Tanzania : fandrosoana hita amin'ny fanavaozana ireo médias nasiônaly

Journalists in Tanzania covering an event. Image source; ILRI. Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0)

Mpanao gazety ao Tanzania mandrakotra hetsika iray. Loharanon'ny sary ; ILRI. Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0)

Volana iray taorian'ny nanesorana ny fandraràna fivorivoriana pôlitika, nanambara dingana vaovao iray lehibe momba ny fanavaozana ny media ny governemanta tanzaniàna.

Tamin'ny 9 Febroary tao Dodoma, renivohitry ny firenena, nandritra ny kaonferansa iray nataony ho an'ny gazety,  ny minisitry ny fampahalalam-baovao, ny fifandraisana ary ny teknôlôjian'ny fampahalalam-baovao, dia nametraka fa ny governemanta dia niditra amin'ny fanovàna ny lalàna 2016 momba ny tolotra omen'ireo médias ary ny 10 Febroary no hametrahana ilay tolodalàna fanovàna mba ho dinihana voalohany ao amin'ny parlemanta.

Tamin'ny 2016 no nanambaràna ilay lalàna momba ny tolotra omen'ireo media, fony teo ambany fitondran'ny filoha tamin'izany fotoana izany, avy eo dia i John Magufuli, ary natao hikendrena ireo mpanao gazety, ny mpanohitra ary ireo mpikatroka ho an'ny zon'olombelona mpanakiana ny governemanta sy ny filoham-pirenena. Io lalàna io no nitarika ho amin'ny fampitsaharana tamin'ny asany ireo mpanao gazety niisa efatra sy sehatra marobe an'ny media tety anaty tambajotra, niteraka fanehoankevitra avy amin'ireo mpikatroka ho an'ny zo izay nametraka fitarainana niombonana teny anatrehan'ny East African Court of Justice (EACJ) (Cour de Justice ao Afrika Atsinanana), rantsam-pitsaràna iray najoro niainga avy amin'ny fifaneken'ny Fiombonamben'ireo Firenena ao Afrika Atsinanana (EAC) ka isan'ireo nanao sonia izany i Tanzania. Tao anatin'ny famoahana didy manan-tantara nataony, navoakan'ny Cour de Justice ao Afrika Atsinanana ny didim-pitsaràna iray nanome rariny ireo mpitory. Nambaran'ny tribonaly fa raha toa ny andininy faha -13 sy -14 ka tsy manitsakitsaka ilay fifaneken'ny EACJ, dia tsy izany kosa ny an'ireo andalana sisa ambiny, ary nasaina ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania mba hiantoka fa hanaja ilay fifanekena ilay lalàny momba ny tolotra omen'ireo media.

Taorian'ilay fanapahankevitra, ireo mpisehatra amin'ny fampahalalam-baovao voatohina tamin'izany dia nanao tsindry tsy an-kitsahatra tamin'ny governemanta mba hirosoany tamin'ireo fanavaozana goavana an'ilay lalàna famoriporetana izay nahitàna andalana marobe manampim-bava ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena. Fanapahankevitra iray nahitàna vokatra satria nampilefitra ny governemanta, nanokatra araka izany ny  làlana ho any amin'ny fandinihana indray ilay lalàna.

Asehon'ny fanambaràna nataon'i Nnauye ny fiovàn'ny fomba firesaka avy amin'ny governemanta taorian'ireo fitarainana avy amin'ny Vovonan'ireo Mpanonta Vaovao ao Tanzania (TEF), izay mpandresy lahatra ao an-toerana an'ireo lehibena trano famoaham-baovao ao amin'ny firenena. Tao anaty fanavaozam-baovao iray teo aloha, Gerson Msigwa, mpitondra tenin'ny governemanta, dia nanao tsilian-tsofina hoe nahemotra ary hapetraka ho amin'ny fotoam-pivoriana parlemantera manaraka hatao amin'ny Aprily 2023  ilay volavolan-dalàna, noho ny “tetiandro tototra be” amin'izao fotoana izao eo anivon'ny parlemanta.

Ireo fanamarihan'i Msigwa dia nanosika ny TEF hamoaka fanambaràna iray nanehoany ny ahiahiny manoloana ireo zavatra nambaran'ilay mpitondra tenin'ny governemanta, ka nitanisàny fa tsy ampy ireo antony mahatonga ny governemanta hikatsaka ny hanemorana ny fametrahana ilay volavolan-dalàna ho amin'ny fotoam-pivoriana parlemantera manaraka. Ny TEF dia mihevitra io fanapahankevitra io ho fikasàna ratsy ataon'ny governemanta mba hanalàna ilay volavolan-dalàna tsy ho anaty lahadinika.

Notsindrian'ny minisitra Nnauye fa noho ny fanafoanana tamin'ny minitra farany ny volavolan-dalàna momba ny fiahiana ara-pahasalamàna ho an'ny rehetra izay tokony ho napetraka tao amin'ny parlemanta no nitarika ho amin'ny fiovàn-kevitra goavan'ny governemanta momba ny fametrahana ilay volavolan-dalàna momba ireo tolotra omen'ny media, singa iray nanokatra ny làlana ho amin'ny famakiana voalohany an'ilay volavolan-dalàna ao anatin'ny tetiandron'ny parlemanta.

