- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nompian'ilay mpamonjy voina ny saka iray navotany taorian'ny horohorontany tany Tiorkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Voina

 

Sary avy amin'ny lahatsary antsafa [1] niarahana tamin'ny mpamonjy voina namonjy ary niompy an'i Wreck avy eo.

129 ora no lasa taorian’ny horohorontany nandravarava [2] namely an'i Tiorkia rehefa nisintona olona miisa dimy avy tao anaty tranobe rava iray nirodana tao amin'ny distrikan'i Nurdağı ao Gaziantep i Ali Çakas, mpamonjy voina avy any Mardin, niaraka tamin'ny ekipa mpiara-miasa aminy. Avotry ny ekipa soamantsara ihany koa ny saka miisa roa. Raha naverina tany amin’ny tompony ny saka iray, ny saka faharoa kosa nalain’ny ekipa ary nompiany. I Ali Çakas no nanapa-kevitra tamin’ny farany fa hiverina any Mardin miaraka amin’ilay saka, antsoina hoe “Wreck”. Nanomboka teo, nalaza be tao amin'ny media sosialy ny sarin'izy roa. Manana ny kaontiny Instagram [3] mihitsy aza i Wreck.

Mpamonjy voina tao Mardin nanavotra saka tao amin'ny tranobe rava ary nantsoiny hoe ‘Wreck’. Nanaraka ireo mpamonjy voina teny rehetra teny ilay saka. Miseho amin'ny horonantsary ilay mpamonjy voina nofosana manafosafo am-pitiavana ilay saka amin'ny orona. Niompian’ilay mpamonjy voina ity saka ity.
Ny zavatra tiorka indrindra hatramin'izay?

Raha niresaka tamin'ny iray amin'ireo masoivohom-baovao tao an-toerana, nilaza i Çakas fa [6] rehefa tonga tao Gaziantep ny ekipa ahitana mpikambana 90 ary niasa mba hisintona ireo mbola velona avy ao ambanin'ny trano rava, dia namonjy voronkely telo tao anaty tranony ihany koa izy ireo. Momba ny saka, nilaza i Çakas fa nanaraka azy hatrany i Wreck taorian'ny famonjena. “Noho izany, tsy afaka nandao azy koa aho. Ao an-tranoko izao ilay saka. Miara-matory izahay. Ataon’ny fianakaviako toy ny fianakaviana ilay saka. Hiara-handresy ity ratram-po ity izahay,” hoy ilay [6] mpamonjy voina.

View this post on Instagram

A post shared by AliCakas (@jcaks_1) [7]

 

Hiverina hody any an-trano niaraka tamin'ny sakanay antsoina hoe Wreck

View this post on Instagram

A post shared by AliCakas (@jcaks_1) [8]

Nampietam-po ilay tantara tamin'izay lasa loza iray ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'i Torkia.