Mitombo hatrany ny fahatezerana raha namely an'i Torkia ny horohoron-tany roa hafa

Sary avy amin'ny Meydan TV. Nahazoana alalana.

Nalaza tao amin'ny Twitter ny #Bölgeyeçadıryollayın (mandefasa tranolay any amin'ny faritra) tamin'ny 20 febroary, satria nisy horohorontany roa vaovao izay manana maridrefy 6,4 sy 5,8 avy namely an'i Hatay — iray amin'ireo faritany voa mafy indrindra taorian'ny horohorontanin'ny 6 Febroary. Nitondra izany tao amin'ny Twitter ireo Tiorka marobe mba hiantso ny fanjakana handefa trano lay bebe kokoa no sady manontany ihany koa hoe nalefa taiza ireo fanomezana rehetra voaangona tao anatin'ny tapa-bolana lasa izay.

Tapa-bolana lasa izay ry lehilahy, roa herinandro! Tsy nahomby tamin'ny fanomezana trano lay ho an'ny olona ianao, nankaiza ireo an-tapitrisany nalefanao mivantana?!

Tsy mino aho fa tsy maintsy manoratra ity 14 andro taorian'ny horohorontany isika

Tany Hatay aho andro maromaro izao. Na iza na iza resahako na anontaniako, nitovy daholo ny valin-teny: “Trano lay no tena ilainay”. 15 andro izay.

Miresaka amin'ny fampahalalam-baovao iray, Refik Eryilmaz, ben'ny tanànan'i Samandag, tanàndehibe ao Hatay, nilaza fa noho ny toetr'andro mangatsiaka sy ny tsy fisian'ny trano lay, marobe ny olona niverina tany amin'ny tranony efa rava sy nirodana.

Ianao no voinan'ny taonjato. Nandritra ny valan'aretina COVID-19, tsy afaka nizara na dia saron-tava dimy fotsiny aza ianao, nanimba ny toekarena no nandany vola an-davitrisa dolara ianao, nanery ny olona hipetraka amin'ny trano rava ianao, nosakananao ny fanampiana, ary namela ny vahoaka niandry tranolay nandritra ny 14 andro ary nanery azy ireo hialokaloka ao anatin'ny tranony [efa nirodana].

Nantsoin'ny fanjakana ho “lozan'ny taonjato” ilay horohorontany namely an'i Torkia tamin'ny 6 Febroary.

Araka ny filazan'ny BBC Tiorka, nilaza ny Manampahefana misahana ny Loza sy ny Vonjy-taitra fa nandefa tranolay 6.000 teo ho eo tany an-toerana izy ireo taorian'ilay horohorontany tamin'ny 20 febroary.

Araka ny antontanisa ofisialy, olona enina no maty vokatry ny horohorontany tamin’ny 20 febroary raha 294 no naratra. Nahatratra 41 156 ny isan’ny maty tamin’ilay horohorontany teo aloha, tamin’ny 20 Febroary.

Fampanantenana poakaty sy drafitra an-taratasy fotsiny ihany

Tamin'ny 7 Febroary, nanambara i Murat Kurum, Minisitry ny Tontolo Iainana, ny Fanajariana ny Tanàn-dehibe sy ny Fiovaovan'ny Toetrandro fa tsy namela ny olom-pireneny any amin'ny faritra tratran'ny horohorontany ho irery ny fanjakana. Milaza tantara hafa ny valinteny avy eny ifotony.

Tamin'ny 19 Febroary, Yunus Sezer, lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny loza voajanahary ao Tiorkia, AFAD, nilaza fa mbola mitohy ny ezaka fikarohana sy famonjena ao Hatay sy Kahramanmaras, ivon'ny horohorontany, raha nanomboka ny 14 Febroary kosa ny asa fanesorana ireo potipotin-javatra tany amin'ny toeran-kafa.

Nanomboka tamin'ny 6 Febroary, notsikerain'ny vahoaka sy ny manam-pahaizana mafy ny fanjakana noho ny tsy fahampian'ny fepetra vonjy taitra sahaza avy aminy, sy ny fandàvany ny tolo-kevitra sy ny tatitra natolotry ny injeniera sy ny manam-pahaizana momba ny horohorontany. Niparitaka be tamin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana sy tamin'ny sehatra media sosialy ny lahatsary iray an'ny mpanao lalàna ao amin'ny Antokon'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana, Ahmet Özdemir manao kisarisary amin'ny taratasy ny drafitry ny Kahramanmaras vaovao, mbola manondro indray ny tsy fahampian'ny fahatakaran'ny governemanta eo amin'ny fitondrana ny dikan'ny hoe manangana tanàna indray aorian'ny horohoron-tany.

Nalaina an-tsary i Özdemir raha nipetraka teo amin'ny latabatra misy taratasy A4 fotsy teo anoloany, manondro ireo toerana tokony hananganana tranobe vaovao satria ireo no toerana tsy nisy tsipika diso. Lehilahy roa no nipetraka teo akaikiny, niara-nanaiky ny tolo-kevitry ny mpanao lalàna. Tao amin'ny sioka iray, nanontany ny mpikambana ao amin'ny Antokom-bahoaka Repoblikana mpanohitra, Burhanetting Bulut raha nandray lesona tamin'ny horohorontany namely an'i Torkia tamin'ny 6 Febroary ny fanjakana:

Ity ny fahamendrehana, ity ny fahazavan'ny siansa… Manazava ny drafitry ny tanàna vaovaon'i Kahramanmaraş ny depiote ‘mpisolovava’ ny AKP, Ahmet Özdemir, amin'ny penina sy taratasy eny an-tanany. Ary tsy misy mivoaka miteny hoe “inona no fantatrao momba ny fandrindrana ny tanàna.” Tsy naka lesona tamin’ny voina ve ianao?

Mpikambana hafa ao amin'ny antoko CHP nisioka hoe:

Nivondrona ireo manam-pahaizana malaza indrindra momba ny horohorontany sy ny mpahay drafitry ny tanàna mba hamolavola drafitra hisorohana ny loza hafa any Maras sy ny faritany hafa. Enga anie ho izany no izy. Solombavambahoaka AKP Ahmet Özdemir avy any Maraş sy ireo namany ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.