- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hajao amin'ny maha-izy azy izy

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge
[1]

Sary avy ao amin'ny Canva Pro [1].

Nosoratan'i Dr. Gabrielle Hosein

Ity lahatsoratra ity, nivoaka [2] voalohany tao amin'ny gazety “Trinidad & Tobago Newsday”, dia naverina navoaka eto ambany rehefa nahazoana alàlana taminy.

Ny Andro Manerantany ho an'ny Vehivavy [3] (AMV), dia efa an-jato taona mahery izao no mankalaza ny fandraisana anjaran'ireo vehivavy sy feminista amin'ny fandrosoana sôsialy. Ekena ao anatiny ny olan'ny miralenta sy ny resaka fananahana ary ireo tolona ara-toekarena sy ara-pôlitika izay mbola mamaritra ny fiainan'ireo vehivavy sy ankizivavy. Hamafisin'izy io ny firaisankina mitohy hatrany amin'ny fandrosoan'ny resaka zon'ny vehivavy.

Antso iray io hanetsiketsehana ny hatezerana, ny hafaliana, ny fanantenana hetsika iraisana hikatsahana ny fampitsaharana ireo finoana sy ny rafitra fahambonian-dehilahy rehefa mifanehatra amina an-tanan-tohatra hafa ry zareo ireny, na ny tsy fitoviana, fanilikilihana sy endrika herisetra narindra, isan'izany ny herisetra an'ady sy ady atao amin'ny tany.

Raha fehezina, hita amin'ny AMV ny fankalazàna, ny fahatsiarovana, ny fanomezana aina vao indray, ny fankatoavana sy firaisankina, ny ady iarahana amin'ireo rahavavy/anabavintsika miady amin'ny fihizingizinana ara-pinoana ao Iràna [4], na miaraka amin'ireo vehivavy vazimba teratany  mitolona [5] miaro ny rohivoary Amazôniàna sy ny fomba fiaina nentindrazan-dry zareo, na miaraka amin'ireo reny mivoy lakana mamakivaky ranomasina anaty fepetra tena mampidi-doza avy any Siria mankany Eorôpa [6] na avy any Venezoelà mankany Trinidad [7]  ho fanavotana ny ain'ny ankohonany.

Andro iray io hanehoana ihany koa ny firaisankina amin'ireo nisafidy ny hiova ho vehivavy (transwomen). Tsy vehivavy hatrany am-bohoka ry zareo “Transwomen” saingy amin'ny fotoana iray eo amin'ny fiainany dia  mamaritra ny tenany ho vehivavy. Vitsy an'isa ry zareo raha mitaha amin'ireo ankizivavy sy vehivavy manerana izao tontolo izao, ary miatrika [8] fahasahiranana voafaritra tsara. Tafiditra ao anatin'ireny ny tsy fisian'ny faneken'ny hafa, izay manetsiketsika ireo hevitra raiki-tampiasaka manondro ireo nisafidy hiova ho vehivavy ho toy ny zavatra mamoafady, mampahatahotra sy mampihorohoro, ary mifantoka amin'ny tsingerim-piainana bôlôjika, sy fampitomboan-taranaka na ireo fahasamihafàna ara-tsosialy misy amin'ireo “transwomen” sy ireo efa vehivavy hatrany am-bohoka.

Nahoana no hitrikitrihana izany androany? Rehefa takatry ny vondrona iray ny vesatry ny fanilikilihana, ny tsaratsaraim-poana, sy tondroina ho devoly, toy izay nanjo ireo vehivavy tao Karaiba [9] nandritra ny fanjanahantany an-jato taona niainany, dia misy andraikitra lehibe kokoa hahazoana antoka fa miaina zavatra tsy rariny tahaka izany [10] ny hafa.

Faharoa, tena zavatra voalohany kendren'ny tolon'ireo feminista ilay fizaràna ho karazana roa ny lahy sy vavy, ny miralenta ary ny resaka fananahana, ary mbola tazonin'ny fanjakan-dehilahy sy ny namany rehetra: fankahalàna ny hafa, [11] fanavakavahana ara-pananahana [12], ny herisetra [13] ary ny fanavakavahana noho ny maha-lahy na vavy eo amin'ny asa. Io fametrahana tendro roa io dia manangana antsika rehetra ho sokajy roa ara-pananahana – lahy sy vavy, lenta roa, manana fironana ara-pananahana roa – “hetero” sy “tsy hetero”.

