- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanolorana Loka “Félix Houphouët-Boigny” ho an'i Angela Merkel, hisy fiantraikany amin'ny dingana fampihavanam-pirenena ao Côte d’Ivoire ve?

Sokajy: Alemaina, Cote d'Ivoire, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Pikantsary avy ao amin'ny fantsona YouTube an'ny NCI news [1].

Endrika telo goavan'ny tontolo pôlitika ivoariàna no afaka nihaona nandritra ny fitsidihan'ilay “chancelière” alemà taloha, Angela Merkel, tao  Côte d'Ivoire tamin'ny fandraisan ny loka “Félix Houphouet-Boigny/UNESCO” : Alassane Ouattara [2], filohan'i Côte d'Ivoire hatramin'ny 2010; Henri Konan Bédié [3], filohan'ny  Pari Démocratique de Côte d'Ivoire – Rassemblement démocratique africain [4] (PDCI-RDA), antoko mpanohitra ary efa filoha fahiny  tamin'ny  hatramin'ny ary Laurent Gbagbo [5], filohan'ny antoko mpanohitra Parti des peuples africains – Côte d'Ivoire [6] (PPA-CI) efa filoha fahiny ihany koa ny 2000 hatramin'ny 2010, nefa mbola ady sy tolona ny an'i Côte d'Ivoire ny fiarenany taorian'ny krizy pôlitika,ara-poko sy ara-tafika efa nitarazoka ela. [7]

Ny 8 Febroary 2023 i Merkel [8] no nandray tao Abidjan, ny loka Félix Houphouët-Boigny/UNESCO 2022 [9] natao ho an'ny fikatsahana fandriampahalelana. Ity loka napetraka nanomboka tamin'ny 1989 ity dia natao ho : [9]

« fanomezana voninahitra ireo olona mbola velona, andrimpanjakana na sampandraharaham-panjakana sy tsy miankina mbola am-perinasa mandray anjara mavitrika amin'ny fampiroboroboana, fikatsahana, fiarovana na fikajiana ny fandriampahalemana, ao anatin'ny fanajana ny Satzn'ny Firenena Mikambana sy ny fepetra nanorenana ny UNESCO. »

Tany aloha ny loka Félix Houphouët-Boigny- UNESCO dia efa nankasitrahana an'i Nelson Mandela [10], Yasser Arafat [11], Yitzhak Rabin [12], Lula da Silva [13] ary François Hollande. [14] Efa in’efatra ambinifolo voatendry ho vehivavy matanjaka indrindra eto amin'izao tontolo izao, [15] fanendrena nataon'ny gazetiboky Forbes tamin'ny 2006 hatramin'ny 2020 ity  “chancelière” alemà teo aloha ity, afa-tsy tamin'ny 2010. Nandritra ny 16 taona nitondràny an'i Alemaina, dia toy ny iray amin'ireo mpanao pôlitika notoavin-teny [8] tao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeana izy.

Androany, noho ireo ezaka fikatsahana fandriampahalemana vitany nanerana ny tany, indrindra fa noho ilay fanapahankeviny tamin'ny 2015 handray ao Alemaina ireo mpitsoaponenana niisa 1 tapitris mahery [16] avy any Siria, Iràka, Afghanistan ary Érythrée.

Ny ady an-trano tao Siria [17] izay nanomboka tamin'ny Martsa 2011 Dia nanery Siriàna an-tapitrisa maro hiaina an-tsesitany, betsaka tamin'ireny no noraisina tany Alemaina. Tamin'ny alàlan'io fihetsika io izay saika novidiany lafo teo amin'ny sehatra pôlitika [18], noporofoin'i Merkel ny fifikirany amin'ireo soatoavina maha-olombelona. Araka io, ny fankatoavana ilay loka avy amin'ny UNESCO Dia fanampin'ilay loka Nansen [19] avy amin'ny Kaomisarià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoaponenana ef azony tamin'ny Oktôbra 2022 noho io antony Io ihany. Tao anaty aontsara iray nataony ho an'ny VOA Afrique [20], nohitrikitrihan'i Merkel fa ireo zo maha-olona dia fotokevitra tsy maintsy ijoroana :

“Ny manaja, mitahiry, mizara ireo zo maha-olona, izany no iraka tontosaintsika tsirairay avy. Nanapaka hevitra izahay fa nilaina ny manaja ireny fotokevitra ireny ao anatin'ny pôlitikanay momba ny fifindra-monina. Tsy tontosa izany raha tsy marobe ireo olona nidina teny an-kianja namoritra tanan'akanjo.”

