- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Mozambikana no nandresy tamin'ny fifaninanana nahandro iraisam-pirenena tany Portiogaly

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Paortiogaly, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Pikantsarin'ny fifaninanana MasterChef, nataon'ny mpanoratra – Televiziona RTP, 19 febroary 2023

Tamin'ny 19 Febroary 2023, nivoaka ho mpandresy [1] tamin'ny iray amin'ireo fifaninanana nahandro lehibe indrindra any amin’ny firenena miteny Portiogey ilay Mozambikana Sahima Hajat.  ‘Masterchef Portugual’ no iantsoana ity fandaharana ity, ary dika mitovy amin’ny fandaharana ho an’ny fahaiza-mahandro  BBC MasterChef natao tamin’ny teny Portiogey.

Natrehan'ny vahiny sy sefo maro ny gala famaranana [2], toa an'i Hans Neuner sy João Oliveira ary Justa Nobre.  Hita ao ambadika ireo telo hafa nanao ny famaranana, Ana Isabel, Rita Costa ary Lionel Martis.

Teraka tany Mozambika, Miozolomana i Sahima Hajat ary monina any Odivelas (Portiogaly). 32 taona izy ary nisoratra anarana tamin’ny “Masterchef” mba hifaninana samirery, nefa sady manara-maso tsy tapaka ny fianakaviany, satria mihevitra izy fa reny saro-piaro. Avy tamin'ny reniny sy ny renibeny ny fitiavany nahandro, mpahandro sakafo tena mahay, ary avy amin’izy ireo izy no nianatra izany mandrakariva.

Nahazo dera betsaka [3] avy amin’ny olo-malaza tao amin'ny Facebook ny loka, ​​toy ilay mpitantana iray tao Maputo Mozambika:

Sahima Hajat é a vencedora do “Masterchef Portugal”. É Moçambicana, sangue da minha terra, e família, grande orgulho. PARABÉNS, sobrinha…

Sahima Hajat no mpandresy tamin'ny “Masterchef Portugal”. Mozambikana izy, iray rà amin'ny taniko sy ny fianakaviako, rehareha lehibe. MIARAHABA anao ry zanak'anabavy…

Tao anatin'io fanehoan-kevitra io ihany, nisy fanehoan-kevitra maromaro nanasongadina ny zava-bita azon'ilay Mozambikana.  Nilaza [4] ny iray tamin'ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny mpisera aterineto iray fa ohatra amin'ny fomba nanasongadinana ny Mozambikana manerana izao tontolo izao izany:

Este é testemunho de que Moçambique e os moçambicanos são capazes de muita coisa o talento moçambicano está espalhado pelo mundo fora. Já em Londres vi um chefe cozinheiro num dos melhores restaurantes e estava lá sangue moçambicano a comandar. Enfim muitos exemplos de coisas boas deste povo humilde.

Porofo izany fa mahavita zavatra betsaka i Mozambika sy ny Mozambikana, miely eran'izao tontolo izao ny talenta mozambikana. Niverina tany Londres aho ary nahita sefo iray tao amin'ny iray amin'ireo trano fisakafoana tsara indrindra ary nisy Mozambikana niasa tao. Farany, maro ny ohatra amin'ny zavatra tsara avy amin'ireo olona feno fanetren-tena ireo.

Naneho hevitra [5] tamin’ny fankalazana ny fandresen'i Sahima ihany koa i David Nhassengo, Mozambikana mpanao fanatanjahantena sady mpanao gazety:

A moçambicana Sahima Hajat é a grande vencedora do MasterChef Portugal 2022/2023.
De 32 anos de idade e residente em Odivelas, Sahima confirmou na final as suas credenciais de favorita diante de um rigoroso júri que não poupou o elogio. “Fizeste todo este percurso com uma regularidade muito grande. Foste muito, mas muito consistente”, disse um dos membros.
“A partir de hoje sou uma nova mulher”, disse Sahima, visivelmente emocionada, agradecendo igualmente a todos que a apoiaram durante as 13 semanas do programa.
É de Moz! Davidinho

