Shakira : sary iray famantarana tsy nampoizina ho an'ny feminisma ve?

Shakira tamin'ny 2017. Loharano: Vovonana ara-toekarena erantany/Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Tsy vitsy ny mpanakanto no naka aingampanahy hamoronana hira avy amin'ny fifandraisana ara-pitiavana niainany, na ratsy na tsara izay fahatsiarovana izay. Ho an'i Shakira, ilay vehivavy kôlômbiàna mpihira no sady olo-malazan'ny kolontsaina vaovaon'ny daholobe, dia ny ” cathartique“. Ny hirany farany, «BZRP Music Sessions, Vol. 53», dia nosoratany taorian'ny fisarahany ôfisialy tamin'ilay espaniôla mpilalao baolina kitra, Gerard Piqué. Nisy arzantina iray mpanao gazety namaritra azy ho toy ny hiram-piderana «metaly mavesatra natao tsinontsinona». Hatramin'ny 11 Janoary 2023 nivoahany, lasa nalaza be ilay hira ary niely be tety anaty tambajotra sôsialy.

Ireo tononkiran'ny BZRP Vol. 53 dia manasongadina mivantana sy mazava ny anton'ny nisarahan'ireto mpivady. Manao sarinteny ihany koa manondro ireo marika amantarana ny habaka niraisana izay ho lasa mahazatra an'ireo vehivavy mpihaino azy. Montsanin'i Shakira, ilay kintana malaza latinô-amerikàna, ireo hevitra raiki-tampisaka momba ny fanjakan-dehilahy.

Ny fidonan'ilay hira farany navoakan'i Shakira teny amin'ny mpihaino angamba no teboka iray mahabe resaka indrindra teo amin'ny asany. Ny mifanohitra amin'ny “feminisma” no hitan'ny sasany ao anatiny. Ny hatezerana asehony dia fihetsehampo somary an-dehilahy kokoa fa tsy  am-behivavy. Matetika ny vehivavy no ampivadiana amina fahatsapàna sy fihetsehampo mizàka fotsiny, toy ny alahelo na ny fanamelohan-tena. Ny fitondran-dehilahy dia mitaky amin'ny vehivavy mba hangihy ny hatezerany na ny ahiahiny. Vokany, ireo vehivavy mivoaka amin'ny fahanginana ary mitondra fiampangàna dia jerena ho toy ny olana. Io toetra mikomy io dia noarahabain'ny feminisma ; tsy tokony hangiana intsony ireo vehivavy ary aseho masoandro ny fanitsakitsahana.

Lavitry ny haneho ny tenany ho toy ny vehivavy miforitra, izay mijaly noho ny fanitsakitsahana nataon'ny olona niaraka taminy taloha, dia toy ny “liona vavy” no amaritan'i  Shakira ny tenany. Mahatsapa tanteraka ny fahamboniany sy ny fanaovana zinona nataon'ilay olon-tiany taloha izy. Araka izany, hirainy ny («a ti te quedé grande» izy azo adika hoe «tsy hatreo an-kitrokeliko akory izay ianao»), ary ilay rafivaviny («no es como suena», na, «tsy araka izay heverinao velively izy iny»). Raha tokony hitomany, aleony mihira ny «mitaky lazambidy ireo vehivavy» ary manohitra, araka izany, ilay fisainana hoe ireo lehilahy no mpanome ny karama ambony indrindra, indrindra fa rehefa hoe vadina mpilalao baolina kitra no resahana. Tsy mila na inona na inona i Shakira, na laza, na vola. Efa mialoha làlana ny an'ilay olontiany taloha ny azy ny fahombiazan'ny asany, ary mihoatra lavitra.

Resaka pôlitika sy patriarkaly raha ny fitiavana mampanonofy. Anatin'ny fomba fijery feminista latinô-amerikàna, aleo ho ataontsika hoe io dia rafitra iray natao hifehezana sy handaminana fiarahamonina. Mianatra karazam-pifandraisana ara-pitiavana isankarazany ireo tovolahy sy tovovavy, araka ny fomba amam-panao sy fombandrazana mamaly lasitra fitondrantena sy etika ao anatin'ny kolontsaina iray voafaritra. Mametraka endri-pifandraisana maromaro io kolontsaina io. Miaro ny tsy fiankinandohany ireo tovolahy, raha ireo tovovavy kosa mahafoy ny azy ho toy ny porofon'ny fitiavan-dry zareo.

Ny lasitry ny fitondran-dehilahy mametraka ny maha-reny ho toy ny tanjona farany amin'ny fiainan'ny vehivavy dia mifamatotra amin'io famoizana (fanolorantena) io. Tsy hita isa ireo tantara natao ho an'ny ankizy mikolokolo io lasitra fitiavana mampanonofy io. Manatontosa ireo tanjona sôsialiny ilay printsy (eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe) ary avy eo miverina eo anilan'ilay printsesan'ny fony, izay mikarakara ny tokantrano (ao anatin'ny toerana an'ny tena manokana) rehefa avy navotana niàla tamin'ny fahantràna, ny fidirana am-ponja na ny ody ratsy. Raikipohy somary mahazatra io, izay, soa ihany, fa misy lasitra iray manohitra azy any anatin'ireo literatiora natao ho an'ny ankizy. Amin'izao androntsika izao, marobe ireo vehivavy tsy manao ho tanjona fototra ny haha-reny eo amin'ny fiainany. Tokantena izy ireny, tsy manaraka ny andraikitra efa nofaritana mialoha ary manohitra amin'ny alàlan'ny fandravàna ireo hevitra raiki-tampisaka momba ny fitondrantena.

