- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Undertones: Tanàna cyberpunk any Zimbaboe notarihan'i Shina

Sokajy: Afrika Mainty, Azia Atsinanana, Shina, Zimbaboe, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, Civic Media Observatory

Sarin'ny Global Voices mampiasa sary fanehoana ny renivohitra vaovao ao Zimbaboe, Zim Cyber City.

Ity tantara ity dia ampahany amin'ny Undertones, taratasim-baovaon'ny Civic Media Observatory [1] ao amin'ny Global Voices. Mamamndriha hahazoana Undertones [2].

Tongasoa indray eto amin'ny Undertones, loharanonao hijerena famakafakana lalina momba ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao manerantany. Amin'ity andiany ity izahay mamakafaka ny olana saro-bahana momba ny tsirefesimandidy ankihy ao Zimbaboe, izay tafiditra ao anatin'ny tetikasanay Unfreedom Monitor [3] izay mbola misy amin'izao fotoana.

Napetraka ho firenena voalohany ao Afrika manana tanàna renivohitra “marani-tsaina (smart)” niainga tamin'ny tsy misy i Zimbaboe. Eo ivelan'ny renivohiny amin'izao fotoana, kasaina ho lasa tanàn-dehibe marani-tsaina voatrolombelona i New Harare na Zim Cyber City amin'ny tranom-panjakana mifandray anjotra, fifamoivoizana mirindra, filaminana maharitra ora maro, trano meva dia meva, ary tsenambarotra manatratra ny faratampony. Farafaharatsiny, izay ilay nampanantenain'ny governemanta.

Ho an'ny olom-pirenena maro fatra-piahiahy, hampiditra an'i Zimbaboe ho any amin'ny vanim-potoana tsy fanonofy izao drafitra New Harare hanjakazakan'ny teknolojia famantarana tarehy miara-dalana amin'ny IA (HaVO-Haranitatsaina Voatr'Olombelona) izao. Afaka mampitovy ny sary mivantan'ny olona amin'ny any amin'ny foiben'angondrakitra ilay teknolojia ary hanaitra ireo mpampihatra ny lalàna rehefa mihatsikaritra olona ahiahiana ho jiolahy.

Ao Zimbaboe, izay anakonan'ny fitondran'ny Filoha Emerson Mnangagwa amin'ny fomba henjana ny fahalalahana, dia misy ihany koa ny antony miafina ara-politika amin'ity teknolojia ity. Raha ny marina, efa napetraka any amin'ireo tanànan'i Zimbaboe izay matanjaka ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra ny fakantsary fanaraha-maso CCTV.

Mankany amin'ireo goavamben'ny fanarahamaso Shinoa, toy ny Huawei, Hikvision, ary CloudWalk, izay tohanan'ny fampindramam-bolan'ny governemantany ny ankamaroan'ny tolo-bidin'ny revirevy nomerikan'i Zimbaboe. Novatsian'i Shina vola ny tranoben'ny parlemanta ao New Harare, izay eo an-dalam-panorenana. Ao anatin'ny Lalan'ny Lasoà Nomerikan'i Shina sy ny Fisantarain'Andraikitra Rojo-Fehikibo sy Lalana (BRI), vinam-potodrafitrasa goavana avokoa ireo tetikasa rehetra ireo. Nanadihady ny fitantarana momba ny BRI ireo mpikarokay teo aloha,  ary natambatra tao amin'ny tatitray “Framing China's Belt and Road Initiative” [4].

Nifanaovana tamin'ny Mulk International miorina any Dubai ihany koa ny fifanarahana ara-teknolojia famantaran-tarehy ao Zim Cyber City. Mandritra izany fotoana izany, mandrafitra fifandraisana amin'ireo mpitarika Belarosiana amin'ny hetsika fiarovana nomerika ny Filoha Mnangagwa. Voalaza fa nampiasa fanaraha-maso tsikilo manana endrika rindrantsikilo Pegasus tamin'ny findain'ireo mpanao politika sy mpanao gazety ihany koa ny governemantan'i Zimbaboe .

Satria hotontosaina amin'ny volana Jolay 2023 ny fifidianana ankapobeny ao Zimbaboe, mampiroborobo ny fitantarana miabo momba ireo fampiasam-bola an-tapitrisa dolara maro ireo ny governemantan'i Mnangagwa. Tsy resy lahatra anefa ny olom-pirenen'i Zimbaboe. “Misy resaka ao amin'ny media sosialy, na dia tsy misongadina aza, mikasika ny laharam-pahamehana diso toeran'ny governemanta ao anaty fikorontanan'ny toe-karena,” hoy ny mpikarokay Zimbaboeana, izay tsy mitonona anarana noho ny antony ara-piarovana.

Pikantsary avy amin'ny Africanews/Youtube [5]

“Ilaina amin'ny maodernizasiona ny vola Shinoa”

Milaza ireo feo mpomba ny governemanta fa hampisavoana ny filaminana, ny fampandrosoana ary ny firoboroboan'ny toekarena ao Zimbaboe ny fanafarana ny teknolojia Shinoa. Raha fintinina dia milaza ry zareo fa “manondrana teknolojia i Shina mba hanampiana ireo firenena handroso ara-teknolojia [6].”

