- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitambaran'ireo vondrona mpitaky fizakantena ao Mali, mety vao mainka hanasarotra ny olana pôlitika sy ny fiarovana

Sokajy: Afrika Mainty, Mali, Ady & Fifandirana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Tv5monde Info [1]

Ao Mali, midina fikatsoana ara-pôlitika vaovao indray sy ara-piarovana ho an'ilay firenena ve ny fitambaran'ireo vondrona telo mitam-piadiana mpitaky fizakantena avy amin'ny Coordination des mouvements de l’Azawad (CMA) ?

Azo lazaina ho lehibe ihany i Mali noho ny refiny mahatratra 1,2 tapitrisa kilaometatra toradroa izay itambarana  vondrom-poko roa lehibe [2], ireo berbera ao Avaratra, ary ry zareo sobasahariàna ao atsimo. Rehefa atambatra dia misy foko enimpolo ao amin'ilay firenena, izay ahitàna, ankoatra ny hafa, ny Mandingues [3](38,7 %), ny Bambaras (23,9 %) izay mameno indrindra indrindra ny distrikan'i Bamako [4],  ny Sénoufos (12,2 %), ny Songaï (8,9 %), ny Soninkés (8,8 %), ny Fulani ao Maasina (8 %), ny Peuls (8%), ny Maninka (7,9 %), ny Dogons (5,5 %).

Hatramin'ny 2012, mandalo krizy henjana be amin'ny famaritany ny maha-izy azy ilay firenena, taorian'ilay adin'i   Mali [5] (2012), narehitry ny fikomian'ireo vondrona djihadiste sy mpitaky fizakantena mpomba an'i Azawad. Ireny fikambanana pôlitika sy ara-miaramila ireny, izay ny “touarègues” no tena maro an'isa tao anatiny, ary mavitrika any avaratr'i Mali, dia nanambara tamin'ny  28 octobre 2014 ny fijoroan'ny  coordination des mouvements de l’Azawad [6] (CMA).

Hita ao anatin'ny CMA ny Mouvement national pour la libération de l’Azawad [7] (MNLA), ny Mouvement arabe de l’Azawad [8] (MAA) ary ny Haut Conseil pour l’unité de l’Azawad [9] (HCUA) izay tsy hafa fa ireo hetsika telo lehibe indrindra, na misy ao ihany koa aza ireo vondrona hafa. Miaraka mîtolona manohitra ny  fanjakana maliàna ireny vondrona rehetra ireny, na dia tsy mitovy tanjona aza, ary samy nanasonia ny fifanekena  hisian'ny fandriampahalemana  ho amin'ny fampihavanana ao Mali ( Fifanarahan'i Alger [10]) vitæ Sonia tamin'ny  15 Mai sy 20 Jona 2015.

Tamin'ny Desambra 2022, natsahatry ny  CMA ny fandraisana anjara tao anatin'ireo rafitra fampiharana ilay fifanarahana fandriampahalemana, toy ny nataon'ireo vondrona hafa mitam-piadiana, saika ho efa izy rehetra nanao sonia mihitsy.  Ampangain'ny [11] CMA “ n'y tsy fisian'ny fahavononana pôlitika, na kely aza hatramin'izao ” avy amin'ny governemantan'ny filoha maliàna  Assimi Goïta [12] hampihatra ilay fifanarahana fandriampahalemana. Ny 27 Janoary 2023, nijoro nanohitra indray ny CMA, tamin'ny fanipihana tanaty fanambaràna [13]iray ny fisintahany tsy ho ao anatin'ny vaomiera najoro hamita ilay tetikasa hanaovana lalampanorenana vaovao ao Mali .

Araka io fanambaràna io, ny  CMA “dia tsy miombona amin'ireo fanambaràna samirery nataon'i Abdoulaye Diop, minisitra maliàna misahana ny raharaha ivelan'ny, teo amin'ny pilipitran'ny Firenena Mikambana, tamin'ny 27 Janoary 2023, niresaka ny amin'ireo “fiatoan'ireo dingana” ao anatin'ny fametrahana ilay Fifanarahana nohonnybataon'ireo hetsika nanasonia izany”.

