- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny zava-doza amin'ny famoràna vehivavy any Mozambika

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

Ny zava-doza amin'ny famoràna vehivavy any Mozambika

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Parlemanta Eoropeana, dia firenena 30 any Afrika sy any Afovoany Atsinanana no tena ifantohan’ny fanombihana taovam-pananaham-behivavy. Sary: Giovana Fleck/Global Voices

Iray amin'ireo firenena nanamarika [1] ny adihevitra amin'ny lafiny miiba momba ny famoràna vehivavy i Mozambika, raha jerena ho fomba fanao heverina ho fanitsakitsahana ny zon'ny vehivavy amin'ny ankapobeny izany, ary indrindra ho an’ny ankizivavy, na dia tsy misy aza ny lalàna manokana momba io fomba fanao io.

Raha lazaina mazava, matetika eo anelanelan'ny fahazazana ka hatramin’ny 15 taona no ampiharina amin'ny tovovavy ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy [2]. Mifototra amin'ny fifangaroana ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina ity fomban-drazana ity, toy ny finoana ara-pivavahana sy ny hevitra momba ny hamanjàna sy ny fahadiovana.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Parlemanta Eoropeana, any amin’ny firenena miisa 30 any Afrika sy any Afovoany Atsinanana no ahitana indrindra [3] ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy, nefa ahitana an’izany ihany koa any amin’ny firenena sasany any Azia sy Amerika Latina ary eny fa na dia any amin’ireo vondrom-piarahamonina avy amin’ireo faritra ireo aza. Fantatra fa i Frantsa no voalohany [4] tamin’ny firenena Eoropeana manasazy ny fomba fanao amin'ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy.

Andro tsy andeferana amin'ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy

Mba hisarihana ny saina amin'ny loza ateraky ny fanombinana taovam-pananan'ny vehivavy, dia napetraka ny 6 Febroary ho Andro tsy ileferana manoloana ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy, nanomboka ny taona 2012. Nanamarika [5] ny OMS fa ekena iraisam-pirenena ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy. Nampidirina tamin'ny taona 2015 tao amin'ny tanjon'ny taona 2030 ho an'ny fampandrosoana lovainjafy ny famongorana azy.

Ho an'i Mozambika, nilaza i Ondina da Barca Viera, manampahaizana ao amin'ny Firenena Mikambana momba ny vehivavy ao Mozambika, tamin'ny taona 2018, fa tsy mbola misy angon-drakitra manokana momba ny zava-misy ao amin'ny firenena. Nolazainy fa na dia eo aza ny tsy fisian'ny angon-drakitra dia mbola mampanahy ny sampan-draharaha ny trangan-javatra [6]:

Em Moçambique não há excisão do clitóris, não há nenhuma excisão externa, mas sim o prolongamento dos lábios vaginais. A criança desde pequenina quando entra nos ritos de iniciação, as madrinhas fazem o prolongamento dos lábios vaginais. É uma violação contra os direitos das crianças, das mulheres, do direito das raparigas.

Tsy misy fanapahana ny kitso eto Mozambika, tsy misy fanapahana ivelany, fa ny fanitarana ny molotra fivaviana. Koa satria zazavavy kely ilay zaza dia hitarin’ny renibe ny molotra fivaviana rehefa miditra amin'ny taona maha-maoty izy. Fanitsakitsahana ny zon’ny ankizy, ny vehivavy, ny zon’ny tovovavy izany.

Etsy andaniny, milaza [6] ny mpandrindra nasionalin'ny ONG WLSA-Mozambika, Terezinha da Silva, fa na dia tsy mbola manaitra aza ny olana momba ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy, dia misy ny tranga nohadihadian'ny sampan-draharaha izay manondro ny fisian'ity tranga ity any amin'ny faritra avaratr'i Mozambika. Mila fanadihadiana ireo  zava-misy [1] mitovy ireo:

Já há casos conhecidos mas não ainda investigados na zona norte, na zona onde estão os imigrantes provenientes do norte de África, à uns anos dois casos que foram também detetados em Inhambane, mas como disse, nós temos que investigar a fundo esta situação, e geralmente é entre comunidade muçulmana e entre as famílias que vêm do norte de África.

Efa misy ny tranga fantatra tany avaratra fa tsy mbola nanaovana fanadihadiana, any amin’ny faritra misy ireo mpifindra monina avy any Afrika Avaratra, taona vitsy lasa izay, tranga roa ihany koa no hita tany Inhambane, saingy araka ny nolazaiko dia tsy maintsy atao ny fanadihadiana lalina momba izany toe-javatra izany, ary eo amin'ny vondrom-piarahamonina Miozolomana sy eo amin'ireo fianakaviana avy any Afrika Avaratra izany matetika.

Ho vahaolana, nilaza i [6] Terezinha da Silva fa tsy maintsy hiarahana manao ny asa ary manana anjara toerana lehibe ny vondrom-piarahamonina :

O nosso desafio é fazer com que as comunidades sintam que o rito de iniciação é uma violação aos direitos das crianças. Muitas vezes o rito de iniciação conduz aos casamentos prematuros. O nosso trabalho é realmente fazer com que o parlamento aprove a lei contra os casamentos prematuros, fazer a sua divulgação principalmente para as comunidades do norte do nosso país.

Ny fanambinay dia ny hahatonga ny vondrom-piarahamonina hahatsapa fa fanitsakitsahana ny zon'ny ankizy ny fombafomba atao amin’ny fidirana amin’ny taona maha-maoty. Matetika mitarika amin'ny fanambadiana aloha loatra ny fombafomba atao amin’ny fidirana amin’ny taona maha-maoty. Tena asanay ny mandrisika ny parlemanta handany ny lalàna momba ny fanambadiana aloha loatra sy mampiroborobo izany indrindra ho an'ny vondrom-piarahamonina any avaratry ny firenentsika .