- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny hoavin'ny fanarahamaso faobe ao Serbia?

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge
[1]

Sarin'i Ana Toskić Cvetinović, LL.M. avy amin'ny mpanoratra ary nahazoana alalana.

Nosoratan'i Ana Toskić Cvetinović, tale mpanatanteraka ao amin'ny fikambanana fiarahamonim-pirenena Partners for Democratic Change  Serbia [2], mpikambana ao amin'ny tambajotra Increasing Civic Engagement in the Digital Agenda (ICEDA) [3] ity lahatsoratra ity. Navoakan'ny Global Voiceso indray ny dika nasiam-panovana rehefa nahazoana alalana.

“The modern totalitarian state relies on secrecy for the regime, but high surveillance and disclosure for all other groups. The democratic society relies on publicity as a control over government, and on privacy as a shield for group and individual life.” – Alan Westin, 1967

“Miantehitra amin'ny fikombonana ny fitondran'ny fanjakana tsirefesimandidy maoderina, fa amin'ny fanaraha-maso avo sy  fampahafantarana kosa ho an'ny vondrona hafa rehetra. Miantehitra amin'ny doka amin'ny fanaraha-maso ny governemanta ny fiarahamonina demaokratika, ary amin'ny fiainana antakonana ho toy ny ampinga ho an'ny vondrona sy ny fiainan'ny tsirairay.” – Alan Westin, 1967

Tamin'ny volana Desambra 2022, namoaka volavolan-dalàna momba ny Raharaha Anatiny ny minisiteran'ny raharaha anatiny Serba. Fanindroany izao tao anatin'ny 16 volana no nanoloran'ny Minisitera ity lalàna ity izay hampitombo mazava ny fahefan'ny polisy, hanamafy ny hery politika eo amin'ny polisy [4] sy ny asany, ary hampiditra ny fototra ara-dalàna amin'ny fanaraha-maso biometrika faobe [5] ao Serbia.

Fanindroany [6] tao anatin’ny 16 volana ihany koa izao no nesorina tsy hodinihan'ny mpanao lalàna ny volavolan-dalàna. Na izany aza, tsy toy ny tamin'ny volana Septambra 2021, izay nataon'ny [7]filoha Aleksandar Vucic, izay nanazava fa tsy amin'ny fotoanany ara-politika ity lalàna ity (tamin'izany fotoana izany, niomana ho amin'ny fifidianana nasionaly indray i Serbia), tamin'ity indray mitoraka ity dia ny praiminisitra Ana Brnabic no nanomboka [8] ny fanesorana. Nampanantena izy fa hitohy ao anatin’ny dingan’ny fifampidinihana mampiaty sy iraisan’ny rehetra mpandray anjara voakasika ny asa (andinihana ity) lalàna ity.

Samy narahin'ny fanehoan-kevitra mahery vaika avy amin'ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena Serba sy iraisam-pirenena izay naneho hevitra indrindra momba ireo fepetra mikasika ny fanaraha-maso biometrika faobe ireo ezaka rehetra handraisana ny Lalàna momba ny Raharaha Anatiny. Saingy nanomboka tamin'ny taona 2019 ny tolon-dry zareo, rehefa nanambara ny minisitry ny atitany tamin'izany fotoana izany fa ho rakotra fakantsary fanarahamaso biometrika mifandray amin'ny rindrambaiko famantarana tarehy [9] ny tanànan'i Belgrade, sy ny rafitra mamantatra avy hatrany ny takelaka fiara. Nahazo ity rafitra fanaraha-maso tsy dia voasedra ity avy amin'ny Orinasa Shinoa Huawei [10] i Serbia, tamin'ny alàlan'ny fifanarahana miafina, tsy misy fototra ara-dalàna napetraka mialoha ho amin'ny fampiasana azy, tsy misy famaritana ny filàna sy ny fifandanjan'ny fampiasana an'ity rafitra ity, saingy tsy natao koa ny fanombanana ny fiantraikan'ny fampiasàna teknolojia mitsikilo toy izany eo amin'ny zon'ny olom-pirenena. Raha ny fanadihadian'ny besinimaro, dia nitovy ihany ny valin-tenin'ny governemanta hatramin'izay: efa tafapetraka ny fakantsary, saingy tsy mbola azo ny rindrambaiko famantarana tarehy, ary mampiasa ny teknolojia misy ho toy ny fanaraha-maso an-tsary mahazatra (CCTV) izy ireo.

