- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices mitady mpiara-miombona antoka amin'ny resaka Media Sôsialy ho an'i Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao ambanin'i Saharà

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka

Sary an'i Filip Noubel, fampiasàna nahazoana alàlana.

Mpanentana mahomby ao amin'ny media sôsialy ve ianao ary tsy zoviana aminao i Afrika mampiasa sy miteny frantsay? Mamokatra lahatsary fohy sy manintona, feo na voatoaty an-dahatsoratra mahatratra mpanjohy marobe ve ianao? Vonona ve ianao ny hitrandraka sy hifanosona amina mpanjohy vaovao? 

Raha eny, hevero ny hisoratàna anarana ho amin'ny toeran'ny Mpiara-Miombona Antoka amin'ny Media Sôsialy (Social Media Global Fellow – SMGF).

Andraikitra handraisanao karama enina ka hatramin'ny valo volana ny SMGF. Amin'ity indray mandeha ity, i Afrika ambanin'i Sahara mampiasa sy miteny frantsay no ifantohanay. Ireto andraikitra manaraka ireto no takian'ilay toerana:

Ny mpisoratra horaisina amin'ilay toerana dia tokony:

Hanana tombon-dahiny kokoa ireo mpirotsaka mahay fiteny hafa ankoatra ny frantsay sy anglisy. 

Ny Global Voices dia fikambanana iray manerantany, ary virtoaly. Ny milina manodina ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo tonian-dahatsoratra miasa amina ampaham-potoana [2], izay miasa miaraka amin'ireo mpiaramiasa sy mpirotsaka an-tsitrapo ary mpandika lahatsoratra manerana izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia nisy mpiraharaha loatra teny anatin'ireo media iraisampirenena mahazatra.

Tsy misy fitakiana toerana jeôgrafika ireo toerena ireo. Tsy manana birao na foiben-toerana hita maso ny Global Voices. Tokony hahatsapa ho mahazo aina tsara ireo kandidà amin'ny fametrahany ny fandaharan'ora iasàny ary hiasa anatina tontolo iray izay virtoaly tanteraka.

Entaninay manokana ireo efa mpandray anjara ato anatin'ny tetikasa Global Voices amin'izao fotoana izao mba hifaninana.

Toerana iasàna amina ampaham-potoana izy io ary fifanarahana ‘freelance’ no itondràna azy.

Raha hifaninana:

Mandefasa ny mombamomba anao (CV) voafintina sy taratasy fanehoana fahavononana nosoratana tamin'ny fiteny anglisy manasongadina ny asanao no sady manazava ny mety haha-mpirotsaka tena ilaina anao ho amin'io toerana io. Alefa amin'ny jobs@globalvoices.org, soraty eo amin'ny antony ny hoe: Social Media Global Fellow – ny anaranao. Iangaviana, ankoatry ny ny fametrahanao azy ao anatin'ny vataben'ny imailaka alefanao dia mba hataonao amin'ny endrika .doc na .pdf ny taratasy milaza fahavononana ary ampanarahana (PJ).

Fetra farany fametrahana fisoratana 11:59 alina EST (GMT -4) amin'ny 14 Aprily 2023.