- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky ny zony ety anaty tambajotra ry zareo Togoley

Sokajy: Togo, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Tontolo_iainana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Pikantsary avy amin'ny  fantsona YouTube an'ny France 24  [1]sampana teny anglisy

Manerana ny tany, na tanora na olondehibe dia tsy  misalasala manandratra ny feony hiampanga ireo fitantànana ts mahomby amin'ny sehatra rhetra, ary mitaky  mandritra izay fotoana izay ihany ny fahasambarana ho an'ny vahoaka eny anatin'ny vondrom-piarahamonina, manerana ny firenena, isam-paritra, ary manerana ny kaontinanta mihitsy aza. Ao Tôgô, toy ny any an-kafa ihany koa, mampaka-peo ihany koa ireo mpikatroka marobe.

Fiarovana ny zon'olombelona, ny zon'ny vehivavy sy ny feminisma, fampiroboroboana ny tany tàn-dalàna sy ny  fitantanana demaokratika, fiarovana ny tontolo iainana ary ady amin'ny fiovàn'ny toetrandro: ireny sehatra rehetra ireny no naverin'ireo tanora Togoley noraisina, izay manao ny asa fikatrohana ho toy ny soavaly enti-miady. Atokan-dry zareo ny angovony ho amin'ireny tolona ireny satria resy lahatra izy ireo ny amin'ny hahaterahan'ny fiovàna avy amin'ny alàlan'ny hetsika ataon-dry zareo.

Ny tontolo iainana sy ny fiovàn'ny toetrandro

Tsy afa-bela tamin'ireo fiantraikan'ny [2] fihasimbàn'ny tontolo iainana sy nyfiovàn'ny toetrandro i Tôgô, indrindra fa naterak’ [3]ireo famokarana angovo, fandripahana ala, ary ny fandefasana ireo entona marobe mampitombo hafanàna. Takian'ny vahoaka ny hisian'ny firotsahana an-tsehatra bebe kokoa, ny fandraisana andraikitra sy fandaharanasa avy amin'ireo manampahefana ara-panjakana, na izany na tsy izany anefa, zavadehibe tokoa ny fandraisana anjaran'ireo vondrom-piarahamonina noho izy ireo tena ilay sosona voakasika be amin'ny vokadratsin'ireny loza voajanahary ireny.

Kevin Ossah, [4]mpikatroka amin'ny resaka toetrandro sady talen'ny ONG OJEDD International, [5] dia iray amin'ireny tanora ireny izay mahaonga ny zavatra rehetra handroso eny anatin'ireo vondrom-piarahamonina, eny fa na dia ireo any amin'ny toerana lavitra indrindra ao amin'ny firenena aza. Noho ny fikatrohany ara-politika dia nataony nanakoako ny anaran'i Togo sy Afrika nandritra ireo fivoriam-be sy fihaonambe iraisam-pirenena mikasika ny tontolo iainana sy ny fiovan'ny toetrandro [6]. Namporisihiny ireo tanora marobe handray anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana [7] ary nitondra fiovan'ny toe-tsaina teo amin'ireo vahoaka Togoley sasany izany. Nahomby ihany koa ny fampijoroany ny fikambanana OJEDD Iraisam-pirenena tany amin’ireo firenena 16 [8] maneran-tany. Ity Fikambanana ity no mpitondra ny feon'ireo tanora Afrikana [9] tamin'ny fihaonambe “Youth4Climate : Driving Ambition [10]”, natao tamin'ny 28 hatramin'ny 30 Septambra 2021 tao Milan tao Italia.

Anarana lehibe iray hafa amin'ny fikatrohana Togoley i Nadège Abidé Boumogue [11] izay misongadina amin'ny tolona ho an'ny toetrandro sy ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin'ny faritra misy azy sy eo amin'ny sehatra nasionaly. Ny fanoloran-tenany no nahatonga azy ho voafidy sy nandray anjara [12] tamin'ny CoP 27 [13] natao tamin'ny 6 hatramin'ny 18 Novambra 2022 tany Sharm El-Sheik any Ejipta.

Nafàna be ny andron'ny 9 Novambra nandritra ny @COP27P [14]
Nandray anjara tamin'ny #fresqueDuClimat [15] aho tamin'ny fotoam-pivoriana mikasika ny miralenta ary ny toetrandro, sy tamin'ny atrikasa mahafinaritra mikasika ny fiaraha-miasa avaratra-atsimo tao amin'ny tranohevan'i #CANADA [16] pic.twitter.com/Zi46LrKrIm [17]

— Nadège A. Boumogue (@NadegeBoumogue)  Novambra 2022

Mpanao gazety roa miresaka ny tontolo iainana i Edem Dadzie [19] sy Hector Namangue [20] izay mikatrika ihany koa amin'ny resaka toetrandro. Ny voalohany dia tomponandraikitra amin'ny tranonkala www.lepapyrus.info [21], haino aman-jery milaza vaovao ankapobeny  izay manome toerana manan-danja ny vaovao momba ny tontolo iainana, sady talen'ny fikambanana Afrique Eco 2100 [22] izay mampiroborobo ny Afrika Ekôlôjika. Ny faharoa kosa indray dia talen'ny tranonkala misahana ny tontolo iainana www.vert-togo.tg [23]. Nandray anjara tamin'ny Cop 27 ihany koa izy mba hizara ny traikefany amin'ny maha mpikatroka azy :

