Fifaninanana maka sary Panorama amin'ny fampiasàna iPhone ao Trinidad & Tobago

Ny sehatra tao amin'ny Queen's Park Savannah ao  amin'ny Seranan'i Espaina, Trinidad, avy any amin'ny tendrony farany Andrefana. Sary nalain'i Janine Mendes-Franco tamin'ny 5 Febroary 2023, fampiasàna nahazoana alalana.

Iray amin'ireo fomban-drazana ankafizina indrindra amin'ny Fetibe ao Trinida-et-Tobago ny fifaninanana vely barika Panorama, izay ahitana tarika maro avy amin'ny firenena mifaninana hahazo ny anaram-boninahitra ho ny tsara indrindra amin'ny gadona isankarazany arakaraky ny haben'ny orkesitra. Misy ihany koa ny fifaninanana Junior Panorama ho an'ny mozisiàna  tanora. Manamarika ny jobily diamondra ity taona ity ho an'ny fifaninanana Panorama nanomboka hatramin'ny nitokanana azy tamin'ny taona 1963 ary, noho ny roa taona fiatoana tamin'ny Fetin'ny Karnavaly noho ny valanaretina COVID-19 dia noraisina tamim-piandrandràna zavatra  betsaka ilay hetsika.

Raha toa ny dingana santatra mialohan'ny fifaninanana manomboka ao anatin'ny asa ihaonan'ireo tarika samihafa sy hifanazaran'izy ireo ao anatin'ny vondrom-piarahamonina misy azy, ny manasa-dalana, hatreto dia ny fifaninanana malaza indrindra, dia atao ao amin'ny Queen's Park Savannah ao amin'ny Seranan'i Espaina. Fantatra amin'ny anarana hoe “Carnival Mecca,” afaka manatrika an'ireo fampisehoana avy ao amin'ny Grand Stand ireo mpankafy vely kaseroly vy – izay misy ireo mpitsara, ireo media sy ireo mpankafy ny kaseroly vy tena “matotra” indrindra – na ny North Stand izay mahasarika mpilanona betsaka indrindra.

Ny Alahady 5 Febroary, nihodina teo anelanelan'ireo habaka roa ireo aho saingy nandany fotoana ihany koa tamin'ny “The Drag,” ilay faritra mitondra mankany amin'ny sehatra lehibe ilaharan'ireo tarika arakaraka ny fipoirany sy anaovan-dry zareo fampiharana. Matetika dia manampy foana amin'ny fanosehana ny fitaovan-dry zareo ireo mpanohana, dianireo zavamaneno mipetaka amina kalesy misy kodiarana sy tafo, ho eny amin'ny lampihazo izay hiadian'ireo tarika laharana amin'ny famaranana ny loka mendrika indrindra amin'ny mozika fivelesana barika.

Satria naniry ny hivezivezy maivana aho dia tapaka ny hevitro fa ny smartphone-ko dia tokony ho ampy hakàna sary. Manome fijery avy eny an-kianja ny fampisehoana Panorama 2023 ny vokatra azo.

Antontana barika ho an'ny Sforzata, iray amin'ireo tarika salantsalany, mipetraka eo amin'ny ilainy antsinanan'ny  Queen's Park Savannah ao amin'ny Seranan'i Espaina, Trinidad, ny Alahady 5 Febroary 2023 . Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Voromailala mandeha irery mamakibaky ny bozaka, mitady ambin-tsakafo sisa navelan'ny olona. Nanodidina ny tamin'ny 11ora maraina no nakàna ity sary ity, ora eo an-toerana, ary voalajatra hanomboka amin'ny 01:00 tolakandro ny hetsika. Nilamina i Savannah, saingy manondro ny fangitangitahana ho avy ny fitsofan'ny rivotra mangatsiaka an'ireo girlandy mitampisaka amin'ny tafon'ilay antonana barika vy an'i Sforzata.

Famoahana an'ireo barika vy. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Kamiao lehibe mpitatitra entana no mitatitra ireo zavamaneno ho an'ireo orkesitra vy mpifaninana avy manerana ny faritra rehetra ao amin'ny firenena. Tamin'ity taona ity dia avy any Tobago, ilay kely indrindra amin'ireo Nosy roa, ny iray tonga tamin'ny manasa-dalana. Mety ho lafo be ny saran'ny fitaterana ary mbola vao ny iray monja amin'ireo fandaniana tsy maintsy aloan'ny mpifaninanana mba hahafahany ho tonga amin'io sehatra io, fandaniana izay ampian'ireo orinasa mpanohana amin'ny ankapobeny.

