Lehilahy nampangaina ho nandoro birao fandraisana ho miaramila tao Transnistria, miatrika fampidirana am-ponja mandritra ny 30 taona

Bonne Pikantsary an'ny lahatsary famoaham-baovao YouTube ao Transnistria

Mety ho voaheloka higadra 30 taona an-tranomaizina, ny betsaka indrindra hatreto, amin'ny volana Febroary 2023 ilay mpanaradia antoko Transnistriana iray nikasa handoro ny birao fandraisana anarana ho miaramila ao Tiraspol. Satria tsy nisy ny fahavoazana nanjo ilay tranobe na ny olona, toa manafintohina ilay sazy mety ho ataon'ny governementa Transnistriana mpisintaka. Tsy dia mahasarika firy ny sain'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ilay raharaha, na ireo avy amin'ny mpiaro ny zon'olombelona aza.

Ny Transnistria, na ny Pridnestrovian Moldavian Republic (PMR) dia nofaritan'ny Wikipedia ho sahala amin'ny “Fanjakana mpisintaka tsy nahazo fankatoavana izay eken'ny iraisam-pirenena ho anisany ao anatin'i Moldovia.  Transnistria no mifehy ny ampahany betsaka amin'ilay ampahan-tany tery eo anelanelan'ny renirano Dniester sy ny sisintany iraisan'i Moldovia–Okraina, ary koa ireo tany sasany any ampitan'ny sisindrano. Tiraspol no renivohiny sady tanàna tena lehibe indrindra.”

Vao maraimbe tamin'ny 13 May 2022, cocktails Molotov roa no natsipy tao amin'ilay tranoben'ny birao fanoratana anarana ho miaramila ao afovoan'i Tiraspol, izay nandraisana ankeriny ireo tanora ho ao anatin'ireo andian-tafika tsy ara-dalana ao anatin'ilay antsoina hoe “PMR” ((Pridnestrovan Moldovan Republic, araka ny fiantso azy amin'ny teny Rosiana). Nipoaka teo amin'ny sisin-dalana ny iray tamin'izy roa, ny faharoa kosa nihitsoka teo amin'ny bara vy tamin'ny varavarankely. Tsy nisy ny maty na naratra, ary tsy nisy zavatra simba tao amin'ilay birao fanoratana sy fandraisana ho miaramila.

Araka ny voalazan'ny masoivohom-baovao Rosiana RIA Novosti, ny 60% amin'ny mponin'i Transistria dia Rosiàna sy Okraniàna avokoa. Nangataka ny fisintahana tamin'i Moldavia ilay Repoblika ary, tamin'ny 1992, nanjary lasa faritany tsy voafehy i Transistria. Ankehitriny, hery ara-tafika iray miasa amin'ny tafika Rosiana no mipetraka ao.

Tamin'ny 18 May 2022, nosamborina teo amin'ny toeram-pisavana teo amin'ny fidirana ao Tiraspol ny olona iray noahiahiana. Nanamafy ny tomponandraikitry ny fiarovana an'i Transnistria fa izy io no Alexander Dimov, mponina avy ao Chișinău, izay voalaza fa “namita ny baikon'ny mpiandraikitra iray mifandray amin'ireo sampan-draharahan'ny fampiharana lalàna ao Moldavia”. Araka ny voalazain'ireo mpitandro ny filaminana ireo dia nandositra any amin'ny faritra fehezin'ny governemanta any Moldavia ilay mpiandraikitra an'i Dimov. Miaraka amin'i Dimov dia voasambotra ihany koa i Vitaly Tsybyrnak, mponina iray hafa ao Chișinău.

Ny 26 jolay 2022, nitondra ilay raharaha fandoroana trano teny amin'ny ” fitsaràna” ny “manampahefana” mpisitraka ao  Transnistria.  Nampangaina ho nanao heloka bevava fandoroana trano  i Alexander Dimov tamin'ny voalohany,  nampihorohoro ny mponina ary efa namorona loza mahafaty. Taty aoriana kely, nosokajiana ho anaty heloka roa lehibe henjana kokoa ilay voampanga – ankasomparana sy fanafihana fampihorohoroana – izay mety hamonjàna an'i Dimov hatramin'ny 30 taona an-tranomaizina.

