- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandresy tamin'ny Karnavaly tao São Paulo ny sekoly Samba nanoritsoritra ‘Samurai’ teraka tany Mozambika

Sokajy: Brezila, Mozambika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Parady Mocidade Alegre tamin'ny 2023. Sary: Pikantsary avy amin'ny YouTube. Nanitsy: Giovana Fleck/Global Voices

Mocidade Alegre no mpandresy [1] goavana tamin'ny karnavaly 2023 tany São Paulo. Nahazo ny isa ambony indrindra, 270, ny sekoly samba, nandritra ny fanatambaran'isa natao ny talata teo, tao amin’ny Anhembi Sambódromo. Tamin'ny 22 febroary no nanambaràna ny mpandresy.

Araka ny filazan'ny gazety breziliana, tsy mbola nahazo fandresena [2] i Mocidade hatramin’ny taona 2014, rehefa nahazo ny fandreseny fanintelony nifanesy tamin'ny lohahevitra hoe “Andar com Fé Eu Vou, Que a Fé Não Usuma Fail”.

Nandresy ihany koa ny fikambanana tamin’ny taona 2012 sy ny taona 2013. Fantatra ihany koa fa niaraka tamin’ity fandresen'ny taona ity, nitovy laharana samy faharoa i Nenê de Vila Matilde sy i Mocidade teo amin'ny fampilaharana ny sekoly samba izay nahazoana fandresena maro kokoa tamin’ny Karnavalin'i São Paulo.

Tao amin'ny pejy [3] Facebook-n'ny sekoly, nidera ny fandresena tamin'ity taona ity ny fanehoan-kevitra [4] isankarazany, na dia ireo izay tsy nanohana an'i Mocidade aza:

Parabéns Mocidade Alegre e a toda a comunidade, foi mais que merecido! Não é minha escola de coração mais tenho muito respeito e admiração. Todo o sucesso do mundo a toda a comunidade. Trabalho incrível!

Arahabaina i Mocidade Alegre sy ny vondrom-piarahamonina manontolo, mihoatra noho ny mendrika izany! Tsy ilay sekoliko ao am-poko, nefa tolorako fanajana sy fankasitrahana betsaka. Ny fahombiazana rehetra eto amin'izao tontolo izao anie ho an'ny vondrom-piarahamonina manontolo. Asa mahafinaritra!

Ny lohahevitra nahazo fandresena: fangaron- kolontsaina

Tantara an-tsehatra izay mampiseho [2] ny tantaran'ny Mozambikana ny tantara nasongadina, antsoina hoe samurai any Japana tamin'ny taonjato faha-16. Yasuke, voalaza fa teraka tao amin'ny Nosin’i Mozambika, no mainty hoditra voalohany tonga tany Japana ary lasa samurai mainty hoditra voalohany. Na izany aza, tantara tsy dia resahina loatra ao Mozambika izany.

Mitantara ny tantaran'ny mainty hoditra voalohany nitsidika an'i Japana, tamin'ny taona 1579 ny tantara. Nidera ny halehiben'i Yasuke, teo anelanelan'ny taona 1555 sy 1566 ny dihy sy ny sary fanehoana an-tsehatra.

Nihaona tamin'i Oda Nobunaga i Yasuke, ilay Samurai japoney  BE FITAOMANA [5] indrindra, izay nanao azy ho mpiambina mahatoky tatỳ aoriana. Talanjona tamin'ny toetra ara-batan’ Yasuke, tatỳ aoriana i Nobunaga dia niantso azy hoe Yasuke Samurai, nanomboka nanao ny akanjo vy fiadian'ny miaramila japoney sangany izy, araka ny  filazan’ny [6] loharano sasany.

Naseho [7] tao amin'ny Sambodromo ny fomban-drazana ara-pivavahana sy ara-kolontsaina ao Japana, ny vahoaka Afrikana ary ny Jezoita Paortiogey. Nampihaingoana tahaka ny tafik'i Oda Nobunaga, mpandresy ara-tafika Japoney lehibe tamin'izany fotoana izany ny bateria.