Fanamafisampeo tao amin'ny Grand Stand. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Ny ankamaroan'ireo mpanjifa dia tsy niraharaha loatra ity fanamafisampeo tao amin'ny Grand Stand izay nandindona nanakona ny lanitra manga, saingy raha tsy nisy azy ry zareo dia tsy ho afaka naheno sy nankafy ireo karazana barika vy tonga niaraka nitambatra mba hanome izay feon'orkestra izay. Zavamaneno fanamafisam-peo “acoustic” ny barika vy ary tsy maintsy apetraka eny ambony lampihazo ny mikrô mba hanamafisana ny feon'ny mozika ho an'ireo vahoaka marobe.

Efa vonona. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Taitran'ny fifangaroan'ireo loko eo amin'ity sary ity aho, rehefa injay ny mpikambana iray avy amin'ilay tarika iray salantsalany niomana hanampy hanosika ireo barika ho eo ambony sehatra ho amin'ny fampisehoany an-tsehatra.

Mpivarotra voanjo tao amin'ny Panorama. Sary an'i, Janine Mendes-Franco, fampiy nahazoana alalana ; sary lafika avy ao amin'ny Canva Pro.

Tsy feno ny fifaninanana amin'ny Panorama raha tsy misy an'ireo mpivaro-boanjo. Ny fahafahan'izy ireo mivezivezy  no ahafahan'izy ireo miditra eny amin'ny toeram-pivarotana, izay manampy azy ireo hifaninana amin'ny karazan-tsakafo maro midadasika misy ao. Manana ny  marika famantarana azy ny ankamaroan'izy ireny, izay hiakiahan-dry zareo rehefa mandeha izy ireo, mba hanampy amin'ny fanavahana ny vokatra arosony.

Mandroso mankeny ambony sehatra ny Siparia Deltones. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana

Mpikambana amin'ny tarika Siparia Deltones, tarika iray salantsalany monina ao Atsimo,  manosika ny zavamanenony ho ao amin'ny “The Drag” satria manakiaky ny anjarany hilalao. Tiako ilay fomba fiaingan'ny rehetra, manomboka amin'ny mpikambana amin'ny tarika ka hatramin'ireo mpijery, samy mandray anjara manampy amin'ny fitondrana ireo zavamaneno.

Vehivavy faneva. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Ireo vehivavy faneva, izay nomen'ilay olomalazan'ny kalipso, Lord Kitchener, voninahitra ao anatin’ity hira klasika ity, dia iray hafa tsy azo ihodivirana amin'ny Panorama. Fara-fahakeliny ny tarika tsirairay avy dia manana vehivavy faneva iray mandihy – sady manofahofa saina amim-pahakingana sy fahafehezana – mandritra ny filalaovan'ny tarika, manampy amin'ny fanomezana  fanahin'ny Karnavaly ho an'ny mpanatrika. Fomban-drazana iray mitaky fahatokiana sy ny hakingana, voninahitra iray lehibe ny andraikitry ny vehivavy faneva. Azo sary eny an-tsehatra ireo vehivavy faneva amin'ny ankapobeny, saingy mahafaly ahy ny manana ity iray ity voapika tao amin'ny “The Drag” rehefa nanao ny fihetsiny tam-pifaliana izy, tsy nahalala akory hoe  nisy nijery.

