritra, amin'ny alàlan'ny fanolorana hevitra, fizaràna fahalalàna, ary fanomezana fitarihana.

Hita ao anatin'ny asan'ny Toniandahatsoratra ny:

Ireo kandidà tafita amin'ilay toerana dia tsy maintsy:

Hosafidiana manokana ireo mpirotsaka ka mahay ireo fiteny ampiasaina ao Afrika mampiasa sy miteny anglisy ao atsimon'i Sahara.

Global Voices dia fikambanana virtoaly ary maneran-tany. Ny milina manodina ny efitranom-baovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo toniandahatsoratra miasa amin'ny ampaham-potoana [2] izay miasa miaraka amin'ireo mpandika lahatsoratra sy mpirotsaka an-tsitrapo manerana ny tany mba hanasongadina ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia misy mpiteny eny anatin'ny media iraisampirenena nahazatra.

Tsy misy fepetra ara-jeôgrafika mifamatotra amin'ireo toerana ireo.  Ny Global Voices dia tsy manana birao na foiben-toerana hita maso. Tsy maintsy mahazo aina amin'ny fametrahany ny fandaharam-potoanany manokana sy miasa anaty tontolo virtoaly tanteraka ireo kandidà

Tena mahafaly anay tokoa raha mirotsaka ho kandidà ireo efa mpandray anjara ankehitriny ato amin'ny tetikasa Global Voices..

Tapa-potoana no iasàna amin'ilay toerana ary hatao toy ny fifanarahana asa amin'ny mahaleotena (freelance).

Raha hirotsaka:

Mametraha famintinana fohy sy taratasy filazana fahavononana voasoratra tamin'ny fiteny anglisy ary manasongadina ny asanao sy manazava ny antony mahatonga anao hihevitra fa ianao ilay olona tsara handray io toerana io, alefa amin'ny jobs@globalvoices.org, ka antony soratana ny hoe: Toniandahatsoratra ho an'ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara: ny anaranao. Azafady, ataovy taratasy ampanarahina amin'ny endrika a .doc na .pdf ilay taratasy filazana fahavononana, ankoatry ny fampidirana azy io ao anatin'ny vataben'ny imailaka alefanao.

Ny fetra faran'ny firotsahana dia ny 14 Aprily 2023 amin'ny 11:59pm EST (GMT -4) .