- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misy mitanila ve ny “OpenAI” ? Izahay no nisolo tena anareo nanamarina izany

Sokajy: Fiteny, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Ny Tetezana - The Bridge

Sary azo avy amin'ny OpenAI

Samy nisarika ny sain'ny maro avy amin'ny haino aman-jery sy ny mpampiasa haino aman-jery sosialy ny fandefasana teknolojia [1] vaovao malaza an'ny tetikasa OpenAI, ChatGPT [2] and DALL-E2 [3] . Mitohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny zavatra azo tratrarina amin’ireo teknolojia ireo [4], ny asa mety hosoloina, ny fomba hiatrehana an'ireo olana amin'ny zon'ny mpamorona [5] ary ny fomba mety hampitomboan'ireo teknolojia ireo ny fitongilanana efa misy [6] eo amin'ny tontolon'ny zo nomerika, ny teknolojia sy ny asa fanaovana gazety. 

Nandraman'ny Global Voices ny DALL-E2, ilay mpamokatra sary AI, mba hijery ny fomba famokarany sary amina fiteny samihafa. Fehezanteny iray mitovy no notendrenay tamin'ny fiteny sivy samihafa : “Hosodoko amin'ny diloilo ny aloky ny vehivavy iray malahelo eo am-baravarankely.”

Ireto ny valiny azonay :

Amin'ny teny anglisy

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Amin'ny Espaniôla: Pintura al óleo de la sombra de una mujer en duelo ante la ventana

Amin'ny Tseky: Olejomalba stínu truchlící ženy u okna

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Amin'ny Rosiàna: Картина маслом силуэт скорбящей женщины у окна

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Amin'y Indôneziàna: Lukisan cat minyak bayangan seorang janda perempuan yang sedang berduka di samping jendela

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Shinoa notsotsorina: 窗边悲痛女人的影子油画

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Amin'ny Kazakh: Терезедегі қайғылы әйелдің көлеңкесінің майлы бояу суретi

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Amin'ny Ozbeky: Deraza oldida qayg'u chekayotgan ayol soyasining moyli rasmi   

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Amin'ny Malayalam: ജനാലയ്ക്കരികിൽ ദുഃഖിക്കുന്ന ഒരു സ്ത്രീയുടെ നിഴലിന്റെ ഓയിൽ പെയിന്റിംഗ്

Sary nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAI

Mazava ho azy fa somary samihafa tamin'izay azo tany am-boalohany ny sasany tamin'ireo sary ireo. Izany dia mety ho noho ny tsy fahampian'ny angona ananan'ilay fiteny niaingana. Tahaka izay nohazavain'ireo mpamorona ny DALL-E tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny Tech Crunch [7], ny maodely iasàny dia atao hoe CLIP (Contrastive Language-Image Pre-training). Nozarina tamina sary mandeha tsiroaroa miisa 400 tapitrisa ny CLIP miaraka amin'ny maribolana natambatra [8] avy tamin'ny aterineto. Tahaka izay voalazan'ny OpenAI [9] eo amin'ny tranonkalany :

Nasehon'ny GPT-3 fa ny fiteny dia azo ampiasaina mba hangatahana amina tambajotrana nerôna iray midadasika be hanao asa famoronana lahatsoratra isan-karazany. Nasehon'ny Image GPT fa io tambajotrana nerôna io ihany dia mety ihany koa ampiasaina hamokatra sary manakaiky ny lafatra. Hitarinay ireo fikarohana ireo mba hanehoana fa azo atao ankehitriny ny mikirakira fotkevitry ny zavatra hita maso amin'ny alalan'ny fiteny.

“Miaina anaty tontolon'ny hita maso isika”, hoy ny nambaran'i Ilya Sutskever, lehibe'ny mpahay siansa ao amin'ny OpenAI, tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny MIT Technological Review [10]:

Rehefa ela ny ela dia hanana maodely ianao izay mahatakatra indray miaraka ny lahatsoratra sy ny sary. Ny IA dia ho afaka hahatakatra  tsara kokoa ny fiteny satria afaka mahita izay dikan'ny teny sy ny fehezanteny izy.

Koa satria vokatra samihafa no navoakan'ny fiteny samihafa, dia toa nampiasa fiteny be mpampiasa kokoa ny tanjon'ity fisavasavàna tranonkala ahafahan'ilay maodely miasa ity, toy ny fiteny anglisy na espaniôla, saingy tsy ireo fiteny tsy mazava loatra.

Noho izany, sary marobe avy amin'ny aterineto miaraka amin'ny famaritana amin'ny fiteny Ozbeky na Malayalam no tsy hita tao anatin'ireo angona tany am-boalohany izay nanazàrana ny IA. Raha mikasa ny hiasa amin'ny fiteny marobe kokoa ilay maodely, dia tsy maintsy mifantoka tanteraka amin'ny fanazàrana bebe kokoa amin'ireo sary misy famaritana ankoatra ny fiteny anglisy. Raha tsy izany dia hitohy hahazo sary sakafo ireo mpampiasa avy ao Kazakhstan fa tsy sarim-behivavy, ary ireo izay miteny Malayalam dia hahazo sarin'ny natiora.  Tena sary mazava tsara mitodika mankamin'ny filàna ny sary amin'ny fiteny Rosiana, raha ny marina. Ny sary avy amin'ny fiteny Indôneziàna dia mampiseho ankizivavy maromaro mipetraka, ary lasan'ny an'ny fiteny Tseky ny lokan'ny fiavahana tamin'ny alalan'ireo tavoahangy misy diloilo. Tena mampitahotra tsotra izao ireo sary avy amin'ny fiteny Sinoa notsotsorina.

Mazava ho azy fa tsy afaka ataontsika, miainga amin'io, ny milaza hoe mpanavakava-bolon-koditra ny OpenAI. Ny hitantsika eto dia ny hoe tsy ampy ireo angona azony amin'ny fiteny hafa ankoatra ny fiteny anglisy. Ankehitriny, tsy haintsika raha hitoetra amin'izao izy, fa manoro hevitra mafy izahay mba tsy ho izay no tranga hisy.