- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Imam iray teo aloha namerina ny hira vako-drazan’ny ankizy tao Kahramanmaras, Torkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Vaovao Tsara, Voina, The splintering of Turkey

 

Sary avy amin'i James Tiono [1]. Nampiasana maimaim-poana ny Lisansa Unsplash [2].

Ny faritanin'i Kahramanmaraş, antsoina hoe Maraş koa, no ivon-toerana faharoa [3] nitrangan’ilay horohorontany nahafatesana olona tany atsimo atsinanan'i Torkia iray volana lasa izay. Tamin’ny sivy ora teo ho eo no voakasika ny faritany taorian'ny namelezan’ny horohorontany voalohany tamin'ny maridrefy 7,8 ny faritanin'i Gaziantep. Nandraketan'ny [4] fampitam-baovao betsaka ny halehiben'ny faharavana manerana ny faritra nandritra iny volana lasa iny. Nilaza [5] ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa “loza voajanahary ratsy indrindra”, tany Eoropa ilay horohorontany izay nahafatesana olona an’aliny sy namindrana toerana olona an-tapitrisany. Nahatratra 45.968 ny isan'ny maty araka ny angon-drakitra ofisialy tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity – na izany aza dia misy ny olona sasany [6] no milaza fa mety mihoatra kokoa noho izany ny isa. Miisa 14 tapitrisa ny olona [5] niharan'ity loza ity.

Ankehitriny, iray volana taorian'ny horohorontany, mponina ao an-toerana maro tsy afaka nandao no monina ao amin'ny tranolay na kaontenera naparitaka manerana ny faritany. Mahakivy fo ny zavatra iainana. Milaza ny antontanisa ofisialy [7] fa maherin'ny 1,4 tapitrisa ny olona mipetraka amin'ny tranolay amin'izao fotoana izao, ary mihoatra ny 30.000 [7] any amin'ny tanàndehibe nametrahana kaontenera. Nalefa tany amin'ny hotely, trano fandraisam-bahiny, na trano fonenan'ny mpianatra, izay nalana an-keriny [8] fotoana fohy taorian’ilay horohorontany, ny ambiny.

Saingy misy ny tsirim-panantenana ao anatin'ny alahelo sy ny fahatezerana. Imam iray teo aloha antsoina hoe Ömer Faruk Amca no nalaza tamin’ny lohatenim-baovao momba ny fanehoany hafanam-po tamin’ny fiaraha-miory. Tamin'ny fiezahana hampitony ny ankizy sy ny olon-dehibe tao Kahramanmaras, nanapa-kevitra i Ömer Faruk Amca, ny hamerina ny hira vako-drazana Tiorka tranainy iray, tamin'ny alàlan’ny fanamafisam-peo tao amin’ny moskea, nanome fitsaharana tena ilaina sy mahasoa ho an'ireo tra-boina.

Avy amin'i Amine Şentürk ny sioka eto ambany, psikology iray izay tonga [9] tao Kahramanmaras mba hanome fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy ho an'ireo ankizy tratran'ny horohorontany. Nohazavainy tamin'i Ömer Faruk Amca fa, niaraka tamin'ireo psikology hafa eny an-kianja, niezaka nanangona ireo ankizy izy ireo, nilalao niaraka tamin'izy ireo ary nanampy azy ireo ho sitrana tamin'ny fikorontanana anaty vokatry ny horohorontany. Nahita vahaolana amin'ny endriny vaovao ilay imam teo aloha:

Eto Kahramanmaras izahay. Omer Faruk Amca no imam teo aloha tao amin'ny Moskea Abdulhamid Han. Nizara ny fitaintainanay taminy izahay ary nilaza taminay izy mba hiomana fa hanao fanambarana izy ny ampitso amin'ny ora nifanarahana. Nanaiky izahay, saingy ny marina, tsy nampoizinay izany. Tianay fotsiny ianareo hahita ny olona tsara ety ifotony.

View this post on Instagram

A post shared by Turkish Dictionary (@turkishdictionary) [12]

Ao Kahramanmaras, imam teo aloha i dadatoa Omer Faruk. Manana olona mahafinaritra izahay eto amin'ity firenena ity. Tsy ny ankizy ihany no nampitsikiany fa ny olon-dehibe ihany koa.

Miresaka [13] tantsaha iray antsoina hoe Ali Baba (Dada Ali) sy ny toeram-pamboleny izay misy zanak'ondry, akoholahy, alika, saka, omby ary ankizy ity hira vako-drazana Tiorka fahiny ity.