- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaraka amin'ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia amin'i Okraina izay toa tsy mbola ato ho ato no hitsahatra, mirohotra manodidina ny fiteniny ny Kazakhs

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Rosia, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

Takelaka amin'ny fiteny roa, Kazakh sy Rosiàna, ao amin'ny toerana natao ho an'ny hena ao an-Tsena Maitso (Көк базар) ao Almaty, Kazakhstan. Sary avy amin'i Sara Yeomans [1]s teo amin'ny Flickr (CC BY 2.0 [2])

Tamin'ny volana Oktobra lasa iny, raha niezaka mafy ny handevona ny vokadratsy ara-piarahamonina sy ara-toekarena tanaty famoizampo i Kazakhstan, tamin'ny fandosiran'ireo olom-pirenena Rosiàna marobe, izay ny ankamaroan'ireo dia zatovolahy, nandositra ny “ “fanetsehana amin'ny ampahany [3]” nambaran'ny filoha Rosiàna Vladimir Putin tamin'ny 21 Septambra 2022, dia niteraka fahatezerana tao anatin'ny tambajotra sosialy tao Kazakhstan ny fanehoan-kevitra mikasika ny fampiasana ny fiteny kazakh nataona lehilahy mpandraharaha ambony iray. Tamin'ny volana Oktobra, nandritra ny fivoriana fitarihan-dàlana niarahana tamin'ireo olom-pirenena Rosiàna vao tonga tao Kazakhstan, Ramil Mukhoryapov, mpandraharaha iray fanta-daza amin'ny resaka varotra elektronika, anisany tamin'ireo lehilahy mpandraharaha 50 matanjaka indrindra [4] notanisain'ny Forbes Kazakhstan, no nanapaka ilay mpikabary, izay nanazava ny mampiavaka ny fiteny ao amin'ny firenena, mba hilazana fa ny fahazoana ny fiteny Rosiàna nefa mamaly izany amin'ny fiteny Kazakh dia mariky ny fanindrahindram-pirenena sy tsy fahampiana ara-kolontsaina.

Raha vantany vao niparitaka nanerana ny tambajotra sosialy ny lahatsary [5] avy tamin'ilay fivoriana, dia niteraka fahasosoran'ny vahoaka ny teniny ary nandrisika azy ireo hanao ankivy ny tolotra ataon'ny orinasany sy nitarika fihetsehana nitondra ny raharaha ho eny amin'ny fitsaràna. Tamin'ny voalohany, novaliany tamin'ny alalan'ny fandefasana fitsapankevitra tao amin'ny kaontiny Instagram izany, hoe raha toa ny famaliana amin'ny fiteny Kazakh ny “vahiny iray an'i Rosia” ka mifanaraka amin'ny “fomban-drazana fahaizana mandray olona ananan'ny Kazakh”, no sady nampitaha ihany mandritra izany fotoana izany amin'ny fandroahana an-kery ireo Tsetsena sy ireo Ingush [6] nataon'i Staline tamin'ny taona 1944 ilay fandosiran'ireo Rosiàna ny fanetsehana amin'izao fotoana izao, saingy tsy ela izy dia nilavo lefona sy namoaka lahatsary fialantsiny tamin'ny fiteny Kazakh. Raha ny fantatra, nandritra ny 10 taona mahery ny “Chocofamily ” izay tolotra an-tambajotra sy fampiharana anaty finday dia tsy nanana dika miasa manontolo amin'ny fiteny Kazakh [7], noho izany dia nandefa haingana fanehoankevitra tamin'ny fiteny Kazakh ilay orinasa sady nanome toky fa handefa tolotra amin'ny fiteny Kazakh manontolo alohan'ny faran'ny taona.

Na izany aza, tsy vao io no trangam-pahatezeran'ny vahoaka tamin'ireo orinasa an'ny Vondrona Chocofamily, orinasa iray fahenina manana fitomboana haingana indrindra [8] ao amin'ny firenena. Tamin'ny taona 2017, nandefa dokambarotra an-dahatsary [9] ny sampana an-tambajotra mpivarotra fitsangantsanganana ao amin'ilay vondrona, nampiseho andiana vehivavy tsy manao afatsy fehin-tenda sy kasikety an'ny vehivavy mpiasa anaty fiaramanidina. Amin'ny tenin-jatovo, ny teny Rosiana manondro ny satrobory (пилотка) dia midika ihany koa ho taovam-pananahan'ny vehivavy. Tamin'izany fotoana izany, notoherin'ny [10] olona ilay dokambarotra mpanavakavaka vehivavy nataon-dry zareo, izay niteraka vonjimaika ny fitotonganan'ny naotin'ilay tolotra, saingy tsy nesorin'ny orinasa ilay dokambarotra.

