- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandinihana avy amin'ny am-pielezana Iraniana: Hatezerana amin'ny ‘Iran Lobby’

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge, "Women, life, freedom" Iran revolts

Zavakanto nataon'i Arif Qazi [1],  nahazoana alalana.

Niatrika hetsi-panoherana naharitra volana maro [2]i Iran, izay niteraka fihetseham-po isan-karazany teo amin'ireo Iraniana na tao anatiny na ivelan'ny firenena, anisan'izany ny alahelo, ny hafaliana, ny firaisankina, ary amin'ny tranga maro, ny hatezerana. Na dia ny teokrasia eo amin'ny fitondrana aza no tena lasibatry ny fahatezerana sy ny hatezerana, maro ihany koa no nitondra ny fihetseham-pony tamin'ny Filankevitra Nasionaly Amerikana Iraniana [3] (NIAC), fantatra koa amin'ny anarana hoe “Iran Lobby”.

Rehefa miresaka momba ilay antsoina hoe “Iran Lobby”, dia zava-dehibe ny mamaritra voalohany ny voambolana. Tsy tokony hoheverina ho fandresen-dahatra na fitaovam-piadiana ofisialin'ny Repoblika Islamika, fa manondro kosa ireo mampiroborobo ny politika izay mampanara-dalàna, miaro, na manohana ny Repoblika Islamika. Mety ho mivantana, na ankolaka ny fanohanana toy izany, matetika miaraka amin'ny singa ara-toekarena manan-danja. Tsy voatery midika ilay voambolana hoe miasa mivantana amin'ny anaran'ny fitondrana ao Teheran ilay olona fa manondro olona iray izay mety manana tombontsoa mivantana na ankolaka amin'ny fanohanana ny governemanta ankehitriny.

Na izany aza, zava-dehibe ny manamarika fa tsy misy marimaritra iraisana momba ny tena dikan'ny voambolana, ary misy ny adihevitra sy ny tsy fitovian-kevitra momba ny hoe iza no mendrika sokajiana ho “Iran Lobby”. Milaza ny mpitsikera sasany fa nampiasaina tsy araka ny tokony ho izy [4] io voambolana io, ary azo ampiasaina hanakanana ny adihevitra ara-politika sy ny tsy fitovian-kevitra ara-dalàna. Na izany aza, endri-tsoratra mahazatra ampiasaina amin'ny “Iran Lobby” ny famaritana nomena azy.

Sazy sa fifampiraharahana amin’ Iran

Ao anatin'izany (odidina) izany, ny adihevitra momba ny politikan'i Iran dia ifanaovan'ireo mino fa ny politika mety ataon'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena amin'ny Repoblika Islamika dia ny fampiditra sazy sy fitokana-monina sy ireo mino fa hitarika ho amin'ny fanavaozana sy ny fametrahana demaokrasia ny fifampiraharahana sy ny fifanarahana amin'ny fitondrana. Nifanaraka tanteraka tamin'ny fisaraham-bazana teo amin'ny Iraniana ao anatiny ireo fijoroan-kevitra ireo eo amin'izay mihevitra fa azo havaozina ny Repoblika Islamika sy ireo mandresy lahatra fa ny fisian'ny revolisiona na ny fiovan'ny fitondrana ihany no lalana azo atao mankany amin'ny demaokrasia.

Ny sahanady iray mety hampiova zavatra amin'ity adihevitra ity dia ny fomba fiheveran'ny Tandrefana an'Iran, na eo amin'ny sehatry ny fifampiraharahana nokleary [5] na ny diplaomasia ankapobeny, ny varotra ary ny fifandraisana amin'ny fampiasam-bola ao amin'ny firenena.

