Tsy handre intsony ny tenin'i Potinina ireo ao anaty vatapaty hoe ‘nandeha araka izay nokinasa ny zava-drehetra’

Pikantsary avy amin'ny lahatsary Youtube misy ny kabarin'i Potinina tamin'ny 24 Febroary 2023. Nahazoana alalana.

Nialohavan'ny tahotra sy ny ahiahy teo amin'ny olona marobe ny  kabary izay tokony hataon'i Potinina tamin'ny ankatoky ny tsingerintaona voalohany tamin'ny fananiham-bohitra faharoa nataon'ny Rosiana an'i Okraina. Inona no holazain’ilay olona efa niady nandritra ny herintaona sahady izay? Nofoanan'i Potinina ny kabary momba ny raharaham-pirenena tamin'ny heritaona satria nanomboka ny “hetsika manokana” ho solon'izay izy, ary nofoanany avokoa ireo fihaonana lehibe amin'ny gazety izay fanaony matetika talohan'ny fanafihana.

Raha ny marina dia tsy nisy zava-baovao nolazaina ankoatra ny ho azy, ka raha ho an'ny firenena, dia fomba vaovao ara-dalàna ny ady manomboka izao (afa-tsy ny any Rosia, voaràra ny fiantsoana azy hoe “ady”).

Nanangona ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy tamin'ny teny Rosiana amin'ny fomba fijery momba ilay kabary ny Global Voices.

Iliya Krasilshchik, mpamokatra teo aloha tao amin'ny Meduza (fampahalalam-baovao tsy miankina izay nambara vao haingana ihany koa ho fikambanana “tsy ilaina” ao Rosia) tsy nijery ilay kabary — novinavinainy mialoha ny votoatiny:

Avelao aho haminavina izay ao anatiny

1. tsy  nanomboka izany izy 2. tsy nanomboka na inona na inona izy 3. fa afaka manomboka izany izy 4. nanao ny ratsy rehetra ny Tandrefana , nanao ny tsara rehetra izy 5. fa tsy nanao na inona na inona izy 6. fa afaka 7. satria ny tsara ihany no ataony, ary ny zava-dratsy ihany no ataon'ny tandrefana 8. saingy afaka manao zava-dratsy izy 9. nefa tsy manao izany

Asya Kazantseva, mpanoratra sady mpanao gazety (izay nambaran'ny governemanta Rosiana vao haingana fa “mpitsikilon'ny vahiny“), nilaza hoe:

Mandroso ny toe-karena, mandroso ny fampianarana ambony, mandroso ny indostria, hanome lanja bebe kokoa ho an'ny reny izahay, handamina ady nokleary miaraka amin'i Etazonia, hanorina lalambe mankany Kazan ary hanohana ny asa an-tsitrapo.

Mihamafy ny fahatsapana ny fahaverezan'ny tena zava-misy, toy ny hoe fehezin'ny ChatGPT adala ny fiainantsika amin'ny fametrahana (mpan)ova, na tafafindra tsy nahy any amin'ny refy fahefatra isika, toa tena misy ny zava-drehetra, saingy tsy misy ny holazaina.

Tena mampitony izany. Nanana fiainana isika taloha, saingy ankehitriny toa toy ny tabataba nomerika sisa isika. Tsy manana soatoavina intsony isika, tsy misy andraikitra intsony, tsy miantra na iza na iza, tsy misy zavatra ao hatry ny ela.

 

Nanoratra i Nebinarnyi Korsar, mpisera Twitter malaza sady mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ hoe:

Toy ny mahazatra, tsy misy zava-baovao. Khe-khe, mpanova taovam-pananahana, khe-khe, andrefana, khe-khe, OTAN. Farany, fandrahonana nokleary.

Hanoratra momba ny gadra politika aho amin'izay ilaina ny sioka. Navalny, Yashin, Gorinov, Kara-Murza, Chanysheva, Pivovarov sy ny hafa – ireo no tena mpanao politika ao amin'ny Federasiona Rosiana, izay tena mendrika hohenoina.

Yekaterina Shulman, mpahay siansa ara-politika (nambaran'ny governemanta Rosiana ho “mpitsikilon'ny vahiny” ihany koa) niezaka namintina ny lahatenin'i Potinina tamin'ny fanehoan-kevitra fohy:

Voafitaka sy tafintohina avokoa isika rehetra, nandrora tao amin’ny fanahintsika ry zareo, saingy tso-po sy tsara fanahy ary maniry ny tsara indrindra isika. Tsy mitsabaka amin'ny fiainana manokana izahay, tsy manana na inona na inona manohitra ny pelaka, tsy manenjika ireo lasa, manangana faritany, manangana tahirim-bola hanohanana ny fianakavian'ireo mpiady manokana (ady). Ary eny, soso-kevitra vaovao ny vola ho an'ny hena. Vola sy fanaraha-maso manokana avy amin'ny mpiasa sosialy. Protheses sy fikarakarana an-trano. Ary fialan-tsasatra roa herinandro ho an'ny mpiady tsirairay, anisan'izany ny mpilatsaka an-tsitrapo. Tambajotra sosialy toy izany any amin'ny helo no tetipanorona taloha, izay hatramin'ny taompolo 20s, ahitana tontolo azo idirana sy mameno/manolo, amin'ny endrika vaovao ihany.

Farany, nasehon'ilay mpikirakira Twitter ny Profesora Preobrazhenskyi tamin'ity sioka ity tamin'ny alalan'ny lahatsary ny fanesoana ao anatin'ny zavatra nolazain'i Potinina:

Novosibirsk.
Vatapaty amin'ny vifotsy an-jatony maromaro.
Samy manana taratasy fanamarinam-pahafatesana ny tsirairay amin'ireo.
Tsy handre ny resak'i Potinina androany ireo ao anaty vatapaty hoe “nandeha araka izay nokinasa ny zava-drehetra.”

Ary iray monja amin'ireo andiana vatam-paty an-jatony izay aterina any amin'ny lafivalon'i Rosia amin'izao fotoana izao monja ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.