- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanorisorenana nanjo ny vehivavy iray mpitsara lalao nandritra ny lalao baolina kitra iray, manasongadina ny fanamby atrehan'ireo vehivavy mpitsara lalao

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Maraoka, Rwanda, Sodàna, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka
Salima Mukansanga, arbitre international de football du Rwanda. Elle est devenue la première femme à arbitrer à la Coupe d'Afrique des Nations et l'une des trois femmes arbitres sélectionnées pour officier à la Coupe du Monde de la FIFA en 2022, capture d'écran vidéo YouTube

Salima Mukansanga, Mpitsara Lalao Baolina kitra Iraisam-pirenena avy any Roandà. Izy no vehivavy voalohany nitsara ny Fiadiana ny Amboaran'i Afrika ary iray tamin'ireo vehivavy mpitsara telo voafantina hiatrika ny fiadiana ny Amboara Erantany an'ny FIFA tamin'ny 2022, Pikantsary avy amin'ny lahatsary youTube [1].

Tranga iray vao haingana mikasika ny fanamparam-pahefana natao tamin'ny vehivavy mpitsara no nampisongadina ny fahasahirànana atrehan'ireo vehivavy ao anatin'ity asa anjakazakan'ny lehilahy ity, na teo aza ireo fivoarana  lehibe tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Tamin'ny 21 Janoary 2023, Salima Mukansanga [2], iray tamin'ireo vehivavy afrikàna mpitsara lalao baolina kitra, no niharan'ny herisetra ara-batana sy am-bava tao Roandà nandritra ny lalao baolina kitra nifanandrinan'i Kiyovu Sport sy Gasogi United. Manan-danja ao Roandà ny lalao baolina kitra ary be mpanaraka ny Ligin'ny Primus Nasionaly [3], izay misy ny roa tonta.

Mukansanga no iray amin'ireo mpisava làlana amin'ny vehivavy mpitsara lalao baolina kitra nitàntana  fifanintsanana ho an'ny lehilahy. Tafiditra anatin'ny tantara izy nandritra ny fiadiana ny Amboara Erantany amin'ny lalao baolina kitra 2022 tao Qatar izy amin'ny maha-vehivavy Afrikana voalohany mpitsara lalao baolina kitra azy.

Tany am-piandohan'ny Janoary 2022, izy no vehivavy voalohany nitsara [4] ny fifaninanana kaontinantaly lehilahy nandritra ny Fiadiana ny Amboaran'i Afrika izay natao tany Kamerona. Ny fitantanana ny lalaon'ny ligy nasionaly eo an-toerana sy iraisam-pirenena dia nahatonga azy ho lasibatry ny mpankafy teo an-toerana, tahaka izay nitranga nandritra ny lalao nifanandrinan'ny Kiyovu Sport sy Gasogi United. Araka ny fampahalalam-baovao, nisy andiana mpankafy ny Kiyovu Sport nihiakiaka [5] im-betsaka, nanaratsy an'i Mukansanga ho “mpivaro-tena”.

Araka ny voalazan'ny Filohan'ny Federasionan'ny Lalao baolina kitra ao Rwanda [6] (FERWAFA), Jules Karangwa, dia tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana mba hiaro azy amin'ny fanafihana ara-batana nataon'ireo mpankafy taorian'ny lalao. Namoaka fanambarana teo amin'ny pejiny tamin'ny tambajotra sosialy ny Federasiona nanamelohany ny fihetsik'ireo mpankafy :

1/3 Melohin'ny FERWAFA ireo fihetsika mifanohitra amin'ny fanatanjahantena nataon'ireo mpankafy ny @SCKiyovuSports [7] nandritra sy taorian'ny lalao nifanaovany tamin'i Gasogi Utd teo amin'ny kianjan'i Bugesera nandritra ny andro faha-16 n'ny @PrimusLeague [8] tamin'ny 20.01.2023, izay nahatsinjovana mpankafy sasantsasany nanevateva ny mpitsara tamin'io lalao voalaza io.

— Rwanda FA (@FERWAFA) 24 janvier 2023 [9]

Nanazava ny zava-bitan'ny mpitsara Afrikana [10] nandritra ny taona vitsivitsy ireny fihetsika ireny. Tato ho ato, ireo Afrikana mpitsara [10] [ fr] – lehilahy sy vehivavy – no nitantana ny lalao tamin'ny ambaratonga ambony indrindra. Nandritra ny Lalao fiadiana ny Amboara Erantany FIFA 2022 tamin'ny volana novambra dia nisy mpitsara enina mpihavy Afrikàna [11]. Nisy koa vehivavy enina mpitsara, anisan'izany Stephanie Frappart [12] [fr] avy ao Frantsa, Yamashita Yoshimi [13] avy ao Japana, Neuza Back [14] avy ao Brezila, Karen Diaz Medina [15] avy ao Meksika ary Kathryn Nesbitt [16] avy ao Etazonia – miaraka amin'i Mukansanga nameno ny faha-enina tamin'ireo ofisialy.

