
Sary nampindramin'i Sydney Allen
Ity fizarana ity dia miara-dia amin'ity lahatsoratra momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Zeorzia ity.
Ao amin'ity toko ity i Arzu Geybullayeva, Tonian'ny Global Voices any Kaokazy Atsimo sy Torkia, nitafatafa tamin'i Maya Talakhadze sy Ekaterine Khositashvili, mpanoratry ny tatitra hivoaka tsy ho ela ao anatin'ny tetikasa “Ampandavoana ny hantsana eo amin'ny lahy sy ny vavy” ao Zeorzia. Ny tetikasa dia fiaraha-miasa eo amin'ny Disruption Network Lab sy ny Efi-pihaonam-pampandrosoana ara-paritra-Kaokazy. Manatevin-daharana an-dry zareo amin'ny fandraisam-peo
Podcast: Play in new window | Download
Subscribe: RSS
i Emmy Thume, mpanao gazety avy any Alemaina izay nitsidika an'i Zeorzia tamin'ny Septambra ary namoaka tantara momba ny herisetra an-tokantrano ao amin'ny firenena. Niara-nizara ny eritreriny momba ny toetry ny (tsi-)fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Zeorzia ireo mpandahateny telo ireo, nizara ny voka-pikarohan'ny tatitra, ary ny dingana manaraka.Ity toko manokana amin'ny [fandraisam-peo] Global Voices [Podcast] ity dia niaraha-niasa amin'ny Disruption Network Lab, miorina any Berlin, izay efa niara-niasa tamin'ny Global Voices tamin'ireo lanonana sy antsafa maromaro. Raha nahafinaritra anao ity toko ity dia miangavy anao hamandrika sy hilaza amin'ny namanao ny momba anay! Azonao atao ihany koa ny manjohy anay ao amin'ny Twitter. Ny mozika ato amin'ity podcast [fandraisam-peo] ity dia mitondra ny lohateny hoe “Voyage” nataon'i NikMartken, avy ao amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices.
Podcast: Play in new window | Download
Subscribe: RSS