Ny biraon'ny Fandraisana (sampan-draharaham-panjakana Moldavy misahana ny fifandraisana amin'i Transnistria) dia nandefa fangatahana imbetsaka tany Tiraspol mba hanolotra an'i Alexander Dimov amin'ireo masoivoho Moldavy mpampihatra lalàna. Manamafy ilay lazaina ho Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao amin'ny PMR fa mpiasan'ny sampan-draharaha manokana ao Moldavia ilay mpiandraikitra an'ilay mpandoro trano – Ion Lozan, teraka tamin'ny 1992.

 Manamafy ireo manampahefana  Transnistriana fa ilay “mpiandraikitravoalaza etsy ambony dia naka sary ny tafika Rosiana ary nangataka ihany koa mba hahita miaramila avy amin'ny Vondron-tafika  Rosiana miasa ao Transistria mba hahazoany ireo vaovao ilaina.

Ny 24 May, naneho hevitra tao amin'ny masoivohom-baovao Moldavy Zona de Securitate ny Sampan-draharahan'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fiarovana ao Moldavia mikasika ireo fehin-kevitra noraisin'ireo masoivoho mpampihatra ny lalàna ao Transnistria.

“Raisin'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ao Moldavia ho toy ny fihantsiana nomanin'ireo solontenan'ny rafitra ivelan'ny tafika ao Tiraspol izany. Tsy marina ireo fanambaràna nataon'ireo lazaina ho tomponandraikitry ny faritra ary kisarisary natao hisarihana saina sy hampisehoana ny maha-zava-dehibe azy ireo ao anatin'ny toe-draharaha sarotra ao amin'ny faritra”, hoy ny nambaran'ny solontenan'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ao Moldavia.

Tamin'io andro io ihany, Vadim Krasnoselsky, mpitarika an'i Transnistria, nanosoka hevitra hoe tokony hiaraka amin'ny fanaovana fanadihadiana momba ilay fandoroana trano ny biraon'ny Mpampanoa lalàna ao Moldavia. Nolavin'ny Lehiben'ny Mpampanoa lalàna mpisolo toerana ao Moldavia, Dimitri Robu, izany soso-kevitra izany. Ny 23 Janoary 2023, nohalavain'ilay lazaina fa Fitsarana Tampony ao Transnistria ka nampiany  roa volana fanampiny ny fisamborana an'i Dimov. Ny 18 febroary 2023 izy ni haharay ny “didim-pitsarana” farany.

Nandritra izay fotoana izay, tsy nahazo nanatrika ny fitsarana mihitsy ireo mpanao gazety na ireo ONG mpiaro  zon'olombelona.

Tsara marihana fa, tsy mitovy amin’ireo fanitsakitsahana  zon'olombelona maro hafa mitovy amin'izany tao Transnistria, ny raharaha fisamborana an'i Alexander Dimov sy ny sazy famonjana mety ho tonga hatramin'ny 30 taona dia tsy niteraka fanehoan-kevitra betsaka akory teny anivon'ny vahoaka na tao Transnistria na tany amin'ny faritra Moldavy fehezin'ireo manam-pahefana lanim-bahoaka.

Ny fandoroana birao fandraisana ho miaramila dia nitranga koa nanerana an'i Rosia hatramin'ny Septambra 2022 nanombohan'ny fandraisana miaramila hamelo laharana  ny fananiham-bohitra nataony tao Okraina. Tamin'ny 31 Janoary 2023, sambany nisy famoahana    sazy araka ny lalàna mikasika ny heloka bevava “fanafihana  fampihorohoroana” noho fandoroana ny birao fanoratana ho miaramila. Araka ny filazan'ny BBC-Russia, voampanga ho nandoro ny birao fanoratana anarana ho miaramila tao Nizhnevartovsk (faritany Yugra ao Rosia), i Vladislav Borisenko, voasazy higadra 12 taona tao anatina fitondrana iray hentitra. Tsy misy olona naratra tamin'ity raharaha ity mihitsy koa, ary tsy nisy fahasimbana ilay tranobe. Tamin'ny faran'ny volana Septambra, araka ny tatitra nataon'ny BBC, i Vladimir Tsimlyansky, mpitondra tenin'ny Etamazoro jeneralin'ny Tafika Rosiana, dia nampitandrina fa azo heverina ho sahala amin'ny “asa fampihorohoroana na antso atao amin'ny vahoaka ho amin'ny asa fampihorohoroana” ny karazana heloka bevava tahàka izany.  Raha ny marina, ny raharahan'i Borisenko dia fanaovana “toetrana jiolahimboto” (hooliganisme) no namaritana tany aloha ny raharahan'i Borisenko ary novàna ho “fampihorohoroana” taty aoriana, izay nitarika ireo sazy henjana kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.