Shakira no feo avo indrindra ao anatin'ny vondrom-behivavy iray izay tsy dia hita miharihary be toa azy, saingy mizotra mankany amin'izay fironana izay amin'ny alàlan'ny fisafidianana fiainana malalaka kokoa, tsy misy teritery ary manana tanjona hafa eo amin'ny fiainana ankoatra ny fanambadiana sy ny maha-reny. Efa miha-maro izao ireo vehivavy mamerina misaina ny fomba tiany hitiavana olona sy ny fifandraisana tiany hanànana. Ny andraikitr'ireo vehivavy ao anaty fiarahamonina dia lasitra iray azo samahana mba hohalalinina sy hitondràna fiovàna, mba hahazoana zavabita hafa, tsy mitovy amin'ireo efa voapetraka hatrizay.

Mitambesatra kokoa ny resaka toekarena. Rehefa hirain'i  Shakira ny «Tsy mitomany intsony ireo vehivavy, mitaky lazambidy ny vehivavy», dia lohahevitra mahazatra ho an'ny lehilahy no avoitrany. Ratsy ho an'ny vehivavy ve ny mampidi-dola? Manimba ve ny vola azon'i Shakira avy tamin'ireo hirany telo nitanisany ny momba ny olontiany taloha, nanonony azy mihitsy aza? Tsy manana zo ny mba ho fatra-paniry zavatra ve ny vehivavy? Mampanan-karena lehilahy saingy mampahantra vehivavy ny fifandraisana ara-pitiavana. Tsy fifanandrifian-javatra fotsiny raha toa tsy vita zara mitovy ireo andraikitra. Tsara kokoa ny mametraka ny andraikitra fitaizana ankizy ho an'ny vehivavy, noho ny «toetra anaty» ananan-dry zareo, natolotra tamin'ny fomba feno pôlitika.

Misy fifanoheran-kevitra ao anatin'ny sary hita amin'i Shakira : mpanelingelina sy mpitady fahamboniana. Tsy dia tena feminista loatra ny fampitahàna ireo vehivavy amin'ny fiara na famantaranora, toy ny ataony ao anatin'ny hirany, fa tena feminista ny fanolorana sary iray momba ny velontena manokan'ny tena.

Anatina fomba fijery kapitalista, maka tombony avy amin'ny vatany sy ny fiainany manokana izy. Milahatra amin'ny sary mahazatra ahitàna ny vatan'ny vehivavy ho toy ny fitaovana fakàna fahafinaretana. “Sex symbol”, mpanota, mpihantsy, nefa koa revôlisiônera, ampiarahana amin'ny kabary iray miresaka ny fombandrazana mampanonofy ny fahafahany ara-pananahana maha-vehivavy azy. Tohanan'ny dika maha-reny sy vady mifanaraka amin'ny fombandrazana azy ihany ny fiainam-pianakaviany.

Asehon'ireo lahatsarim-pianakaviany ny fandavantena nataony tam-pitiavana. Tsy misy afeniny an'ireo mpihaino azy. Miavaka izy ao anatin'ny maha-roa nefa tokana azy; rehefa latsa-pitiavana izy, dia manaraka ireo fenitra mampanonofy. Fa rehefa atao tsinontsinona, dia lasa maherifo feno herisetra sy tezitra. Fitaomana avy amin'ny fiarahamonina ihany koa ny sary hita amin'i Shakira, araka ny voasoratr'ilay vehivavy feminista mpikaroka sady mpanoratra, Teresa de Lauretis :

“En los márgenes de los discursos hegemónicos subsisten rasgos de una construcción de género diferente. (…) Los discursos de los medios de comunicación son tecnologías de género porque tienen el poder de controlar el campo de la significación social y producir, promover e implantar representaciones de género”.

“Tavela foana eny an-tsisin'ireo kabary mitaky fahamboniana ireo toetra mampiavaka ny fanorenana lenta samihafa ho an'ny lahy sy vavy. Teknôlôjian'ny miralenta raha ireo resabe an-gazety, satria ananan-dry zareo ny fahafahana mifehy ny sehatry ny dika ara-tsôsialy sy ny famokarana,  fampiroboroboana ary fametrahana ireo fanehoana ny maha-lahy na vavy.”

Na izany aza, izay rehetra fanehoana ny maha-vehivavy ve dia endrika amantarana ny feminisma ? Eny, raha toa izy ka manome velontena ho an'ny vehivavy rehetra. Manorina firehana ireo hiran'i Shakira, manokatra làlana, mandika na manova ireo lasitra mifehifehy ny fitondrantenan'ny vehivavy. Shakira dia endrika maneho ny lasitra iray maha-vehivavy mikatsaka fahamboniana ary maneho ireo fifanoherana noforonina sy aseho eny amin'ny vatany.

Shakira, Latinô ary vehivavy mpandraharaha, dia mihira amin'ny fiteny espaniôla hira iray ahitàna taratra ny vondrom-piarahamonin'ireo vehivavy. Endrika hita vatana amin'ireo fifanoherana izay mbola mitohy mitoetra foana any anatin'ny fiarahamonina maro mandraka ankehitriny : vehivavy afaka ara-pananahana ary vehivavy miahy ny ankohonany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.