Ao anatin'ny fiarahamonina Tandrefana, io tendro roa io no niteraka hatrany ny fanindriana ny vehivavy sy namaritra ny fomba tokony hisehoan'ny vehivavy, ny fitondrantenany ary ny fampiasany fahefana, ny asa tokony hosahaniny, iza no azony tiavina, hatraiza ny fatran'ny herisetra tsy maintsy zakain'izy ireny (ary mbola loza mitatao tsy afaka io). Ireo “Transwomen”, tahaka ireo vehivavy tao anatin'ny tolona feminista teo amin'ny tantara ihany, dia manohitra ny “karazana roa”. Tsy maintsy mifanome tànana hiady isika.

Ny maha-vehivavy hatrany am-bohoka anao dia tsy manome zo anao hanilikilika ireo “transwomen” tsy ho isan'ny sokajy “vehivavy”. Misy marobe ireo karazana vehivavy niaina zavatra isankarazana ara-tsôsialy sy ara-biôlôjika. Ary izao koa, amin'ny farany, novolavolaina ny vehivavy rehetra, tsy nateraka, ary isika rehetra tsy maintsy manefy ny tenantsika hanana endrika iray azo ekena hoe maneho ny ara-pananahantsika, na isika hanefa izay sandany.

Ny sasany efa vehivavy ara-biôlojika aza mety tsy maniry akory ny hanondro tena ho vehivavy, fa ho toy ny lehilahy na olona tsy anatin'ilay “karazana roa”. Ireo vehivavy sy miseho ho vehivavy hatrany am-pahaterahana dia hiaina zavatra voafaritra manokana momba ny tsy fitoviana sy ny maha-marefo noho ny lenta sy ny fananahan-dry zareo. Ireo hafa izay lasa ho vehivavy teo amin'ny dingana iray tamin'ny fiainany dia hanana ny traikefan-dry zareo manokana. Misy daholo izany. Tsy mifandrahona ireo.

Endrika iray hafa isehoan'ny maha-vehivavy ny maha-“Transwomen”, miaraka amin'ireo fifanoheran-javatra entiny, ny fanamby sy ny fahasarotany. Anatina toedraharaha isankarazany, noheverina na tsy heverina akory ho toy ny tena vehivavy ireo karazana vehivavy marobe  – ireo manana kilema, tsy niteraka, mpifindra-monina, mahantra, Mainty, Vazimba Teratany, vehivavy mitia vehivavy tahaka azy, jamette [14], ny miseho ho lahy [15], ny tafiditra manao asan-“dehilahy”, vaventy na heverina ho matavy [16], manana vatana goavana loatra na misy volo ny tavany, ny manana aretin-tsaina [17], ny tsy mandeha fadim-bolana na ireo manao ny asan'ny mpampanofa vatana.

Ity tantara ity, ireny toejavatra ireny ary ireo adihevitra sarotra indraindray, dia miseho manerana ny tany, momba ny dikan'ny maha-vehivavy, dia mety handraisan fampianarana AMV [18] mandritra ny 12-herinandro mba hanazavana fotsiny, ka araka izany dia aza maika ny hitsara raha toa ianao mbola manana zavatra betsaka mila ianarana momba ireo adihevitra sy fikatrohana tena faran'izay mifangarika sy, rehefa atambatra, mifàka lalàna oa anatin'ny resaka lalàna.

Raha misy olona mamaritra ny tenany ho toy ny vehivavy, na heverinao fa tsy tokoiny hanao izany aza izy,  hajao izay.  Tsy raharahanao izany. Raha misy olona tsy mametraka ny tenany ho vehivavy araka ilay andrasantsika, mbola tsy raharahanao koa izany.

Ny anjaranao dia ny manorina tontolo iray tsaratsara kokoa izay (ny olona rehetra) ireo vehivavy ao dia hahatsapa fa voaaro, mitovy, malalaka ary tiavina, ary ao dia tsy loharano iavian'ny faharefoana, fanilikilihana sy tsy fitoviana ny maha-vehivavy azy, ary ao isika dia mandia tetezamita miala amin'ny fitsaràna ny fampirindràna ny maha-lahy na vavy sy ireo lenta hafa ary ny ara-pananahana.

Arovy ny dingana ataon'ny vehivavy tsirairay mba hahatongavany amin'izay tiany haha-izy ny tenany. Ny  fihina am-pitiavana tahàka izany dia làlana iray entina mankalaza ny AMV.