- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antsafa niarahana tamin'i Nicolas Carlier

Sokajy: Mediam-bahoaka

Sarin'i Nicolas Carlier. Nahazoana alàlana.

GV: Azonao lazaina aminay ve ny momba anao? Iza marina moa i Nicolas Carlier ?

Amin’ny andavanandrom-piainana aho Mpanolotsaim-Panabeazana Voalohany nandritra ny telo taona izay, saingy nanomboka ny asako maha-matihanina ho mpandikateny mahaleo tena aho, asa izay efa nataoko nandritra ny roa ambin'ny folo taona taorian'ny fiofanana tany amin'ny oniversite momba ny fandikan-teny. Asa roa tena samy hafa noho izany no indray ataoko nefa samy tena mahasoa ahy betsaka amin’ny fiainana andavanandro. Mandika ny karazana antontan-taratasy rehetra aho satria tiako ny mianatra isan'andro, saingy manam-pahaizana manokana kokoa aho amin'ny fandikana lahatsoratra lalàna, fitsaboana ary momba ny fizahan-tany. Izany hoe, afaka mandika asa soratra roa aho, traikefa izay antenaiko mbola ho ataoko indray.

GV: Oviana ianao no niditra tato amin'ny GV ary inona no antony naharisika anao?

Raha tsy diso aho, dimy taona lasa izay no nidirako tato amin'ny GV noho ny antony roa: hanamafisana ny fahaizako mandika teny noho ny fiverenan'ireo mpandika teny efa za-draharaha kokoa, nahitako fandrosoana mavitrika ary niasako amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny vondrona iray izay mikendry ny hampiroborobo ny fidirana amin'ny kolontsaina sy vaovao ho an'ny rehetra. Amin'izao taonjato faha-21 izao, mbola hitako fa tsy rariny loatra ny tsy maintsy handoavana vola (indraindray tena lafo) mba hanarahana ny vaovao nasionaly sy iraisam-pirenena.

GV: Lazao anay ny traikefanao tato amin'ny GV amin'ny maha mpandray anjara anao, inona no niavaka taminao?

Nanaitra ahy ny fifanohanana isan'andro teo amin'ny mpikambana tsirairay. Tsy misy ny hoe mifaninana, afaka mitondra fanampina ho an'ny tetikasa GV ny tsirairay. Isaky ny ilaina, manome vahaolana ny mpiara-miasa, araka ny ambaratongany sy ny ny fahaizany ary ny fahalalany rehefa tojo fahasahiranana izahay eo amin'ny fandikana teny, eo amin’ny fomba fitenenana na ny fahazoana ny hevitry ny lahatsoratra iray manontolo. Tena ankasitrahana izany ary manantena aho fa hitohy mandritra ny fotoana maharitra ny fahavitrihana.

Nanaitra ahy ihany koa ny fandrosoana azo tamin’io fahafahana mandika lahatsoratra isan-karazany io. Tiako raha mahavita betsaka kokoa aho izao fa miainga amin'ny teny espaniola mankany amin’ny teny frantsay.

GV: Amin'ny maha mpandika teny nosafidinay amin'ity volana ity, raha hanentana ireo mpandray anjara ato amin'ny GV ianao dia inona no teninao homenao ireo?

Hitahiry, hifandamina araka izay azo atao mba hanohizana ny fandraisana anjara amin'ny tetikasa tena miahy ny maha-olona sady mampientana.