Tahaka ny ahoana ny fanimban'ireo mpandoto rindrina avy amin'ny fanjakana ao Vietnam ny fahalalaham-pitenenana sy ny demaokrasia

Vietnam laptop in an Internet cafe

Tombanana ho 70 tapitrisa any ho any ireo mpisera aterineto ao Vietnam. Saripika avy amin'ny kaonty Flickr avy amin'ilay mpakasary matihanina Marco Verch, (CC BY 2.0)

Nandefa andia-tafika mpandoto-rindrina anjotra sy tafika an-habaka manaparitaka vaovao diso sady manao fanentanana fankahalàna mahatsiravina amelezana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ireo ahiahiana ho mpitsikera ny fanjakana i Vietnam.

Nohazavaina amin'ny antsipiriany ao amin'ny tatitra vaovao navoakan'ny kiadin'ny zon'olombelona Viet Tan ny fiitaran'asan'ireo mpandoto-rindrina ireo. Nampitondraina ny lohateny hoe “#StopVNtrolls — Combatting Force 47 and Cyber Censorship,” ny tatitra izay “mampiharihary ireo tambajotra mpanimba tompon'andraikitra amin'ny fanimbàna ara-tsosialy voarindra sy ny fanapotehana fitenenana ampahibemaso ao Vietnam.”

Manana mpikambana manerana an'i Vietnam sy eo anivon'ireo vondrom-piarahamonina am-pielezana any amin'ny lafivalon'ny tany izay mampaka-teny ho amin'ny fanavaozana ara-demokratika ny Viet Tan. Na izany aza, noraràn'ny governemanta Vietnamiana amin'ny fomba ofisialy izy io.

Manana vondro-tafika an'habaka antsoina hoe Force 47 ny tafika Vietnamiana, ka ny andraikiny voalohany dia ny miaro ny antokon'ny fitondrana amin'ny alalan'ny fanotofana votoaty mpomba ny governemanta ao amin'ny aterineto. Manana mpikambana eo amin'ny 10.000 eo ho eo izy io, saingy mety ho avo kokoa izany isa izany satria miara-miasa amin'ny borigady sivily antsoina tsy ofisialy hoe E47.

Saingy tsy mikirakira votoaty fotsiny ny mpikambana ao amin'ny Force 47 hamolavolana ny hevitry ny besinimaro hirona amin'ny governemanta satria malaza amin'ny fampisehoana ny mombamomba ny kaonty anjotran'ireo mpikatroka sy mpisera hafa izay mitsikera ny manampahefana ry zareo.

One of the methods used by Force 47 is to dox admins of Facebook pages. They instigate waves of harassment and bullying on personal profiles that may spill over into offline lives, creating an atmosphere of fear of speaking freely online.

Iray amin'ireo fomba ampiasain'ny Force 47 dia ny mampiseho ny mombamomba ireo admin pejy Facebook. Mandrisika onjam-panasavoritahana sy fandrahonana amin'ny horirantavan'olona manokana ry zareo izay mety hivoaka ivelan-jotra, ka miteraka rivo-tahotra hiteny malalaka an-jotra.

Araraotin'ny mpikambana ao amin'ny Force 47 koa ny fenitry ny vondrom-piarahamonina amin'ny sehatra media sosialy toy ny Facebook mba hanentanana ny fampiatoana na fandraràna ireo pejy manasongadina ny fihoaram-pefin'ny governemanta. Iharan'ny tatitra faobe matetika, ohatra, ny Viet Tan ka nitarika fampiatoana matetika ny pejiny.

Nizara ny zava-niainany i Michel Tran Duc, talen'ny advocacy ao Viet Tan, tamin'ny fiatrehana ireo mpandoto-rindrin'ny fanjakana nandritra ny resadresaka imailaka nifanaovana tamin'ity mpanoratra ity:

It’s a daily struggle for a small number of volunteers who are facing several thousands of paid trolls. It’s like David against Goliath.

Our volunteers work by conviction. State trolls are paid to spread the régime's propaganda. So when confronted with factual arguments, they quickly run out of ideas and react with insults. The more heinous they are, the more people see their true face.

Tolon'ny mpilatsaka an-tsitrapo vitsivitsy isan'andro miatrika mpandoto-rindrina an'arivony maro izany. Tahaka an’i Davida tamin’i Goliata.

Miasa amin'ny faharesen-dahatra ny volantera. Karamaina ny mpandoto-rindrin'ny fanjakana hanaparitaka ny propagandin'ny fitondrana. Noho izany, vetivety dia lany hevitra ry zareo rehefa tojo tohan-kevitra mafonja ary mamaly ompa. Arakaraka ny maharikoriko azy ireo no ahitantsika ny tena endriny.

Nanampy i Michel Tran Duc fa tokony handinika tsara amim-pitandremana ny Facebook amin'ny fomba fiasany mampihatra ny fenitry ny vondrom-piarahamonina, indrindra amin'ireo tranga izay mitarika amin'ny fampiatoana na fanesorana mihitsy aza ny kaontin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

On the mass reporting front, we rely on the Facebook human rights team to revert decisions taken by Meta’s bot. We urge Meta to cross check systematically all reporting on human rights NGOs pages such as Viet Tan to avoid falling in trolls’ trap.

Eo amin'ny sahanadin'ny fitoriana faobe, miantehitra amin'ny ekipan'ny zon'olombelona ao amin'ny Facebook izahay hamerina ny fanapahan-kevitra noraisin'ny raboton'i Meta. Manentana ny Meta izahay mba hanara-maso ireo fitoriana rehetra amin'ny pejin'ny ONG-FTMF zon'olombelona toa an'i Viet Tan mba hialana amin'ny fandriky ny mpandoto-rindrina.

Mandrisika ny Meta ny taratasy misokatra hamafa ireo kaonty Facebook sandoka an-tapitrisany ao Vietnam, hanakatona ireo tambajotra izay manao fitoriana faobe voarindra, ary hanokatra lalambe ho an'ireo Vietnamiana mpikatroka, mpanao gazety ary mpandray anjara hamerina ireo votoaty nesorina

Vondrona sy olon-tsotra 60 farafahakeliny no mizàka ny antson'i Viet Tan ka nanao sonia taratasy mandrisika ny Facebook hiara-hiasa amin'ny mpandray anjara rehetra mba hisorohana ny fampiasana ny sehatra mba tsy ho lasa fitaovam-piadiana hampanginana ny tsy fitovian-kevitra.

Facebook has revolutionized how we consume, create, and share information. But it has also increasingly become a tool to suppress the very freedom of expression it was meant to promote, as political actors have manipulated the platform to curtail dissent and harass opponents.

Provide an avenue for Vietnamese activists, journalists and stakeholders to appeal content takedowns and to work directly with Facebook staff when targeted by coordinated social harm campaigns.

Nanova ny fomba fanjifana, famoronana ary fizarana vaovao teo amintsika ny Facebook. Saingy nanjary fitaovana hanakanana ny fahalalahana maneho hevitra izay nokasainy hiroborobo ihany koa izany, satria nokirakirain'ireo mpisehatra politika ny sehatra mba hanakonana ny tsy fitovian-kevitra sy hanasavoritahana ny mpanohitra.

Omeo lalana ireo mpikatroka Vietnamiana, mpanao gazety ary mpandray anjara mba hamerenana ireo votoaty nesorina sy hiara-hiasa mivantana amin'ny mpiasan'ny Facebook rehefa lasibatry ny fanentanana ara-tsosialy mpanimba voarindra.

Mbola tsy namaly ny taratasy ny Facebook, saingy mino i Michel Tran Duc fa zava-dehibe ny ezaka iombonana amin'ny fitakiana ny tamberin'andraikitra amin'ny orinasa teknolojia.

We’ve received no response from Meta. Meta may ignore one voice, but if a large coalition of NGOs and elected people urge Meta for accountability, they’ll answer. We’ll continue our advocacy work and raise awareness on this issue.

Tsy nahazo valiny avy amin'ny Meta izahay. Mety tsy hiraharaha feo iray ny Meta, fa raha misy fiaraha-miombon'antoka lehibe eo amin'ny ONG-FTMF sy olom-boafidy mandrisika ny Meta hanao tamberin'andraikitra, dia hamaly ireo. Hanohy ny fanandratanay ny teny izahay ary hanaitra ny saina momba ity raharaha ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.