Mandritra izany fotoana izany, nizara pikantsary [11] heverina ho avy amin'ireo media sosialin'i Mukhoryapov tamin'ny taona 2014 ny fantsom-pifandraisana Telegram ao an-toerana, fony i Rosia naka an'i Krimea sy nanomboka ny ady taorian'izay, ka derainy ao anatin'izany ny filoha Rosiana Poutine ary noarahabainy ny fidiran'ny Rosiana an-tsehatra raha toa ka sanatria “ny Islamista mahery fihetsika sasany mety hiketrika Maidan [12] eto”.  Nandritra ny volana maromaro farany anefa, dia namoaka fanehoankevitra manohitra ny fananiham-bohitra ankehitriny ataon'i Rosia amin'i Okraina izy. Raha mikasika ny fanehoankeviny vao haingana indray, nisy andiana mpikambana roapolo ao amin'ny antenimieram-pirenena Kazakh [13] niantso ny lehiben'ny Fampanoavana mba hitsara ny lahateniny, ary nanomboka hetsika fanenjehana heloka bevava [14] momba azy ny polisy noho ny famporisihina korontana sôsialy.

Ny Katedralin'ny Andro Fiakarana- Ortôdôksa Rosiàna ao Panfilov Park, Almaty, Kazakhstan. Sary avy amin'ny Sara Yeomans [15] teo amin'ny Flickr (CC BY 2.0 [2])

Nipoaka io adihevitry ny daholobe naharomotra io, andro vitsy taorian'ny nanoloran'ny filohan'i Kazakh Kassym-Jomart Tokayev hevitra hananganana fikambanana iraisam-pirenena iray hanohanana sy hampiroboroboana ny fiteny Rosiàna nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana an'ny Commonwealth of Independent States (CIS) tao St. Petersburg, tao Rosia, tamin'ny 7 Oktobra, nifanandrify tamin'ny faha-70 taonan'i Poutine. Ity “Fanomezana” mahafinaritra nataon'ny Filoha Kazakh ity, izay naelin'ireo media Rosiàna lehibe rehetra tam-pireharehana [16], dia notsoahan'ny birao ofisialin'ny fampahalalam-baovaon'ny filoha Kazakh, saingy niteraka hatezerana avy hatrany tao amin'ny firenena. Tena marina, toa tsy misy dikany ny zotom-pon'ny filoha Kazakh hanohana ny iray amin'ireo fiteny ofisialy ao amin'ny Firenena Mikambana (ONU), izay manana sata ofisialy any amina firenena maromaro ary ampiasain'ireo olona manodidina ny 220 tapitrisa [17].

Ny fihetsika tsy mandinika nataon'i Tokayev dia tonga tamin'ny fotoana izay nanaovan'ireo pôlitisiàna rosiàna sy ireo olon'ny media fanitsakitsahana ankarihary an'i Kazakhstan, ny fiandrianam-pireneny, ny maha-iray tsy mivaky ny faritaniny sy ny kolontsainy.  Vao tamin'ny Aogositra 2022 ihany, ny filoha Rosiàna teo aloha sy ny filoha lefitra ankehitriny amin'ny Filankevi-Piarovana, Dmitry Medvedev, dia nanosotra an'i Kazakhstan ho toy ny “Fanjakana artifisialy, faritany Rosiàna taloha” [18], niampanga an'i Kazakhstan ho nanao fandripahana olona faobe tamin'ireo foko Rosiàna, ary nanambara fa tsy misy ny filaminana, raha tsy ny Rosiàna no mahavita izany. Tsy mahagaga raha nanambara ny mpanampy an'i Medvedev taty aoriana fa ity lahatsoratra manokana ao amin'ny VKontakte ity dia mpijirika no nanova azy tamin'ny fomba rehetra [19].

Raha ny momba an'i Tokayev indray, taorian'ny herinandro fahanginana, dia nivazavaza izy tamin'ny hevitra iray somary tsy maharesy lahatra mikasika ny famoronana fikambanana iray hampiroboroboana ny fiteny Rosiàna, izay mipetraka amin'ny fikasàna “hamorona fikambanana iraisam-pirenena manana ny endriky ny Firenena Mikambana [20] amin'ny alalan'ny fampiasana ny traikefa miabo azon'ny fikambanan'ireo firenena miteny sy mampiasa ny fiteny frantsay”.  Taty aoriana, noho ny fitomboan'ny tsy fahafaliana, indrindra fa tany anatin'ireo media sosialy amin'ny fiteny Kazakh, nanoloana ny ezaka nataony hampiroboroboana ny fiteny Rosiàna nefa tsy narahana ezaka mendrika hampiroboroboana ny fiteny Kazakh, dia somary manjavozavo ny valinteniny [21]:

Сфера применения казахского языка с каждым годом расширяется. Поэтому оснований для беспокойства нет. Недопустимо использовать казахский язык для политических игр. Такого рода ошибки привели к печальным последствиям в некоторых странах.

