- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao RV : HIGA, vonona hiatrika ny vovonana fahefatra fanaony!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taratasim-baovao, Rising Voices

Ny taratasim-baovao avoakanay isambolana dia famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy navoakanay vao haingana momba ireo rehetra endriky ny fampiatiana nomerika ka isan‘izany ny fidirana sy ny fanekena ireo fitaovana nomerika, ary hatramin'ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ireo vondrom-piarahamonina mandray anjara feno ety an-tambajotra. Vakio ato [1] ireo famoahana efa nivoaka tany aloha amin'ity taratasim-baovao ity.

Salama tsara daholo ve ianareo ry mpamaky hajaina?  Efa Martsa isika izao ary manana zavatra mampientanentana hozaraina izahay!

Volana vitsy lasa izay, nisy vahiny teo aloha nampiantrano ilay fanentanana mihodina ataonay ao amin'ny Twitter nilaza tamintsika ny momba ny hetsika iray mahaliana antsoina hoe HIGA. Izy io dia Vovonana ihaonan'ireo Tanora Mpiteny ireo Fiteny Vitsy an'isa, ary ny andiany fahefatra dia hatao ao amin'ny Firenena Basque amin'ny Jolay ho avy izao. Mandritra ireo hetsika mahafinaritra haharitra dimy andro, azonao atao ny manantena hifandray amin'ireo tanora avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, izay mitovy fitiavana ny fanomezana aina vao indray ny fiteny / fikatrohana, no sady hifampianatra amin'ny alàlan'ireo endrika fifaneraseràna isankarazany.

Te-hahafantatra misimisy kokoa momba izany ve ianao rehefa avy nijery ilay lahatsary fampidirana ery ambony? Tsidiho ny tranonkalan'ny hetsika [2] [eu] [en [3]] [es [4]] ary azo antoka, aza misalasala ny mifandray raha toa ianao ka manana fanontaniana ho apetraka amin-dry zareo.

Fara-fisoratana:  16 Aprily 2023 / andron'ny hetsika : 17 Jolay  2023

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Liana te-hianatra mivantana ny anjara asan'ny aterineto sy ny teknôlôjia amin'ny fampiroboroboana sy famelomana indray ireo fiteny indizeny, vity an'isa, tandindonin-doza, na tsy ampy tohana ve? Ny Rising Voices sy ireo mpifanome tànana aminy dia mitondra ho anareo izao fihodinana iray vaovao amin'ny fanentanana ao amin'ny Twitter ho an'ny 2023, anasongadinana isankerinandro ireo mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny manerana ny tany. Tongava manaraka anay sy mihaino izay hozarain-dry zareo!

@ActLenguas [5] (Latin America)

Nanana vintana handray anjara tamin'ilay fihaonambe mikasika ny fikatrohana nomerika ho an'ireo fiteny Mayas tamin'ny Janoary ve ianao ? Inty ny topimaso tamin'ny zava-nitranga nandritra ny hetsika. Angamba mieritreritra ny hiaraka aminay ianao amin'ny manaraka – satria toa mahafinaritra ilay izy ? → “Topimaso amin'ny Fihaonambe an-tampon'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteny Mayas 2023 [8]

Miaraka amin'ireo lahatsoratra tamin'ny Febroary [9] amin'ny andiany Media and Information Literacy, dia manasa anao izahay hijery akaiky ny fomba nandrakofan'ny fampahalalam-baovao ny fiovàn'ny toetrandro (sy ny fiantraikany) ao amin'ny faritra Boliviana ao Gran Chaco [10]. Misy ihany koa ireo rakipeo telo [11] nangoninay – samy misy amin'ny fiteny Espanola, Guaraní, ary Weenhayek – mba hanampiana ireo mpandray anjara eo an-toerana ho afaka hitety tsaratsara kokoa ireo fitantaràna mikasika io lohahevitra tena mifandray amin'ny fiainany andavanandro io.

FAMATSIAMBOLA

Mikasa ny hamaha ireo olana maika amin'izao vanimpotoanantsika izao ve ianao miaraka amin'ireo tetikasanao manokana ? Ny Sundance Institute dia mizara ny tanjonao sady maniry ny hanohana anao amin'ny tahirim-bolany ho an'ny Fanadihadiana mba hisian'ny fiantraikany miaraka. Azo jerena eto [12] ireo antsipirihan'ny fangatahana sy ireo fepetra takiana ary ny laharam-pahamehana amin'ny fifantenana. Daty farany fandraisana : 17 Aprily 2023 amin'ny 11:59 alina (ora ao Pasifika) Fanamarihana : raisina an-tanan-droa ny famokarana iraisam-pirenena.

Ianao ve anisany ao anatin'ny fikambanana na miara-miasa amin'ny fikambanana miorina ao Azia-Pasifika misahana ireo olan'ny fifandraisana amin'ny Aterineto sy ara-tontolo iainana ? Misy karazany roa ny famatsiambola azo alaina amin'ny alalan'ny Ian Peter Grants for Internet and the Environment (amin'ny alalan'ny ISIF Asia [13]) ho an'ireo tetikasa mety sy ireo mpandray anjara mendrika. Azo jerena eto [14] ireo antsipirihany fanampiny. Daty farany fangatahana : 30 Aprily 2023 amin'ny 11:59 maraina (UTC +10)

HIRIKA | VATSIM-PIANARANA & FANOHANANA ARA-BOLA

Mandeha ny ora amin'ny fangatahana ho an'ny One World Media Fellowship! Na aiza na aiza misy anao, na maniry ny handrakotra an'ireo tantara tsy voatatitra loatra tamin'ny alalan'ny asa fanaovana gazety na ny famokarana sarimihetsika ianao, dia mety hanan-danja lehibe ho anao ny fanopaza-maso ity fahafahana miditr anaty tambajotran'ireo mpanoro hevitra sy mpiara-mianatra feno fandavantena ity. Azo jerena misimisy kokoa eto [15] ny antsipirihany. Daty farany fangatahana : 22 Martsa 2023 amin'ny 5 maraina (UTC)

FITAOVANA & LOHARANO 

Mandritra izany fotoana izany, miara-miasa amin'ny Thomson Foundation, ny One World Media dia manolotra fampianarana an-tserasera ankehitriny mikasika ny fanaovana tatitra iraisam-pirenena. Raha liana ianao ny hahalala bebe kokoa mikasika an'ireo hevitra fototra amin'ny fitantarana tsara dia saino ny hanaraka ity fampianarana maimaimpoana ity araka izay maha-afaka anao, ho an'ny fahombiazanao manokana amin'ny fitantaràna (eto [16] ny antsipirihany).

HAMAKY, HIJERY ARY HIHAINO MISIMISY KOKOA

Misorata handray ny Taratasim-baovaon'ny Rising Voices [20]

 

 

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisana anjara tato anatin'ity taratasim-baovao ity