Io firodanan'ny dingan'ny fifampiraharahàna io dia manamafy amin'izao fotoana izao ny fakàna toerana ataon'ireo vondrona mitam-piadiana ao anatin'ny CMA .

Ny firaisana no hery

Tamin'ny 8 Febroary 2023, nitambatra ho antokon-tafika sy pôlitika tokana ireo vondrona telo lehibe ao anatin'ny CMA. Araka ny voalazan'i Mohamed Elmaouloud Ramadane [14], mpikambana ao anatin'ny CMA, Io vikina vaovao Io Dia tokony hahafahan'ireo mpikomh avy any avaratra hanana lanja bebe kokoa manoloana ny governemanta maliàna, araka ny fanazavana azy tao amin'ny  Radio France Internationale [15]:

Dingana iray tena manana ny lanjany Io vao avy nodiavina io, satria efa hatry ny ela ireo vahoakan'ny Hetsika no nitaky izany. Araka izany, tontosa izy ankehitriny. Tantana vaovao indray io. Vikina vaovao indray. Raha feo tokana sy mitovy no ifampiresahana, manana mpitarika tokana isika, dia tena hanosika be izay rehetra apetratsika ho tanjona izany.

Ramadane manamafy izay hafatra izay ihany ao amin'ny Twitter:

Ho an'ito farany, io fitambarana io dia mikendry ny hampitambatra ny herin'ireo rehetra hetsika mitam-piadiana mba hiatrehana ireo fifandirana ifanatrehan'ireo vondrom-piarahamonina ka hahatongavana amin'ny fahasambarana sôsialy sy pôlitika.  Tombanany [18] fa hisy ny fanomezana anarana vaovao an'io fitambarana io, arahana marika vaovao famantarana, aorian'ny fahitàna marimaritra iraisan'ilay vaomiera teknika vaovao najoro hijery izay pitsopitsony mahamety io fitambarana io.

Fihenjanana azo eritreretina amin'ny fitakian'ireo mpihoko

Sarotra ny haminany izay mety ho fivadihan'ny fifandraisana eo amin'ny fanjakana ao Bamako sy ireo vondrona mitam-piadiana ao avaratry ny firenena saingy mbola misy ambana ny mety ho fihenjanan'izy ireny misimisy kokoa ihany.

Nicolas Normand [19], masoivohon'i Frantsa fahiny tao Mali, raha nanontanian'ny   Deutsche Welle [20], dia manombana fa raha ireo Marika hita dia mety hisy ny fiarahana tahaka izany. Ilay fihaonana vao haingana Téo amin'ireo tomponandraikitr'ireo vondrona niaraka tamin'i  Iyad Ag Ghali [21], mpitarika touareg avy amin'ny Vondrona mpanohana ny Islam sy ireo Miozolmàna  — Groupe de soutien à l'islam et aux musulmans (GSIM) — dia efa Marika ahitana tzratra mialoha izany. Araka ny lazain'ilay diplaomaty, dia toa efa mivezivezy malalaka i Iyad Ag Ghali any amin'ny faritr'i Kidal [22] ao avaratra-atsinanan'i   Mali, izay tsy azony natao izany font vanimpotoana ny hetsika Barkhane [23], notarihan'ny tafika tany amin'ny faritra iny. Araka io loharanom-baovao io ihany [20], atahoran'i Normand ny hihenjanan'ireny vondrona ireny:

Atahorako ho marik'izay fihenjanana izay ny fitambaran'ireo vondrona telo ireo, ary ny olona hiomana hiatrika ny mety ho fifandonana. Tsy mihevitra mihitsy aho hoe izy ireo no handray fanapahankevitra hanafika ny tafika maliàna satria ry zareo no hotsinian'ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho an'izao tontolo izao dia izay manomboka ny habibiana eo,  mazava ho azy, no ho tomponandraikitra.

