- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Julia Krebs: Mpiandraikitra vaovao ny vondrom-piarahamonina GV

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV
Image of GV community curator Julia

Jilia, mpiadidy ny vondrom-piarahamonina GV. Sary an'i Julia Krebs. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Araka ny efa nambara andro vitsy lasa izay, tao anaty lahatsoratra iray [1] tao amin'ny bilaogin'ny vondrom-piarahamonina, dia nanapaka hevitra ny Vondron'asam-pifandraisan'ny Vondrom-piarahamonina [2] ny hametraka anjara asa iray vaovao antsoina hoe  Mpandraikitra ny Vondrom-piarahamonina.

Am-panetrena tena sy an-kafaliana no ahafahako manararaotra izao fotoana izao mba hampahafantarana ny tenako aminareo amin'ny maha-voalohany ahy ho mpiandraikitra ny vondrom-piarahamonina, ary misaotra ny vondron'asam-pifandraisana aho tamin'ny nametrahany ny fitokisan-dry zareo tamiko. Julia no anarako ary efa hatramin'ny 2014 aho no tato amin'ny Global Voices, nanomboka tamin'ny asan'ny tomponandraikitra amin'ny fandikàna lahatsoratra ho an'ny GV Alemàna ary nanam-bintana nahafinaritra nahafantatra ny GV sy ireo GVers marobe hafa tao anatina toedraharaha samihafa, toy ny Filankevitry ny Vondrom-piarahamonina ary ny Vovonan'ny GV tao Sri Lanka tamin'ny 2017.

Araka izay voalaza tao anatin'ny fanambaràna, anjara asa iray vaovao izy ity ary andrandraiko ny hitrandraka ireo fomba hahafahana manome aina azy sy mameno hevitra ary fahafahana manao zavatra ao anatiny. Ny vondrom-piarahamonina GV no fo sy ivon'izany rehetra izany, ny dikany dia hoe tsy teny midina akory no entina mitondra ity fandraisana andraikitra ity fa fifanampian'ny rehetra izay ny hevitrareo sy ny aingampanahinareo no hanefy ny anjara andraikitry ny mpiandraikitra ny vondrom-piarahamonina, tafiditra amin'izany ny traikefa, ndeha ho lazaiko hoe ny ahy manokana sy ny an'ny vondron'asa.

Ary na toetra iray itovizana mamaritra ny vondrom-piarahamonina aza ny fahamaotinana, dia tiako ianareo raha tsy dia hanetry tena loatra amin'ny zava-bitanareo sy izay tanjona tratranareo. Tongava mampahafantatra anay ny momba izany amin'ny alàlan'ny Taratasy Fametrahana Vaovao ho an'ny Vondrom-piarahamonina [3]! Efa  nisy lahatsoratra roa sahady navoaka momba ny vondrom-piarahamonina. Afaka ataonao ny mijery ato [4] ny lahatenin'i Filip Noubel niarahany tamin'ny Onjampeom-pirenena Tseky, sy mamaky ato [5] ny rehetra momba ny antsafa nataon'i Eddie Avila momba ny fanohanana azo atao amin'ny fikajiana sy fameloma-maso indray ny fiteny.

Aza misalasala mifandray amiko amin'ny fotoana rehetra, ohatra hoe amin'ny alàlan'ny imailaka na slack, raha toa ianareo ka manana fanontaniana na tamberina na mety tsy mahazo toky momba ny ampaham-baovao entinareo.

Tsy andriko ny hahalala ireo rehetra zavatra mahafinaritra ataon'ireo mpikambana ato anatin'ny vondrom-piarahamonina sy zarainy amin'izao tontolo izao.