Efa am-polony taona maro ny fitokisan'i Zimbaboe ny fanaovantsoan'i Shina. Nanohana ny tolon'i Zimbaboe ho amin'ny fahaleovantena i Shina (sy i Rosia) nanoloana ny fanjanahanatany britanika nandritra ny taona 1960 sy 1970. Ampifanoherin'ny fitantaran'ny fanjakana ny ‘fitaomam-panaovantsoan'i Shina’ sy ireo hery tandrefana “imperialista” mpanao mizana tsindrian'ila, indrindra amin'ny resaka zon'olombelona.

Hita ho toy ny fahadisoana [7] noforonin'ny Tandrefana mba hanimbana ny governemantan'ny Ilabolantany Atsimo ny zon'olombelona. Hita any Rwanda, Shina, Kamerona, ary firenena tsy tandrefana maro hafa koa io fitantarana io.

Nanoratra [8], ohatra, ny tonian-dahatsoratra iray avy ao amin’ny Herald, gazety iray an’ny fanjakana eo an-toerana, fa ny “tsy manana fahefana ara-môraly i Etazonia hiteny an'i [Zimbaboe]” ho setrin'ny tatitra momba ny zon'olombelona novolavolain'ny masoivohon'i Etazonia ao Harare tamin'ny herintaona. Nolazainy fa manana firaketana ratsy momba ny zon'olombelona any Irak, Afghanistan ary Pakistan i Etazonia, ary tsy nety niara-niasa tamin'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2019, ary mamatsy fitaovam-piadiana ho an'i Afovoany Atsinanana.

Saingy tandindonin-doza tokoa ny zon'olombelona ao Zimbaboe. Mampiseho ny fikarohana nataonay tao amin'ny Unfreedom Monitor [9] fa iharan'ny fepetra fanasaziana ny olom-pirenen'i Zimbaboe rehefa mampihatra ny zony, anisan'izany ny fahalalahana maneho hevitra sy mivorivory.

“Raha jerena ny fironan'ny fitondrana amin'ny famoretana ireo tsy mitovy hevitra aminy ho tetikady fitazonana ny fahefana, dia fambara loza ho an'ny antoko mpanohitra, mpikatroka, FTMF-ONG sy ny fiarahamonim-pirenena” ny fampiharan'ny governemanta ny teknolojian'ny fanaraha-maso, hoy ny mpikarokay. “Hanamora ny famoretan'ny Fanjakana ny feon'ireo tsy mitovy hevitra aminy amin'ny alalan'ny fampiasana lalàna manohitra ny fahalalahana mivory sy maneho hevitra ny teknolojian'ny fanaraha-maso ao amin'ny tetikasa Smart City.”

Vitsy, nefa mazava, ny feo manohitra

Na dia eo aza ny loza mety hitranga, dia maneho ny ahiahiny momba ny fikasan'ny governemantany hahatonga ny tanàna ho “maranitsaina kokoa” ny mpitsikera sasany. Tsy vitan'ny hoe matahotra ny sivana bebe kokoa sy ny famoretana mahomby kokoa amin'ny mpanohitra sy ny mpanao gazety [10]amin'ny alàlan'ny fanarahamaso faobe sy lasibatra izy ireo, fa milaza ihany koa fa ho azon'i Shina hidirana [11] ny angon-drakitra biometrika sy fifandraisana amin'ny Zimbaboeana ho ampahany amin'ny fifanarahana eo amin'ny firenena roa tonta hanatsarana ny HaVO mpamantatra tarehy endrik'olona Afrikana. Iray amin'ireo feo mpitari-dalana miaro ny zon'angon-drakitra sy ny fiainana antakonana ny Zimbabwean chapter [12] ao amin'ny Ivon-toeran'ny Media Atsimon'i Afrika, sy ireo famoahana ara-piarovana [13].

Na izany aza, tsy dia miloa-bava loatra amin'ny fanoherany ny sisa amin'ny mponina, ary mailo amin'ny valifaty. “Misy ny tahotra lehibe eo amin'ny mponina satria fantatr'izy ireo ny fiantraikan'ny fitenenana manohitra ny governemanta,” hoy ny mpikarokay Zimbaboeana. “Betsaka ny tsy firaharahian’ny mpifidy, tsy hiresaka momba ireo zavatra ireo izy ireo. Misy ny fahatsapana fahadisoam-panantenana.”

Lalan'ny Lasoà Nomerikan'i Shina

Ny Lalan'ny Lasoà Ankihy no elatra nomerikan'ny Fisantaran'Andraikitra Fehikibo sy Lalana (BRI) an'ny Filoha Xi Jinping. Lasa mpitarika manerantany amin'ny fitantanana mifototra amin'ny fanarahamaso ao an-trano i Shina, maodely fanondrana ivelany amin'izao fotoana. Manome famatsiam-bola bebe kokoa ho an'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana any Afrika i Shina miohatra amin'ireo firenena demokratika lehibe rehetra sy ny fikambanana iraisampirenena mitambatra. Raha liana amin'ny fitantarana manodidina ny BRI an'i Shina ianao dia jereo ny famakafakana nataonay nanomboka tamin'ny taona 2021 ka hatramin'izao [15]. Ireto misy tantara vitsivitsy: