Benin, valan-javaboahary iray lasa toeram-pialofan'ireo vondrona mpihoko

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France24

Ao avaratr'i Bénin, misy valan-javaboahary iray lasa toaram-pialofan'ireo mpikomy niampita sisintany, raha i Cotonou ilay mbola eo am-pamerenana mandinika ny tetikadim-piarovany iny indrindra.

Tamin'ny 2017, firenena marobe ao Afrika Andrefana, isan'izany i Bénin, Burkina Faso, Côte d'Ivoire, Ghana ary Togo, no niara-dàlana tamin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, Frantsa ary Grande-Bretagne tao anatin'ilay Santatr'Andraikitr'i Accra hiarahana miady amin'ny ambana entin'ireo jihadista any amin'ireo firenena ao Sahel. Tanjon'io ambohipihaonana ivondronan'ireo filoha avy amin'ireo firenena voatanisa etsy ambony iretsy ny hampiraisana ireo ezaka hifehezana tsara kokoa ny asa fampihorohoroana. Tamin'ny 2019, Mali,  Nizera ary Nizerià dia nanatevin-daharana tao koa, amin'ny maha-mpikambana mpanaramaso azy ireo.

Efa ela i Benin no tsy voatohintohin'ny ambana entin'ireo jihadista raha efa am-polon-taona maro kosa ireo  firenena miray sisintany mirefy 2.123 km aminy,  Burkina Faso (386 km),  Nizerar (277 km), Nizerià (809km), ary Togo (651 km) no niharan'io karazana ady antsoina hoe tsy mifandanja io.

Fa nanomboka tamin'ny May 2019 , nitombo ny isan'ireo fitsofohana sy trangana herisetra mahery vaika tao Benin. Tamin'ny 8 Febroary 2022 ny fanafihana iray tena nahafatesana olona maro indrindra, ary nahitàna olona sivy raha kely indrindra namoy ny ainy. Nanomboka tamin'ny 2021, efa mihoatra ny roapolo ireo asa fampihorrohoroana voarakitra tao amin'ny tanin'i Benin, araka ny fanamarihan'ity mpampiasa Twitter ity azy: 

Ny asa fampihorohoroan'ny jihadista ao Sahel dia tsy voafehy manokana any amin'ireo firenena ao avaratry ny Hoalan'i Guinée. Naharakitra fanafihana niisa 26 voalaza ho notanterahan'ny JNIM tao avaratr'i #Benin ny ACLED teo anelanelan'ny Novambra 2021 sy 14 Septambra 2022.
— Hervé Doumbia (@almouslime) 29 Septambra 2022

Na mijanona ho fotokevitra toa somary manana dika marolafy aza ny hoe fampihorohoroana, dia tsara ny mahafantatra hoe “zavamisy tsy azo lavina intsony io”. Ny fomba fiasany nakàna an-kery ireo Frantsay mpizahatany tao avaratr'i Benin dia mampahatsiahy ” hatrany ny an'ireo vondrona jihadista sasantsasanytoy ny Vondrona mpanohana ny Islam sy ny Miozolmàna (GSIM) , mifandray tendro amin'ny al-Qaïda ary manome tsiny ny governemanta tandrefana amin'ny fitsabahana anatin'ny raharahan'ireo firenena islamika.

Izany koa no hevitr'ity manampahaizana manokana momba ny ao Sahel ity: 

Sahel: “Abaribarin'ny fakàna an-kery ireo Frantsay mpizahatany tany avaratr'i Benin ny fiarahamiasan'ireo rantsana samihafa mpitolona jihadista miasa ao amin'ny faritra,” hoy @YGuichaoua, manampahaizana manokana momba ny faritra Sahel sy ny resaka fiarovana ao Afrika Andrefana

— Xavier Martinet (@XXMonde) 13 May 2019

Ity bitsika avy amin'ny Wamaps ity, bilaogy iray miresaka ny toedraharaha ara-piarovana ao Afrika Andrefana, dia manamafy ny fiharatsiana ankapobeny misy ao amin'ny faritra

#Sahel | Fampilaharana ny fiantraikan'ny asa fampihorohoroana erantany tamin'ny 2022, isa 0 hatramin'ny 10 (ny mafy indrindra).  #Burkina 🇧🇫 ,  #Mali 🇲🇱 ,  #Nizerià 🇳🇬 ary  #Nizera 🇳🇪 no mitàna ny lohalaharana.
⚠️Fitomboana mampiahiahy ao  #Togo 🇹🇬 (niakatra toerana +49 ) sy ao #Bénin 🇧🇯 (niakatra toerana +23).

Loharano @GlobPeaceIndex . Nivoaka tamin'ny 14/03 pic.twitter.com/2gKLMjy0kS

– Wamaps (@Wamaps_news) 17 Martsa 2023

Ho an'ny taona 2022 fotsiny, nanokanan'ny governemanta ao Benin vola 60.609.557.000 Francs CFA (izany hoe 100 tapitrisa dolara amerikàna eo ho eo) ny tetibola ho an'ny fiarovana. Tamin'ny 2023, nisy fiakarany 27,82% hita tamin'ireo filàna tetibolan'ny ministeran'ny fiarovam-pirenena. Hanazavàna izay, ny 28 Aprily 2022 dia nampitain'ny governemanta ao Benin tamin'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ny fikasàny hanaisotra ireo andian-tafiny niparitaka tao Mali niaraka tamin'ilay hetsika MINUSMA ho fanamafisana ny fiarovana manerana ireo sisintany iraisany amin'i Nizera sy Burkina Faso .

Akany maitso ho an'ny fampihorohoroana

Ny endrika iray hafa maneho ny toedraharaha mampiasa loha dia ny fipetrahan'ireo vondrona mpihoko any anatin'ny faritra arovana ampitan'ny sisintany, ifampizaran'i Bénin, Burkina Faso ary Nizera,  antsoina hoe « Parc W » ao avaratry ny firenena. Io valan-javaboahary mirefy 30.000 km² io dia voasokajy ho vakoka erantany ao amin'ny Unesco nanomboka tamin'ny 1996, ary tafiditra ihany koa ho complexe W-Arly-Pendjari , toerana natoraly iray miampita sisintany ifampizaran'i Bénin, Burkina Faso, ary Nizera.

Voasoratra ao anatin'ny lisitry ny #VakokaErantany : ny “Complexe W-Arly-Pendjari” [fihitaran'ny «Valam-pirenena W ao Nizera»], Bénin, Burkina Faso, Nizera pic.twitter.com/zTFCTgTd78

— UNESCO en français (@UNESCO_fr) 7 Jolay 2017

Noho ny tsy fisian'ny herim-piarovana tokony hiantoka ny fiarovana ireo karazam-biby ao, lasa toerana sarotra idirana ho an'ireo hery fiarovana io toerana masina io. Araka izany dia mipetraka ao ireo vondrona mpampihorohoro; nanomboka tamin'ny 2018 dia izany no misy ho an'ireo vondrona jihadista toy ny Katiba Ansarul Islam sy ny Katiba Serma izay mampiasa azy io ho toy ny  toby famaharana ho entina hanitarana ny dindon-dry zareo mankany Benin sy ireo firenena hafa ao Afrika Andrefana . Io valan-javaboahary io dia miaina fifandirana marobe mifamatotra amin'ireo trangan-javatra marobe, toy ny haintany, ny fifindrantoerana ary ny fihazàna.

Fihetsiky ny govenemanta ao Benin manoloana ny amban'ny mpampihorohoro

Mba hampihenana ny fidonan'ny ambana ateraky ny fampirohorohoana, marobe ny hetsika nataon'ny governemanta ao Benin, toy ny fanamafisana ny fahaizamanaon'ireo tafika mitam-piadiana ao Benin (FAB) ary ny fandraisana faobe ho fanampin'ireo efa amperinasa amin'izao fotoana izao ao anivon'ny tafi-piarovana efa misy. Araka izay nambara tao anatin'ny fandaharanasan'ny governemanta ho an'ny taona 2021-2026, mihoatra ny 2 000 ireo miaramila sy pôlisy horaisina mba hahafahana mandrakotra tsara ireo velarana 112 622 km² mandrafitra an'i Bénin. Nisy ihany koa ny fanohanana avy amin'i Frantsa, ao anatin'ny fifanomezan-tànan'ny Frantsay sy ny Beninoà amin'ny ady atao amin'ny asa fampihorohoroana sy ny fanaovana an-tendro feno herisetra. Fiara tsy mataho-dàlana niisa 20 (MASS TECH ) no natolotra ho an'ny Fatika Mitam-Piadiana Beninoà.

Hetsika iray hafa ny “fanamafisana ny fifamatorana sôsialy , ny fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra ary ny ady anoherana ireo fifandonana mifamatotra amin'ny fifindran-toerana”, iarahana miasa amin'ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD) sy ny masoivohon'ny Pays-Bas.

Ny firotsahan'ny fiarahamonim-pirenena sivily amin'ny famahàna ireo fifandirana dia fitaovana iray hafa tena ilaina, araka ny fanazavan'i Gille Yabi, tale mpanatanteraka ao amin'ny  Think Tank Wathi tao amin'ny tranonkalan'ny Benin Intelligent:

Koa satria ny fiarahamonina manontolo no indray idonan'izany, dia antony iray ampy izany mba haha-ara-drariny ny fandraisana anjaran'ity farany manontolo amin'ny fikatsaham-bahaolana

Yabi no manazava ireo fanamby naroson'ny fiarahamonim-pirenena sivily tao amin'ny faritra, ao anatin'io antsafa io ihany

araka izany, mazava loatra fa manana anjara toerana goavana ny fiarahamonim-pirenena sivily satria izy no voalohany iharan'ny toedraharahan'ny tsy fandriampahalemana[…] Ireny fikambanana ireny no akaiky indrindra ny vahoaka isanandro, ary dia tena ivo araka izany ny fandraisana anjarany amin'ny fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra, na ny fipetrahan'ireo vondrona mitam-piadiana any amin'ireo firenena ao amin'ny faritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.