Ankehitriny, ny fanohizan'Iran misambotra sy mamono mpanao fihetsiketsehana [6] ao amin'ny firenena no iantsoan'ny maro ny tokony anaovana ankivy ara-diplaomatika ny fitondrana, ny anondroana ny mpiambina revolisionera [7] ho fikambanana mpampihorohoro, ary ny fandavana ny fifanarahana nokleary sy izay endrika fanampiana ara-toekarena ny fitondrana. Nahazo fanohanana goavana avy amin'ireo Iraniana maro ity fijoroana ity, izay mbola miatrika famoretana, ary tsy mino intsony fa azo havaozina ny fitondrana. Ny fahafatesana sy ny herisetra nateraky ny fitondrana, sy ireo zavatra hafa rehetra, no nampangotraka ny hatezerana tamin'ireo izay nanosika hatry ny ela fa mbola azo atao ny fanavaozana sy hoe “tsy ratsy” araka ny hita ny fitondrana Iraniana.

Manapongatra ireo hevi-diso momba ny Lobby Iran

Nanana sy mbola manana mpanohana marobe [8] ity andian-tohankevitra ity, fa ny ankamaroan'ny famakafakana dia manome tsiny ny Tandrefana [9] amin'ny zava-mitranga ao Iran. Anisan'ny tohan-kevitra ankafizin'izy ireo ny filazana fa tsy ratsy tahaka an'i Arabia Saodita [10] i Iran, fa ny sazy tandrefana [11] no tokony omena tsiny noho ny fahoriam-bahoaka, ary mpiantsehatra tsy azo izay lazainy [12] vonona ny hihavana i Iran raha tsy nisy ireo Trumps an'izao tontolo izao.

Tena efa ela niainana mihitsy [13] ny sasany amin'ireo tohan-kevitra ireo hatramin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana tamin'ny faramparan'ny taona 2022. Somary mahatsikaiky izy ireo raha vakiana itodihana indray ny lasa, ary maro amin'ireo mpanoratra azy ireo ankehitriny no tratran'ny olana amin'ny fitsipahana indray ny asa vitany nandritra ny folo taona farany, ary mihazakazaka manatratra ireo andiam-bahoaka revolisionera.

Tsy mahafantatra ny zava-misy fototra sasany momba an’ Iran ireo tohan-kevitra ireo. Didy jadona theôkratika [14] (entin'ny mpitondra fivavahana) tarihin'ny sangany tsy manana indrafo [15] izay mitazona amin'ny fahefana sy ny hery ny firenena amin'ny vy (fonjamby). Maniry fatratra fanalefahan-tsazy sy fitoniana ara-bola ny fitondrana manoloana ny fitokana-monina iraisampirenena, satria takiany ireo hiavotany tena. Iray amin'ireo filazana averimberin'ny Iran Lobby ny hoe mampanan-karena ny Sampan'ny Mpiambina ny Revolisionera Islamika (IRGC) [16] ny  sazy sy ny fitokana-monina, na manome tombony ho an'ny Mpitarika Faratampony Ayatollah Ali Khamanei [17], saingy mety ho mampihomehy io tohan-kevitra io raha toa ka tsy difotry ny rà sy ny fitiavam-bola fatratra (hatendan-kanina).

Ny fitondrana no mahazo vahana voalohany raha vao misy ny fileferana ara-toekarena atao amin'Iran, mamela azy hampiasa ny miliny famoretana. Mahazo tombony mihoapampana [18] avy amin'ny fanamaivanan-tsazy ny ampira ara-barotra 95 miliara dolara [19] an'i Khamanei. Tsy tafika miaramila ampiasaina hanakanana ny fihetsiketsehana sy hanaparitahana fampihorohoroana fotsiny ny Mpiambina revolisionera (IRGC) ; fa mifehy ny antsasany mahery [20] amin'ny toekaren'i Iran koa, araka ny tombantombana sasany.

Voatsikera ny Iran Lobby noho ny fampiroboroboana fandaharan'asa mikatsaka ny hitazona ny fifandraisana ara-toekarena amin'i Iran sady manalava ny fiainan'ny Repoblika Islamika. Ny fandinihana ireo famoaham-boky aman-gazety [21] sy ny fihetsiky ny olona mifandringotra amin’Iran Lobby [22] no manambara fa mifantoka amin'ny fanatrarana ireo tanjona ireo amin'ny fomba rehetra ny ezaka ataon-dry zareo [23]. Mbola mitohy ny fifanenjehana eo amin'i Etazonia sy Iran, ka mety mbola hitohy ny adihevitra momba ny anjara asan'ny Lobby Iran.