- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aostralia: Fihetsehampo mifangaro manoloana ny fitomboan'ny famatsiambola omena ny Haran-dranomasina Lehibe (GBR), mialoha ny fifidianana

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Siansa, Tontolo_iainana, Green Voices

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy tamin'ny Febroary 2022)

Great Barrier Reef Bleached staghorn coral March 2017 [1]

Haran-dranomasina miendrika tandroka serfa mihafotsy ao amin'ny Haran-dranomasina Lehibe, tamin'ny Martsa 2017. Nahazoana alàlana tamin'i Flicker Bette Willis, Sary [1] (CC BY-ND 2.0 [2])

Nanome toky handrotsaka [3] vola mitentina 1 lavitrisa dolara aostraliana (710 tapitrisa dolara amerikana) ny governemanta Aostraliàna ho hanampiana amin'ny fanavotana ny Haran-dranomasina Lehibe (Great Barrier Reef); izay nahatonga ireo mpanara-baovao maro ao an-toerana sy avy any ivelany ho tena “tohina”.

Tamin'ny taona 2021, niatrika [4] ny fanasokajian'ny Komitin'ny Vakoka Iraisam-pirenena avy amin'ny UNESCO (Fikambanan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fanabeazana, Siansa ary Kolontsaina) ho toerana “tandindonin-doza” ilay haran-dranomasina ary nangatahana ny governemanta Aostraliàna mba handray “fepetra haingana” hanampiana amin'ny fiarovana azy manoloana ny fiovan'ny toetrandro.

Tamin'ny volana Jolay, taorian'ny fanentanana fanaovana adisisika mafonja dia vitan'i Sussan Ley, ministry ny tontolo iainana, ny nisoroka [5] io vokatra tena mety hanorisory io.

Araka izany, hatramin'ny Febroary 2022 ny UNESCO dia miandry [6] an'i Aostralia mba handefa tatitra vaovao ho azy, manome amin'ny antsipirihany ny drafitra apetrany hanatsarana ny “kalitaon'ny rano sy ny fitantanana ilay faritra” hahafahana mampiroborobo “haingana hetsika iray amin'ny an-tanan-tohatra rehetra”…. mba hiatrehana ireo ambana entin'ny fiovan'ny toetrandro”.

Tamin'izany fotoana izany ny Profesora Lesley Hughes, mpitondra tenin'ny Climate Council (Filankevitra momba ny Toetrandro), dia nanohana [7] ny hoe:

Mandra-pahitantsika drafitr'asa ara-toetrandro azo itokisana sy fanafoanana ny angovo fôsily toy ny arina, solika ary entona, dia vao mainka hiharatsy ity toe-javatra ity ary tsy hiova ho amin'ny tsara kokoa. Tandindonin-doza ny Haran-dranomasina Lehibe, ary tsy hanova na inona na inona ny fiezahana hanafina ny tena zava-misy.

Tao anaty media an-tambajotra iray tsy miankina, The Conversation, mpahay siansa telo avy amin'ny Anjerimanontolo James Cook no nilaza fa ny komitin'ny UNESCO dia nionona  tamin'ny “fakàna fihetsika miandry sy mijery fotsiny”. Notakian-dry zareo [8] ny hisian'ny hetsika eo an-toerana, nasionaly ary iraisam-pirenena:

 … zava-dehibe ny fampitomboana ireo fepetra hampihenana ny fiantraikany sy ny hitantanana azy eo an-toerana, sahala amin'ny haratsin'ny kalitaon'ny rano, no sady manafaingana mazava ireo fepetra mifandray amin'ny fiovan'ny toetrandro.

Ny hoavin'ny vatohara dia mbola mijanona ho olana pôlitika sy ara-tontolo iainana miverimberina ho an'ny governemanta, izay miatrika fifidianana indray amin'ny tapany voalohany amin'ny 2022.