L'arbitre de football féminin turc Dicle Öz. La photo par CeeGee est sous licence CC BY-SA 4.0.

Dicle Öz, vehivavy Tiorka, mpitsara lalao baolina kitra . Nampiasàna lisansa CC BY-SA 4.0 ilay sary an'i CeeGee.

Tsy maningana ny tranga nanjo an'i Mukansanga tamin'ny lalao baolina kitra, lalao iray izay tena anjakana sy tantanin'ireo lehilahy. Ao Amerika Latina, dia mitovy tamin'izany ny trangan-javatra ho an'i Melany Bermejo [17], vehivavy mpitsara iray ao Meksika, izay niteny fa tamin'ny 2016, ny mpankafy ny lalao baolina kitra dia nanao fandranitana tamin'ny fomba maro taminy, anisan'izany ny herisetra ara-batana, ny ompa am-bava sy ny fanadalàna. Mpitsara mpanampy iray, Lixy Enriquez, niteny fa tokony hanao avo roa heny amin'ny ezaka [17] nataon'ireo mpitsara lehilahy ireo mpitsara vehivavy. Tsy maintsy niaretany ny faniratsiran'ireo vehivavy hafa izay niteny taminy mba “hiverina any an-dakozia”.

Tamin'ny 2016, nandrakitra anarana vehivavy mpitsara miisa 720 ny FIFA – 324 mpitsara tompon-toerana ary 396 mpitsara mpanampy – sady amin'ny sisin'ny kianja sy mpitsara mpanampy mijery lahatsary (VAR). Miaraka amin'ireo lalao tao Qatar niteraka ahiahy mikasika ny zon'ny lehilahy sy vehivavy, nitondra hafatra miabo ho an'i FIFA [18] izy hahafahan'ireo vehivavy bebe kokoa hitsara ireo lalao tantanin'ny FIFA, anisan'izany ny fiadiana ny Amboara Erantany, sy ireo fifaninanana kaontinantaly toy ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika, ny Amboara an'i Azia ary ny Copa  Libertadores [19].

Munira Ramadan, Sodaney, vehivavy mpitsara mpisava làlana ao Afrika

Raha manao jery todika ireo tantaran'ny lalao baolina kitra, Munira Ramadan [20], avy ao Sodàna, angamba no mety ho vehivavy voalohany nitsara ny lalao baoliona kitra rehefa avy nitsara ireo lalao tamin'ny ligy Sodaney an'ny lalao baolina kitra teo anelanelan'ny taona 1975 sy 1980. Na izany aza, tsy nankatoavina mihitsy hatramin'izay ny zava-bitany satria tsy mbola nahazo ny marika iraisam-pirenena [21] avy amin'ny FIFA izy.

Ramadan no vehivavy manana ny “voalohany” betsaka indrindra, anisan'izany ny fandraisana anjara tamin'ny fanatanjahantena an-kianjan'ny atletisma, fanipazana  kapila sy ny lomano. Niditra tao amin'ny ekipa nasionaly Sodaney mpilalao baskety ihany koa izy no sady efa mpitsara ihany koa. Izy no nanokatra [22] ny làlana ho an'ireo vehivavy mpitsara tao Afrika sy manerantany. Tamin'ny 2019, mpitsara Sodaney telo mirahavavy no nanoratra ny tantara tamin'ny alalan'ny fitantanana ny lalao iray manasa-dalana tamin'ny Lalao Olaimpika nataon'i Alzeria sy Tchad izay natao tamin'ny Aprily 2019 [21].

Fitsaràna voalohany vehivavy 100% tamin'ny Lalao Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika

Tamin'ny 2022, notendren'ny CAF ho mpikambana anatin'ny tarika mpitsara tsy ahitàna afa-tsy vehivavy i Mukansanga, niaraka tamin'i Carine Atemzabong avy ao Kamerona, sy Fatiha Jermoumi avy ao Maraoka, ary amin'ny VAR, Bouchra Karboubi, avy ao Maraoka ihany koa ho an'ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika [23] izay natao tao Kamerona.

Tamin'ny Novambra 2022, tonga tamina haavo iray vaovao ny fomba fanaon'ny FIFA tamin'ny fanendrena vehivavy [24] hitsara ny lalao lehilahy tao Qatar rehefa sambany voafidy ireo vehivavy mba hitsara ny fiadiana ny Amboara Erantany. Pierluigi Collina [25], lehiben'ny vaomieran'ireo mpitsaran'i FIFA dia nanamarika fa na nomarihan'ny vahoaka aza ny hoe vehivavy izy ireo, dia tena niompana tanteraka tamin'ny maha-ôfisialy amin'ny lalao baolina kitra azy ireo ny nisafidianana an-dry zareo.

Mendri-piderana ny ezaky ny FIFA handray vehivavy ho mpitsara. Ireo ligin'ny baolina kitra eo an-toerana sy isam-paritra, etsy andaniny, dia mahita hatrany fomba handraisana vehivavy mpitsara.