Efa-taona taty aoriana, hita mibaribary fa tsy nilavo lefona ny minisiteran'ny atitany sy ny governemanta Serba tamin'ny fampiharana ny rafitra fanarahamaso olom-pirenena mitatao toy izany. Tamin’ny volana janoary lasa teo, nokarakarain’ny Praiminisitra Brnabic ny fivoriana, izay namory ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo minisitera voakasika, mba hiady hevitra momba ireo fepetra voatsikera. Na dia tsy mbola voafaritra aza ny fotoana marina hanatanterahana ny paikam-pandinihan-dalàna, dia azo antoka fa (mety ho amin'ny fotoana mety ara-politika) hisy volavolan-dalàna vaovao hipoitra, miezaka manome fototra ara-dalàna ho an'izay noheverin'ny manampahefana eto amintsika nandritra ny taona maro.

Fa inona no tena mahasarika amin'ity rafitra ity ka iezahan'ny manampahefana serba nandritra ny telo taona mahery mba hampahomby azy io, na dia tsy nisy didy navoaka izay hampanara-dalàna ny fametrahana sy ny fampiasana fakan-tsary afaka mamantatra tarehy aza tamin'ny voalohany ?

Raha ny marina, dia mampiasa fanaraha-maso biometrika tsikelikely ny governemanta manerana izao tontolo izao, indrindra indrindra mba hisorohana ny heloka bevava sasany sy hanenjehana ny mpanao azy. Na izany aza, nampiseho ny traikefa fampitahana fa, na dia afaka manampy amin'ny fanafoanana ny heloka bevava sasany aza ity rafitra ity, dia ny heloka bevava madinika no tena voakasika voalohany indrindra. Ho an'ny fikambanan-jiolahy, ohatra, tsy mampihemotra ny fakan-tsary eny amin'ny toerana ankalamanjàna. Ho an'i Serbia, tsy natolotra ny fanadihadiana feno hanehoana ny toetry ny heloka bevava ao Serbia, ny momba ny fandriampahaleman'ny fiaraha-monina misy antsika, ary nahoana ny fanaraha-maso biometrika no tena fitaovana tokony handray anjara amin'ny fiarovana antsika.

Manan-danja indrindra ity farany ity raha jerena ny zava-misy fa nampiseho fiantraikany ratsy maromaro momba ny fanaraha-maso biometrika ny traikefa fampitahana. Ny rafitra mihitsy no mitaky fameperana maharitra ny zon'ny olom-pirenena amin'ny fiainana manokana, saingy lehibe lavitra noho izany ny olana. Niteraka faharesen-dahatra diso ny tranganà tsy fahaiza-mamantatra sy ny fahadisoan'ny rafitra. Matetika mamantatra kokoa ireo mpikambana ao amin'ny vondrona vitsy an'isa ho mampiahiahy ny algoritma, raha  mampiasa ity rafitra ity mba hiatrehana ireo izay tsy mitovy hevitra ara-politika kosa ny manam-pahefana any amin'ny firenena sasany. Farany, nampiseho ny fikarohana fa misy fiantraikany ratsy ny fampiharana ireo teknolojia ireo eny amin'ny sehatra ho an'ny daholobe. Noho ny fahafantarana fa eo ambany fanaraha-maso tsy tapaka izy ireo, dia tsy mahatsiaro malalaka mba hifandray, hihaona,handray anjara amin'ny fivoriana ara-politika, na maneho ny heviny, ny fijeriny sy ny finoany ny olom-pirenena.

Izany rehetra izany amin'izao fotoana izao no lohahevitry ny adihevitra mafàna ao anatin'ny Vondrona Eoropeana, izay mamolavola [11] ny Lalàna momba ny haranitan-tsaina voatrolombelona (AI), ny fitsipika izay tokony hifehy ny fampandrosoana sy ny fampiharana ny AI any amin'ireo firenena mpikambana. Mbola tsy azo antoka izay ho endriky ny dika farany amin'ny Lalàna, saingy nitaky [12]ny fandraràna ny fanarahamaso biometrika faobe ny fiarahamonim-pirenena, ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ary ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana.

Manoloana izany rehetra izany, tsy tokony hamela fanapahan-kevitra koropaka isika amin'ny fampidirana ny fanarahamaso biometrika hatao ao Serbia. Mba tsy hanaovana vahaolana maimaika, tsy mangarahara ary ikoropahana, dia mila ady hevitra manan-danja amin'ny hoe ilaintsika ve ny rafitra toy izany, inona no tiantsika ho tratrarina ary farany, na isika, amin'ny maha-vondronolona, vonona ny hamoy maharitra ny ampahany amin'ny fahalalahantsika ve.