Mivelatra isan-taona ny sehatra fampiasana ny fiteny kazakh. Vokatr'izay, tsy misy tokony ahiana. Tsy azo ekena ny fampidirana ny fiteny kazakh ho  anatina lalao politika. Nisy voka-dratsiny nampidi-doza tany amin'ireo firenena sasantsasany io karazam-pahadisoana io.

Na izany aza, niaraka tamin'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra feno rà nandriaka nataon'i Rosia tamin'i Okraina tamin'ny Febroary 2022 sy ny habibiana ary ny fanitaram-pahefana tsy mitsaha-mitombo ataon'ny kabary ofisialy Rosiana mikasika ireo Fanjakana Sovietika taloha, manokana amin'izany i Kazakhstan, dia ny fiteny Kazakh na tsy sitrany aza, no tafalatsaka teo amin'ny sakelidalan'ireo  firehankevitra ara-pôlitika. Mahaliana fa toa ny adin'i Poutine ao Okraina no nahatonga ny ankamaroan'ireo Kazakh hanaiky ny fiteny Kazakh ary, amin'ny tranga sasany, hiverina hianatra azy indray. Ity fihetsehampo ity, ohatra, no nanosika an'i Azamat Junisbai, “lehilahy Kazakh efa zokinjokiny” sady mpampianatra amin'ny anjerimanontolo ao Kalifôrnia, izay ny fiteny Rosiàna no teny itenenany voalohany indrindra, mba hisoratra anarana amin'ireo fampianarana fiteny Kazakh amin'ity fararano ity [22].

Tahaka izay voalazan'i As Zarina Baimussina, tonian-dahatsoratry ny trano fanontàna amin'ny fiteny Kazakh no sady mpandika lahatsoratra, nitantana klioba iray ho an'ny fiteny kazakh nandritra ny herintaona sy tapany, nampahatsiahy izany tao anaty tafatafa [23] iray vao haingana :

Путин соғыс ашқан соң клубқа келетін адамдар саны артты. Мобилизациядан соң қазақ тілін үйренуге ресейліктер де келді. Қазір тілімізді үйреніп, қазақтың салт-дәстүрімен танысып жүр.

Nitombo ny isan'ireo olona mpanaraka ny klioba taorian'ny nanombohan'i Poutine ny ady. Taorian'ilay fanetsehana, nanomboka tonga nianatra ny fiteny Kazakh ihany koa ireo teratany Rosiàna. Ankehitriny, mianatra ny fiteninay izy ireo ary mizatra ny fomba ampam-panaonay.

Raha ny fantatra dia tsy ny foko Kazakh na ireo manampahaizana manokana amin'ny fiteny ihany no nanorina sy nitantana ireo klioba miteny Kazakh, fa eo ihany koa ireo avy amin'ny foko Rosiàna. Ny “Batyl bol” [24] (Mahareza) no iray amin'izy ireny, miasa any amin'ireo tanàndehibe folo samihafa ao Kazakhstan. Ny mpanorina azy Alexei Skalozubov [25] ihany koa dia niaiky fa nanomboka tsapany tao anatin'ny asany lehibe amin'ny maha-mpitantana ara-barotra azy ny fitomboan'ny filàna miteny Kazakh.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Батыл бол! Алматы. Бесплатный разговорный клуб казахского языка (@batylbol_almaty) [26]

Teo anelanelan'izay fotoana izay, raha toa somary miha-voafafa tsikelikely ireo  adihevitra mafana manodidina ny fiteny Kazakh, nanangana volavolan-dalàna iray ny governemanta Kazakh manipika fa ny tsy fahampian'ny fahaizana ny fiteny Kazakhe [27] dia azo heverina ho toy ny fanamarinana ny fandàvana ny fanomezana zom-pirenena sy fidirana amin'ny maha-olompirenena Kazakh. Trangan-javatra mahaliana fa naroso ity fanapahan-kevitra ity, andro vitsy monja taorian'ny nampahatsiahivan'ny Russian Federal Security Service (FSB) ity hetsika ity, hoe teo anelanelan'ny Jolay sy Septambra monja dia efa 1,3 [28] tapitrisa ny isan'ireo olona avy any Rosia nitsidika tany Kazakhstan [28].