Ny endrika nentim-paharazana ao Trinité-sy-Tobago, i Dame Lorraine,  miankanjo mena, manavatsava ny Drag tamin'ny 5 Febroary 2023. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Endrika nentin-drazana ankafizina amin'ny Karnavaly nentin-drazana ao Trinité-sy-Tobago, i Dame Lorraine, miavaka  manokana amin'ny vodiny mihoam-pampana, izay adoladolany etsy sy eroa rehefa mandihy na mandehandeha (tahaka izay hita eto arahan'ny tompom-bady). Ilay endrika dia novolavolaina ho toy ny fakàna tàhaka an'ireo mpanjanaka tamin'ny taonjato faha-18 sy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19, izay nitafy akanjo fianjaikan'ny aristokrasia Frantsay mandritra ny dihy raitra fanaon-dry zareo rehefa Alahadin'ny Karnavaly. Taloha, ireo lehilahy no nitafy ny fianjaikan'i Dame Lorraine, saingy ny fanavaozana maoderina no nitondra ho amin'ny tena vehivavy no milalao ny toeran'ilay endrika. Rehefa nandalo teo  amiko nosakambinin'ilay lehilahiny ity Dame Lorraine ity, dia nanana tombony aho nandre ny fanehoankevitr'iretsy olona telo etsy ambadika, izay voasarika tamin'ny fiangolangolany sy ny fombany, ary tsy tara tamin'ny fakana sary manokana teo amin'ny smartphone tamin'io fotoana io.

Nandritra izany fotoana izany, feno olona avokoa ny sehatra sy ny “The Drag” – manomboka hatramin'ny ankizy ka hatramin'ireo zokiolona – izay samy tonga daholo hihaino ilay zavamaneno nasionalin-dry zareo.

Ny fijerena ny sehatra sy ny tapany ambony amin'ny The Drag nalaina avy eny amin'ny tilikambon'ny Queen's Park Savannah tamin'ny 5 Febroary 2023. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Betsaka ny vahoaka, fa araka ny fahitako azy, mahay mitondra tena tsara izy ireo, na dia imbetsaka niantso ny amin'ny hanalalahana ny làlana tery amin'ny North Stand aza ny mpanentana. Tsikaritro ho toy ny somary tsy rariny izany ny fifanindrian'ity sarina polisy mpandrava korontana ity mijery ny tarika miomana ho amin'ny fampisehoana ataony.

.Tarika eo ambony sehatra eo ambany mason'ireo polisy manao fanamiana  mpandrava korontana, manasa-dalan'ny Panorama . Queen's Park Savannah, Seranan'i Espaina, 5 Febroary 2023. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Tamin'ny fotoana izay nirotsahan'ny alina sy niakaran'ireo tarika lehibe teo an-tsehatra dia nafàna toy ny nisy herinaratra ny ambiansy. Tiako ity tifitra sary misokatra maharitra nakàna sary ny antontan'entan'ny mpively barika ity, natosika ho eo an-dapihazo nandritra ny fiantsoan'ny tomponandraikitra azy ireo mba handroso, toy ny hoe mihazakazaka mankany amin'ny lahatra iraisany ilay tarika.

Mpilalao manosika ny Antontana barikany ho eny an-tsehatr'i Queen's Park Savannah nandritra ny Manasa-dalan'ny Fifaninanana Panorama, 5 Febroary 2023. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Miaraka amin'ny vatoaratry ny  findaiko efa nadiva ho lany,  tsy lazaina intsony ny jirony efa malefaka, ny sary farany nalaiko tamin'ny alina dia ity an'ny fampisehoana nataon'ny tarika Starlift nanao ny “Witch Doctor” an'ny The Mighty Sparrow ity. Ireo mpandeha eo ambony tongotra hazo avy amin'ny tarika moko jumbie Moko Somõkõw nandihy nandritra ny fampisehoan'ny tarika mpively barikan-dry zareo, nipoitra avy amina  tontolo iray hafa rehefa avy nitatao tamin'ireo mpilalao teo amin'ny lanitra volory ry zareo.

Ny tarika Starlift nilalao ny hira “Witch Doctor” an'ny The Mighty Sparrow, sady narahan'ireo andiana “moko jumbies” teo ambony sehatra. Sary an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alalana.

Mpisehatra iray nentim-paharazana tena ankafizina ihany koa amin'ny Karnavaly ny moko jumbies harken mampatsiahy ny fomban-drazan'ny Afrikana Tandrefana, izay anolezan-kasina an-dry zareo ireo ho toy ny Andriamanitra mitahy ny tanànany, mandroaka ny tahotra sy ny faharatsiana izahay mora aminy ny mahita azy avy any amin'ny toerana avo misy an-dry zareo. Mampatsiahy antsika ny fisian'izy ireo ao amin'ny Karnavaly ao Trinité-sy-Tobago hoe tena mifàka lalina tokoa ny toetra masina sy ny mahafanao azy amin'ny fomban-drazanay manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.