- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mizara ny fitiavany ny fiteny ao amin'ny Radio Nasionaly Tseky i Filip Noubel

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV
[1]

Pikantsarin'ny lahatsoratra tamin'ny antsafa tao amin'ny tranokalan'ny Radio Prague International. Loharano: Radio Prague International

Tamin'ny antsafa tsy nampoizina, niresaka tamin'i Filip Noubel, Tonian-dahatsoratra Mpitantana ato amin’ny Global Voices momba ny fitiavany ny fiteny maro ny fandaharana fizarana amin’ny teny Espaniola ao amin'ny radio nasionaly Tseky (Radio Prague International [2]).

Ao amin'ity Antsafa ity, miresaka momba ny fomba nianarany fiteny i Noubel ary notohizany hoe:

A mí no me gusta estudiar en sí los idiomas porque para mí la lengua es una cosa muy natural que no necesita trabajo porque te la encuentras en la calle, en la televisión y al jugar con otros niños. Yo cuando tenía entre diez y once años hablaba ya cinco o seis lenguas pero no las estudiaba en clase con los libros.

Tsy tiako ny mianatra fiteny tsirairay satria amiko dia zavatra voajanahary ny fiteny ka tsy mila asa noho ny fahitana azy eny an-dalana, amin'ny fahitalavitra ary rehefa milalao miaraka amin'ny ankizy hafa. Efa niteny fiteny miisa dimy na enina teo aho fony aho teo anelanelan'ny folo sy iraika ambin'ny folo taona nefa tsy nianatra azy ireny tany ampianarana tamin'ny boky.

Nohazavainy ihany koa fa ho azy, ny fifandraisana no tanjona fa tsy ny fahatanterahana ka noho izany, tsy maninona ny miteny sy manao fahadisoana, toy ny ataony amin’ny teny Espaniola.

Azonao atao ny mihaino ny antsafa sy ny lahatsoratra famenon'ny onjam-peo ato [1].