Manainga anao ny lahakiran'ny Karnavalin'i Trinidad & Tobago 2023, avy eo mampangatsiatsiaka anao

Ny artista Soca Kes nanao fampisehoana tao amin'ny tobin-Tafika U.S any Miami, Florida ny 17 martsa 2017. Sary avy amin'ny US Army Garrison – Miami ao amin'ny Flickr (CC BY-NC 2.0)

Manohy avy amin'ny ampahany voalohany [mg] tamin'ny lahakiran'ny karnavalin'i Trinidad sy Tobago 2023, ireo hira izay ahitana ny tsongan-kira super soca dia ny fangaron-kiran'ireo mpifaninana amin'ny Road March sy ireo gadona maka aina kokoa. Na ianao tototry ny hery, na “mitsambikina” eny an-dalana amin'ny paika miadam-pandeha, dia misy ireo zavatra ho an'ny mpandray anjara rehetra amin'ny hazakazaka lavitr'ezaky ny Karnavaly mandritra ny roa andro.

“Ny Ambush” avy amin'i Lyrikal, i Lil Natty ary i Thunda

Hiakan'ady izany; antsam-piraisankina izay miantso ireo mpirentirenty rehetra mba haka ny lalana amin'ny anaran'ny lanonam-pilibana rehetra. Maka ny kely indrindra sy voafehy ny tononkira, mitovy amin'ny fanomanana ny andia-tafika, mampahafantatra azy ireo ny fanafihana mananontanona. Amin'ny fotoana hihiràn'ny feo lafika amin'ny hiakan'ny “Mandrosoa (Forward)!”, dia vonona ianao hanao izay rehetra ilaina hiady tsy misy henatra ho an'ny zonao hifaly havanja. Mirakitra tsara indrindra ilay fotoana mahagaga haneren'ny mpirentirenty ny mpitandro ny filaminana eo amin'ny vavahadin-tsehatry ny Queen's Park Savannah ny hira, ary avy eo, rehefa navela hiampita ny tsipika, dia nipoaka hafaliana sy hadalana ary manatanteraka ny faniriana amin'ny farany. Tsy misy toa izany eto amin'izao tontolo izao, ary mirakitra tsara ny zava-niainana ny “The Ambush”.

“Long Live Soca” avy amin'ny Voice

Miainga amin'ny fivelivelesam-piomanana fanaon'ireo orkesitra vy hanomboka hitendry ity hira ity. Raha vantany vao velona ireo ampahan'ny vy sy ny gadona (fantatra ho Engine Room [Efitry ny Milina] amin'ireo tarika bekipantsona) dia maka toerana ny gadona manafaingana sy ny angovon-kira, tohanan'ny feon'ny Lord Kitchener-esque an'i Voice sy ny feon-kira mahasarika. Maka endrika efa iainana mahazatra amin'ny Karnavaly toa vaovao sy mangilohilo anefa ny feo tsy-manam-paharoa an'i Voice, ka mahatonga anao ho voasinton'ny herin'ny mozika soca.

“The Spirit” nataon'i Machel Montano

Miresaka voasintona ihany, miantso hatrany ny fomban'ny karnavaly, ary mamaly amim-pamirapiratana ity hira ity. Lavitry ny haranitan-tsain'ny tononkira naseho ho toy ny resaka WhatsApp, manana traika mampandraikiraiky, mampahatsiahy ny antson'i Kalinda sy ny famalin'ny fomban-drazana, ny fampifanindriana ny akon'ny “The Spirit” malefaka ahenoana ny feo maranitr'i Montano. Ahitana singampampianarana (“Start to jump around (Manomboha mitsambikina)!”) izay manana toerana tiana amin'ny mozika soca ihany koa ilay hira — misy zavatra manokana momba ireo mpirentirenty an'arivony manao karazan'hetsika mirindra iarahana, ho setrin'ny komandin-kira. Tafiditra ao anatin'ny toe-tsaina karnavaly daholo izany! Fanampin-kira: Tsara toerana ny hiran'olondroa nataon'i Montano miaraka amin'i Patrice Roberts, “Like Yuh Self” – hiran-danonana misalotra ny fahalalahana izay fanomezan'ny Karnavaly “hanafaka” – hifaninana amin'ny Road March.

“Engine Room” nataon'i Olatunji

Raha nosoratana tamin'ny fiandohana sy ny fivoaran'ny kipantsona ny tononkira iray, dia azo antoka fa mahafeno fepetra izany: “Rehefa mandre ny gadona sy ny vy ary ny olona miaraka amin'ny ampongabe ianao, hovitrovitra ao anaty fotoana rehefa mitsambimbikina amin'ny [gadon'ny] kipantsona. , amin'ny fomba tsy azo ovaina, dia manome leson-tantara bitika, anaty fomba tsy hay alain-tahaka, voarafitra amim-paharanitan-tsaina anaty feon-kira miteny zara raha tsapa fa mampianatra anao ny fiavianao i Olatunji. Ny Engine Room , araka ny efa nomarihana etsy ambony, no fanorenana ny orkesitra vy, manome ny gadona izay iorenan'ny zavatra hafa rehetra. Ny zavatra lazain'ity hira ity, tsy an-karihary, dia hoe rehefa misitraka ny fitahian'ny Karnavaly isika dia samy mijoro eo an-tsoroky ny razana izay niady mafy hahazo ny tombondahiny manokana.

“Mood” nataon'i Shaggy sy Kes

Ataovy sary izao: Karnavaly ny talata; anatin'ny fankalazana feno. Efa tafampita ny sehatra mankany amin'ny angovo-avo, RPM avo ianao. Ao amin'ny faritra ianao, ary ny fifangaroan'ny alikaola sy ny mozika dia mahatonga anao hahatsiaro ho mamy, ho tiana …“amin'ny toe-po.” Mariho ity hira ity. Fiaraha-miasa eo amin'ny kintan'ny reggae Jamaikana Shaggy sy ilay mpanakanto soca Trinbagoniana Kes, mahasambatsambatra ery mandrakitra ny ambiansy izay iray amin'ireo endrika mahafinaritra indrindra amin'ny fetibe. Kanto ny zava-drehetra; mety amin'ny tontolo daholo ny zava-drehetra — na izany aza, karnavaly anie izao e!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.