Mitovitovy [9] amin'ny 111 tapitrisa dôlara eo ny vola holaniana isantaona mandritra ny sivy taona. Fotoam-piasàna telo ho an'ny governemanta no mitovy amin'izany. Ho atokana ho an'ny fanatsaràna ny kalitaon'ny rano, hiadiana amin'ny fihotsahan'ny tany, fanatsaràna ny toetoetry ny tany sy fampihenàna ny fikorianan'ireo otrikaina sy fanafody famonoana bibikely ny antsasany. [10] Misy ihany koa tahirimbola atokana hiadiana amin'ny fihanak'ireo kintan-dranomasina, ny ’acanthaster pourpre’, [11] izay manimba ny rohivoary ao an-toerana.

Ny famatsiambola dia natao hitodika mazava tsara amin'ny famaliana ireo endrika voalohan'ny tolokevitra avy amin'ny Vaomieran'ny Vakoka Manerantany ao amin'ny UNESCO. Tao anaty fanambaràna an-gazety [9]iray niarahana tamin'i Ley, minisitry ny tontolo iainana, nambaran'i Scott Morrison, Praiminisitra, fa zava-kendreny ny “hanamafy ny fahafaha-miatrika”, fanekena niniana anatao an'ilay voambolan'ny UNESCO.

 Na izany aza, mety tsy ho tsara fandray an'ilay fanolorantenan'i Aostralia nandritra ny COP26 [12] momba ny fiovàn'ny toetrandro ny UNESCO. Ny “fanapariahana ireo teknôlôjia vaovao fampifanarahana amin'ny toetrandro” no tian'ilay fanambaràna an-gazety ho ambara. Tsy resahany mivantana ny olan'ny toetrandro ary tsy misy na iray aza fanolorantena ho an'ny fampihenana ny fandefasana entona karbôna. Araka ny voalazan'ny Tondron'ny fiovaovàn'ny Toetrandro, noho ny pôlitikany momba ny toetrandro dia laharana farany [13] amina firenena 60 ankehitriny no misy an'i Aostralia.

Maro ireo izay nankasitraka an'ity famatsiambola ity, saingy naneho ny fisalasalàny mikasika ny tsy fisian'ny hetsika ataon'ny governemanta ho an'ny resaka toetrandro.

Naneho hevitra [14] teo amin'ny pejy Facebook-n'ny minisitra Ley i David Hudspeth, mahazatra amin'ireo fanehoankevitra marobe eny amin'ny tambajotra sosialy :

Mety ho tsara ny mahita ezaka bebe kokoa amin'ny fitantanana ny vatohara, saingy ny tena ambana goavana ho an'ny haran-dranomasina dia mbola mitoetra hatrany ho ny fiovàn'ny toedrandro. Amin'io teboka io dia ilaintsika ny fanohanana betsaka avy amin'ny governemanta. Tsy ampy ho antsika ny fotoana hampihenana ny fandefasana entona alohan'ny hihoaran'ny hafanana mihoatra noho izay azon'ny vatohara zakaina. Mba hijanonana ho ambanin'ny 2 °C, iankinan'ny ain-dehibe ny fametrahana tanjona erantany, midika izany fa tsy maintsy apetraky ny governemanta ny tanjony hampihenana ny fandefasana entona, izay  26-28% [tamin'ny 2005] ho 50% farafaharatsiny amin'ny  2030. Raha tsy hamafisintsika ny fanolorantena, toy izay efa nataon'i Etazonia sy ny Fanjakana Mitambatra, dia hanohintohiina ireo ezaka iraisampirenena tena zavadehibe ho an'ny resaka toetrandro isika. Mangataka anareo izahay mba hirotsaka hanolo-tena. https://www.barrierreef.org/the-reef/threats/climate-change [15]

Fa etsy andanin'izay, Graham Young, ilay lazaina fa liberaly klasika sady tonian-dahatsoratry ny tranonkala Online Opinion [16], dia naka fomba fijery mitsinjo lavitra, nanala ny dindon'olombelona amin'ny fahasalaman'ny haran-dranomasina :

