Ambara ny fijoroan'ny “Mpiandraikitra ny fanangonam-baovaon'ny Vondrom-piarahamonina,” andraikitra vaovao hanasongadinana ny vaovaom-piarahamonina GV

Malaza amin'ny fisiany manerana izao tontolo izao ny Global Voices (na “GVers” raha afohezina). Maro mpanan-talenta ihany koa ny GVers ary mandray anjara amin'ny karazana hetsika rehetra ho fanampin'ny fandraisany anjara sarobidy amin'ny GV.

Indraindray mety tsy voamarika ireo hetsika sy zava-bita ireo toy ny famitàna sy famoahana ny bokiny manokana, ny fanadihadian'ny haino aman-jery mahazatra na tsy miankina, na angatahana hiteny amin'ny fihaonambe maneran-tany.

Mba hanasongadinana tsara kokoa ny vondrom-piarahamonintsika sy ny zava-bitan'izy ireo, dia nanapa-kevitra ny Vondron'asam-pifandraisan'ny Vondrom-piarahamonina (Community Communications Working Group) fa hametraka andraikitra vaovao antsoina hoe Mpiandraikitra ny fanangonam-baovaon'ny Vondrom-piarahamonina. Hofenoin'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonintsika ity asa an-tsitrapo ity ary hihodina isaky ny volana vitsivitsy.

Julia Krebs no voalohany mpiandraikitra ny fanangonam-baovao, mpilatsaka an-tsitrapo GV efa ela tato amin'ny GV amin'ny teny Alemà. Hanao fampahafantarana ny lisitry ny mailaka ho an'ny vondrom-piarahamonina i Julia.

Manangom-baovao izahay amin'ny fandrisihana ny GVers handefa vaovaom-piarahamonina amin'ny alàlan'ny rohy “Submit Community News”  ao amin'ny tranonkala. Amin'ny alalan'ny fifampizarana torohay fototra aminay, dia hanampy ny Mpitantana ny Vondrom-piarahamonintsika izany hanoratana lahatsoratra bilaogy fohy momba ny vaovaom-piarahamonina mifandraika amin'ny GV.

Andao hiara-hiasa hanohizana ny fankalazana ireo manan-talenta ato amin'ny vondrom-piarahamonintsika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.