Tao amin'ny #COP27 [24] dia voninahitra ho ahy ny nanao adihevitra iray mombany hiarahana miasa tamin'i @JamesFahn [25]
Mpanao gazety #TontoloIainana [26] sady Filoha mpanatanteraka ao amin'ny #Earth [27] #Journalism [28] #Network [29] an'ny #Internews [30], vondrom-piarahamonina iray maneran-tany misy #mpanaongazety [31] maherin'ny 5 000 izay mandrakotra ny lohahevitra #tontoloiainana [32] pic.twitter.com/jBeaqFSBj0 [33]

— NAMMANGUE Hector (@NammangueHector)  Novambra 2022

 Tanora mpikatroka ho an'ny zon'ny Vehivavy sy ny feminisma 

Mihabetsaka ireo vehivavy mandray anjara amin'ny fiarovana ny tombontsoany. Manahy mikasika ny fiheverana sy fitsaboanfomba fitondra [35] atokana ho an'ny vehivavy, iray amin'ireo mpisava lalana amin'ny ady feminista ao Togo i Elsa M’Bena Ba [36]. Miaraka amin'i Reyhanath Toure Mamadou [37], Floriane Klinklin Acouetey [38] ary ireo tovovavy hafa, napetrak'izy ireo ny fototry ny hetsika iray izay mampivondrona ireo tovovavy hafa niharan'ny fanararaotana sy ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy (VBG).

Sharon Mukwawaya [39], dia olo-malaza iray hafa amin'ireo tanora mpiaro ny zon'ny vehivavy ao Togo. Izy sy ireo vehivavy voatonona tetsy ambony no mpanorina ihany koa ny vondrom-piarahamonina Les Négresses Féministes [40] ao Togo. Voninahitra mendrika atolotra azy ireo ny nikarakarana zaikabe roa feminista teo anivon'ny sehatra nasionaly sy isam-paritra [35].

Fanokafana amin'ity maraina ity ao Lomé ny zaikabe faharoa an'ireo feminista ao Togo nokarakarain'ny Négresses féministes sy ny @MenengageTogo [41] miaraka amin'ny fanohanan'ny @awdf01 [42] . Ny lohahevitra amin'io andiany io dia ny hoe “Ny fiadanana ara-tsain'ireo feminista” pic.twitter.com/sGHGInZTXM [43]

 Fikatrohana ara-politika manelingelina

Fovi Katakou [45], Foly Satchivi [46], Jean-Paul Oumolou [47], Farida Nabourema [48] dia samy mpikatroka ara-politika manolo-tena hisian'ny fitondrana tsara tantana sy ny demokrasia ao Togo. Ny hisaintsaina fiainana mahafa-po sy malalaka ho an'ny mpiray tanindrazana aminy no tanjon'izy ireo. Nahatonga azy ireo hiditra tany am-ponja izany fanoloran-tenany izany. Navotsotra anefa i Fovi Katakou [49] sy Folly Satchivi [50] taorian'ny fanentanana [51] sy fiantsoana [52] ny famoahana [53] azy ireo avy amin'ilay ONG teo amin'ny sehatra nasionaly, isam-paritra ary iraisam-pirenena [54].

Na nisy sy marobe aza ireo antso natao dia mbola tavela any am-ponja hatrany i Jean-Paul Oumolou. Voampanga izy ho namporisika ny polisy, tamin'ny alalan’ireo lahatsary [55], ho amin'ny fikomiana manohitra ny fitondran'i Faure Gnassingbé [56], filoham-pirenena Togoley hatramin'ny taona 2005.  

Vehivavy mpanohitra [57] sady mpikatroka nanohitra ny fitondran'i Faure Gnassingbé i Farida Nabourema [58]. Izy no mpanorina ny hetsika « Faure Must Go [59] » (Tsy Maintsy Miala ibFaure) , niantso ny fanoherana sivily [60] ho tombontsoan'ny demokrasia ao Togo. Mponina tany Etazonia hatramin'ny faha-18 taonany, ary manohy miady amin'ny alalan’ireo famoahany sy ny fanambaràny [48] ho an'ny fiafaran'ny fotoana lavabe nitondran'i Gnassingbé.

Miangavy anareo, tongava manatrika ny fiovàna ao #Togo. Tapa-kevitra izahay ny handrodana am-pilaminana ny fitondrana miaramila tranainy indrindra ao #Afrika. Ampio izahay handresy amin'ny tolonay amin'ny alalan'ny fizaràna ny lahatsarin'ny fihetsiketsehana anio. Ampy ny jadona 50 taona. #Fauremustgo #Togodebout

Ao Afrika, tsy lanin'ny vavonin'ny governemanta ny fikatrohana izay manome tombony ny hetsika mivantana satria matetika dia mifanohitra amin'ny tombontsoa ara-toekarena sy ara-politika-dry zareo izany. Tsy maningana amin'izany i Togo.