Niantsafan'i Eddie Avila ny fanohanana azo atao amin'ny fikajiana sy fameloma-maso indray ny fiteny Indic amin'ny fampiasana ny Wikimedia

Screenshot of website with Amrit Sufi's article on Strategies to bring more Indic languages on Wikimedia projects

Pikantsarin'ny tranonkala miaraka amin'ny lahatsoratr'i Amrit Sufi sy Nitesh Gill momba ny Paikady hitondrana fiteny indic bebe kokoa ho ao amin'ny tetikasa Wikimedia anisan'izany ny voka-pikarohana nataon'izy ireo. Loharano: Wikimedia.

Noantsafain'ny mpikatroky ny fiteny Angika Amrit Sufi avy ao India i Eddie Avila, talen'ny Rising Voices. Noresahan'i Sufi, mpikaroka sady mpampianatra ambony sady mpitondratenin'ny fiteny Angika tandindomin-doza, tamin'i Avila ireo tetikasam-pikarohana natao vao haingana mitondra ny lohateny hoe “Tomban'ireo filàna hananganana tahirinkevitra sy ny famelomana indray ny fiteny indic amin'ny alàlan'ny fampiasana ireo tetikasa Wikimedia”.

Araka ny lahatsoratra navoakan'i Sufi sy Nitesh Gill momba ny voka-pikarohana, “89%-n'ireo mpandray hevitra (mpanao fanadihadiana) no tsy mahalala ireo tetikasa Wikimedia ankoatra ny Wikipedia”.

Tamin'ny antsafa, noresahan'i Avila, tanatin'ny zavatra maro hafa, ny fomba anomezana fanohanana nilain'ireo olona liana amin'ny fandraketana sy famelomana indray ny fiteny indic. Nizara izy hoe:

Even if there are not existing activists in one’s language, opportunities for cross-linguistic, cross-regional mentorship between activists from another language can guide and inspire interested individuals.

Na dia tsy misy mpikatroka aza amin'ny fiteny iray, dia afaka mitarika sy manome aingam-panahy ireo olona liana ireo hirika ifaningoram-piteny, ireo fitarihan-dalana ifanaovan'ireo mpikatroka avy amin'ny fiteny hafa.

Jereo ato ny lahatsoratr'i Sufi sy i Gill miresaka momba ireo tsikaritra sy ny antsafa voalaza etsy ambony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.