Izay endri-javatra izay Dia mety hiatrika amina fitohitohizana fifampideran-keey eo amin'ny tavaratra ambany vahohon'ny CMA, Ary azo heverinao ho tohanana y GSIM, manoloana ny fanjakana maliàna izay mahazo fanohanana hatrany hatrany avy amin'i Rosia amin'ny alalan'ilay vondrona mitam-piadiana  Wagner [24]. Izany diana'atina toedraharaha izay iatrehan'ny iray ny  ONU,  ny MINUSMA, fandroahana telo sosona [25] mahazo ireo tomponandraikitra ao aminy, avy amin'ireo manampahefana maliàna, Ary iatrehany ireo sakantsakana amin'ny fanarahana maso ireo fanimbazimbàna zon'olombelona eo an-toerana .

Ny sasany tsy misalasala miteny ady. Araka izany, tamin'ny 10Febroary 2023, andro roa taorian'ny nanambaràna ilay fitambaran'ireo hetsika ao anivon'ny  CMA, Dr Amadou Albert Maïga [26], mpikambana ao anatin'ny Conseil National de Transition (CNT), rantsana mpanao lalàna maliàna, tamin'ny alàlan'ny lahatsary iray nalefany tao amin'ny pejiny Facebook, [27] dia naminavina ady iray ifanandrinan'ny CMA s'y ny tafika maliàna.

https://t.me/amadoumaiga1/489Pourquoi la Guerre est inévitable à Kidal ?Les raison dans cette vidéoLangue d’expression: Français

Posted by Dr Amadou Albert MAÏGA [28] on Friday, February 10, 2023

 

Avy hatrany ireo teny nataon'i Maïga dia notsinian'i Mohamed Elmaouloud Ramadane tao amin'ny pejiny Facebook [29] ary nozarain'ny Tv5monde [30] tao amin'ny tranonkalam-baovaony.

« Melohinay io fanambaràna miantsy ady nataona tomponandraikitra iray avy amin'ny iray amin'ireo andrimpanjakan'ny Repoblika io, izay tsy iza fa ny rantsana mpanao lalàna eto Mali, ary antsoinay ho vavolombelona amin'ny fihetsika tahaka izany ny fianakaviambe iraisampirenena. Raisinay am-pahamatorana iny fanambaràna iny, satria raha ny fijery azy, dia nataony taorian'ny  nivoahany avy amin'ny fihaonany tamin'ny filohan'ny tetezamita . »

Hanao ahoana ny hoavin'i Mali?

Hatreto aloha dia mazava fa tampin-dàlan-kalehanireo manalpahefana maliàna s'y ny CMA raha ny resaka fametrahana ny fampiharana ilay fifanarahana tao Alger noheverina hitondra anjara biriky amin'ny fampihavanana ny firenena. Miteraka adihevitra mamay eo amin'ny samy Maliàna ilay lohahevitra, araka ny hita anatin'ity fifanakalozan-kevitra ao amin'ny twitter [31] ity, nokarakarain'i  Mamadou Ismaila Konate [32], mpisitraka lova a ao amin'ny fitsaràna ao Mali sy Parisy, minisitra fahiny nisahana ny fitsaràna sy mpitahiry tombobokase tao Mali, tamin'ny 16 Febroary 2023.

Ny iray amin'ireo fanontaniana goavana ao anatin'ilay adihevitra dia miompana amin'ny votoatin'ilay lalampanorenana vaovao hia an'i Mali miandry ny famitàna azy: Hiala avy hatrany aorian'ny fahataoeran'ny fotoam-piasany tsy ho filoham-pirenena ve i Assimi Goïta , sa mety mbola ho afaka ny ho kandidà amin'ireo fifidianana ny ho filoham-pirenena hoavy? Etsy ankilany, ny CMA izay tsy mandray anjara amin'io dingana ioe ve hilefitra manoloana ireo fitakiana ao anatin'ilay lalàm-panorennaa vaovao ka hiala amin'ny tolony fitakiana  fahaleovantena ho an'ilay faritra lehibe ao Avaratra ?

Feno fanontaniana saropady izay ny fampihavanana tena izy sy amin'ny fo  madio irery ihany an'i Mali no afaka mahita ny valiny.