Fandanianiam-poana re izao! Tsy hanampy ny vatohara raha izay 1.000.000.000 dôlara, fa hanampy ireo mpitsirika mba hifanohana. Efa niaina nandritra ny antsasaka lavitrisa taona ireo vatohara. Fiedinedenana tsy firaharahiana ny hafa ny fiheverana hoe mila ny fanampiantsika izy

Amin'ny fifidianana hatao amin'ity taona ity dia mpifaninana amin'i Josh Frydenberg [19] , ilay mpitahiry vola federaly amin'izao fotoana izao,  i Monique Ryan. Iray amin'ireo lohahevitra fototry ny fampielezankeviny ny fiovaovàn'ny toetrandro, toy izay asehon'ity bitsika ity mazava tsara:

Raha tena te-hanavotra ny Haran-dranomasina Lehibe ny governemanta, dia efa an-taona marobe tany aloha izy no tokony nihetsika. Ny fiovaovàn'ny toetrandro dia loza goavana manambana ny vatoharantsika. Tsy mifanaraka amin'izany ireo tanjona napetrak'io governemanta io. Resaka fambaboana amin'ny fifidianana fotsiny.#auspol [20] #Mon4Kooyong [21] https://t.co/5Es56ThvBu [22]

— Dr Monique Ryan (@Mon4Kooyong) 28 Janoary 2022 [23]

Raha raisina ny maha-efa akaiky ny fifidianana, marobe ireo mpisera anaty aterineto no nanakiana ny fihetsiky ny governemanta  :

Tsy misy idiran'ny famonjena ny vatohara izany. Famonjen-dry zareo ny tenany no misy, tsy misy fangarony sy tsotra izao fotsiny.
— Iain (@Iain37969539) 29 Janoary 2022 [24]

Marobe ireo mpampiasa Twitter no nandray ny fanolorantenan'ny governemantan'i Morrison amin'ny solika fôsily, indrindra fa ny arintany sy ny entona, ho toy ny olana fototra :

Fantatrao ve ry @sussanley [25] hoe inona no tena “hanampy” marina ny Haran-dranomasina Lehibe ( GBR)?

Atsaharo ireo tetikasa vaovaonareo amin'izao fotoana izao miisa 116 hitrandrahana entona sy arintany👇 dia amporisiho koa ny hafa hanao toy izany (izany hoe ny làlana mankamin'ny Net Zero an'ny AIE natao hamerana ny fihafanàn'ny tany sy hamonjena ny  GBR). @RNBreakfast [26]https://t.co/K3pe86VnCz [27]

— Richie Merzian (@RichieMerzian) 27 Janoary 2022

Tsy ilàna teny maro ity sariitatra ity mba hampitàna izay hafatra izay ihany :

Ity ny sarin'ny politikan'ny #LNP [29] mikasika ny GBR mba hialàna amin'ny fanononana ny laingan'izy ireo.

pic.twitter.com/6VZwxUbqar [30]

— Ben Pennings (@BenPennings) 28 Janoary 2022 [31]

Ny 28 Janoary, nisintona lakolosy ireo mpahay siansa nilaza fa miatrika maripàna avo dia avo [32] tsy mbola niainany hatrizay ny GBR tamin'ny Desambra 2021, ary nampitandrina fa mety efa an-dàlan'ny fizakàna  fihafotsiana faobe [33]iray hafa indray izy io. Raha mitranga ilay fihafotsina, dia izay no ho faninefany [34] amin'io karazany io hatramin'ny 2016. Ny fanasokajiana hoe “tandindonin-doza” dia mety hivadika ho tena zavamisy. Ny andiany faha-45 tamin'ny fivorian'ny [35] Vaomieran'ny Vakoka Erantany,  izay hatao amin'ny Jona 2022, dia hiverina handinika ny fanakilasiana ilay vatohara arakarak'ireo ezaka ara-tontolo iainana vitan'i Aostralia.

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy tamin'ny Febroary 2022)