Hatramin'ny 2021 fotoana nanaovan'i Samia Suluhu fianianana hitantana ny firenena, taorian'ny fodiamandrin'i Magufuli, dia nahitàna firosoana i Tanzania tamin'ny resaka fanavaozana ara-pitsaràna ataony. Tao anatin'ny kabary pôlitika voalohany nataony tamin'ny Aprily 2021, nomen'i Suluhu baiko ny minisitry ny fampahalalam-baovao mba hanàla ireo fandraràna ny media. Raha nandray fitenena nandritra ny lanonàm-pianianan'ireo tomponandraikitra ao anivon'ny governemanta vao avy notendrena ho ao amin'ny Tranom-Panjakàna, tao Dar es-Salaam, dia nanambara izy hoe : « Reko fa toa hoe nofoanana ny fahazoandàlan'ny sasany amin'ireo trano mpamoaka vaovao, indrindra fa ireo sehatra an'ireo fahitalavitra anaty tambajotra. Avereno amin-dry zareo indray izany, tsy tokony isika no hanome azy ireo ny fahafahana hiteny fa hoe isika no manakenda ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Saingy rehefa tafaverina amin'izy ireo indray izany, avelao ry zareo hanaraka ireo fepetra napetraky ny governemanta.»

Tsy tapaka ny governemantan'i Suluhu no nampiseho ny faniriany hanalavitra ny làlan'ny fihemorana momba ilay fitantanana fahadimy, tamin'ny fanafoanana lalàna sasantsasany manempotra ny hevitra tsy mitovy sy/na tamin'ny fametrahana ireo lalàna mankamin'ny fivoarana.

Tamin'ny 2022, nankatoavin'ny parlemanta tanzaniàna ny lalàna iray momba ny fiarovana ireo angondrakitra manokan'ny tena, nandefa ny firenena ho ao anaty laharana misy ireo mitovy aminy ao anatin'ny Fiombonan'ireo Firenena ao Afrika Atsinanana (EAC), toa an'i Kenya, Ogandà ary  Roandà, izay nametraka lalàna mifandraika amin'ny fiarovana angondrakitra. Intohan'ilay lalàna ny zo hanana ny fiainana manokana sy ny fiarovana ny isam-batanolona, araka izay voarakitra ao anatin'ny lalàm-panorenana tamin'ny 1977.

Tamin'ny Febroary 2023, naboraky ny filoha Suluhu fa nisy vondron'asa iray niarahan'ireo antoko pôlitika, fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ireo Tanzaniàna avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ho atsangana amin'ny fotoana mahamety azy mba hametraka dingana vaovao fanavaozana mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana sy hampandrosoana ilay volavolan-dalàm-panorenana naato tamin'ny 2014. Shaka Hamdu Shaka, sekreteran'ny Chama Cha Mapinduzi amin'ny resaka ideôlôjia sy dokambarotra, manipika fa ilay tosika vaovao ho fanavaozana ny lalàm-panorenana avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana (Chama Cha Mapinduzi) dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasan'ny filoha Suluhu mikendry ny hanamafisana ny demaokrasia sy hiarovana ny fampihavànana pôlitika ao amin'ny firenena.

Ankoatra izay,  nangatahany ireo ministera voakasik'izany mba hamerina hijery ireo lalàna rehetra efa voaporofo hoe mametraka sakana amin'ny fahafahan'ny firenena hanome malaky ny rariny eny anivon'ny rafi-pitsaràna. Ny governemantan'i Suluhu koa izao dia andalan'ny firotsahana amin'ny làlan'ny fanavaozana ireo rantsana mpitantana ny fifidianana io Tanzania, ny Kaomitim-pirenena misahana ny fifidianana (NEC), ary ny fanitsiana ireo lalàna mandràra ny antoko pôlitika.

Tamin'ny 2021, nohamafisin'i Samia Suluhu ny fikasàny hirotsaka amin'ireo fifidianana fanao isaky ny dimy taona amin'ny 2025, fanambaràna iray nandona mafy ireo mpikambana ao anatin'ny antokony. Nandritra ny fivoriambe faha -10 nataon'ny Antoko Revôlisônera (CCM) natao tao Dodoma renivohitra, tamin'ny Desambra 2022, ilay filoha efa nitsahatra tamin'ny asany Jakaya Kikwete dia naneho imasom-bahoaka ny fanohanany ny firotsahan-kofidiana nambaran'i Suluhu.Nanambara i Kikwete fa tsy misy mihitsy fomba azon'ny mpikambana ao anatin'ny CCM atao hifaninanana amin-dramatoa Saluhu filohan'ny antoko sady filoham-pirenena mandritra ny fifidianana izay ho filohampirenena hatao amin'ny 2025 noho ny laza ananany. Raha mandresy izy, dia izy no ho vehivavy voalohany lany ho filohampirenena tamin'ny alàlan'ny fifidianana.

Ireo mpanaramaso pôlitika dia nanao tsoakevitra avy amin'izany hoe tetikady pôlitika fotsiny ihany ireo tolotra naroson'i Samia hatreto. Raha nanamafy ny avy amin'ny fanoherana ry zareo, dia ho nahazo mpomba azy ho an'ireo fifidianana ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.