Ilay Mozambikana Sahima Hajat no mpandresy lehibe tamin'ny MasterChef Portugal 2022-2023.
32 taona i Sahima ary monina ao Odivelas, nanamafy ny fitokisana azy amin'ny maha-be mpankafy azy indrindra tamin'ny famaranana teo anatrehan'ny mpitsara henjana izay tsy nanome fiderana na kely aza: “Nanatontosa izany lalana manontolo zany tsy tapaka ianao. Tena hita eo foana mihitsy ianao”, hoy ny iray amin’ireo mpikambana.
“Vehivavy vaovao aho manomboka anio”, hoy i Sahima, tsikaritra fa nihetsi-po, ary nisaotra an’ireo nanohana azy nandritra ny 13 herinandro nanaovana ny fandaharana ihany koa izy.
Avy aty Mozambika!
Davidinho

Tao amin'ny pejy ofisialy nanambaràna ny mpandresy, maro ireo mpiseran’ny aterineto [6] no nanasongadina ny toetran’ireo mpifaninana, indrindra fa ny fanetren-tenan'i Sahima:

Adorei vê-la ganhar. Grande Mulher é a Sahima que mostrou o que é força, querer e fazer, ouvindo todos e aprendendo com humildade e bondade!
Muitos parabéns e seja sempre feliz!!

Tiako ny nahita azy nandresy. Vehivavy lehibe i Sahima izay naneho ny tanjaka, ny faniriana ary ny fahaiza-manao, sady mihaino ny rehetra ary mianatra amim-panetren-tena sy ny hatsaram-panahy!

Arahabaina ary mirary soa hatrany!!

Nasongadina [7] ho toetra lehibe toy izany ihany koa ny fanetren-tenan’ilay mpandresy:

Parabéns Sahima!
Justa vencedora.sempre focada,mto humilde nunca precisou passar por cima dos outros! A humildade é meio caminho para a felicidade! Muito sucesso…
Parabéns tb para a Ana,boa sorte,para todos.

Arahabaina i Sahima!

Mpandresy tsy niangarana. Miaina araka ny zava-misy, tena manetry tena ary tsy mila te hihoatra ny hafa! Ny fanetren-tena no antsasa-manilan'ny fahasambarana! Mirary fahombiazana hatrany…

Miarahaba an'i Ana ihany koa, mirary soa ho an'ny rehetra.

Nisy ihany koa ireo nanasongadina [8] ny fangaraharan’ireo mpitsara izay nisafidy ireo mpandresy tamin'ity taona ity:

Força da natureza, marca pela humildade e capacidade de arrebatar os chefs jurados em todas as provas individuais. Um grande exemplo de uma mulher lutadora que vem de uma cultura bem diferente da nossa onde dificilmente alguma mulher tem a oportunidade de seguir um sonho desta dimensão. Repito, força da natureza.
A produção fez um bom programa tendo em conta que desde muito cedo era notório o quão superior a Sahima era face a praticamente todos os outros concorrentes. No futuro, menos provas de imitação de pratos numa reta final seria porreiro. De resto, por mim não mudam nenhum dos jurados. Critério quase perfeito, boa disposição, amor à camisola. Muitos parabéns aos 3.

Hery voajanahary, misongadina noho ny fanetren-tenany sy ny fahaizany mampifaly ny mpitsara nandritra ny fifaninanana tsirairay. Ohatra tsara amin'ny vehivavy mitolona izay avy amin'ny kolontsaina samy hafa tanteraka amin'ny antsika, izay zara raha misy vehivavy manana fahafahana hanatanteraka ny halehiben’izany nofinofy izany. Averiko indray, hery voajanahary. 

Tsara ny fandaharan’ny famokarana raha jerena fa efa hita mazava nanomboka tany am-boalohany ny fahaizan'i Sahima raha oharina amin'ireo mpifaninana hafa rehetra. Amin'ny hoavy, tsara raha tsy misy firy ny hala-tahaka amin’ny nahandro amin’ny fifaninanana famaranana. Ho an'ny ambiny, tsy misy ovaiko na iray aza ny mpitsara. Saika tonga lafatra ny fepetra, endrika faly, feno fitiavana. Arahabaina ianareo 3.

Niharihary ny fanohanan’ny mpijery an’i Sahima, na teo amin’ny fanehoan-kevitra nivoaka tamin’ny famoahana ofisialy ireo mpandresy, na avy tamin’ny nambaran’ireo mpikambana nanombantombana ny sakafo nataon’ireo mpifaninana. Nandritra izany dia nanao sakafo avy any Mozambika i Sahima, fa ny nahadro misy hanitra avy any India no tena nahandro hainy manokana [9].