Ao anatin'io lahatsoratra io ihany, Audrey Azoulay, tale jeneralin'ny Unesco, no mijoro ho vavolombelon'ny herimpo pôlitikan'i Merkel: .

“Tian'ny mpitsara hasongadina ny fanapahankevitra feno fahasahiana noraisiny tamin'ny 2015 handray mpitsoaponenana iray tapitrisa, raha tamin'izany fotoana izany indrindra no nisy feo nisonga nitaky ny hanakatonana an'i Eorôpa. Ianao tamin'izany fotoana izany no endrika ny fahasahiana pôlitika”,  hoy ny nambaran'i Audrey Azoulay, tale jeneralin'ny Unesco, tao amin'ny Voa Afrique [20] nandritra ny fanolorana ilay loka.

Henri Konan Bédié [3], mpandimby an'i  Félix Houphouët-Boigny [21], filoha voalohany tao amin'ny Repoblika Ivoariàna no sady Mpiaro ilay loka, no milaza kosa ireo hatsaràna manokan'i Merkel tao anatin'ny fanovàna ny tontolo, ao anaty lahatsoratra iray an'ny Anadolou Agency [22]:

” Mpandova mendrika an'i Félix Houphouët Boigny ianao ao anatin'ireo asa goavana be nataonao hananganana fandriampahalemana ho tombontsoan'ireo mangirifiry ; ianao no mpandova miavaka an'ireo lehilahy sy vehivavy mahery fo izay, manerana izao tontolo izao, tsy nitazam-potsiny ny fijalian'ny hafa, nanaja ny fahalalahany sy ny fahamendrehany.”

Araka ny lazain'ny Anadolou Agency [22], i Alassane Ouattara [2], filoha am-perinasa ao Côte d’Ivoire, dia nidera ny fitiavana ny mpiarabelona sy ny « lesona goavana momba ny maha-olona » nomen'i Merkel ao anaty tontolo iray izay miha-anjakan'ny fofompofona fanavahan-tena. Nampiany tao anaty bitsika iray fa nampahatsiahivin'i Merkel an'ireo mpitarika erantany ny andraikitr'izy ireny hiray hina amin'ny olombelona rehetra, na inona na inona finoana sy foko niaviany, na avy aiza izy na avy aiza.

Ny fiarahabako mitafotafo ho an-Rtoa Angela Merkel,  Chancelière teo aloha tao Alemaina, nahazo ny loka sarobidy  Félix Houphouët-Boigny natokana ho an'ny Fikatsahana Fandriampahalemana, avy amin'ny #UNESCO [26]. pic.twitter.com/tVW08bbtBO [24]

— Alassane Ouattara (@AOuattara_PRCI)  8, Febroary 2023 [25]

Loka iray mankasitraka ny anjara biriky nentin'ireo vehivavy

Taorian'ny nanambaràna ny loka, nanapaka hevitra i Merkel ny hanolotra ny lanjam-bola azony 150.000 dôlara amerikàna  – ho an'ny Fikambanana Ivoariàna Manampy ireo Ankizy Tandindonin-doza, fikambanana mandray an-tànana ireo ankizy niharan'ny fanararaotana sy fitrandrahana. Vaovao izay naverin'ny Mali Actu [27] nalefa tao amin'ny kaontiny twitter [27].

Angela Merkel nandray ny Loka FHB Unesco ho an'ny fandriampahalemana. https://t.co/GKZw8puPRc [28] #Mali [29]

Natolotry ny chancelière alemà fahiny tao amin'ny Repoblika  Federalin'i Alemaina, Angela Merkel, ho an'ny Fikambanana Ivoariàna Manampy ireo Ankizy Tandindonin-doza ny taratasim-bola nomena azy niaraka tamin'ny Loka FHB.
pic.twitter.com/Ujaqcmqgib [30]

— maliactu (@maliactu) 9 Febroary 2023 [31]

Fa mbola nankasitraka vehivavy faharoa iray hafa koa ny Loka Félix Houphouët-Boigny/UNESCO :  Julienne Lusenge [32], Kôngôley mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, notolorana ny fanamarihana manokana avy amin'ireo mpitsara [33], notarihan'i Denis Mukwege [34], mpiray tanindrazany aminy sy nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana 2018 [35]. Niavaka tamin'ny fanoloran-tenany ho an'ireo vehivavy niharan'ny herisetra ara-nofo tao amin'ny Repoblika Demaokratikan”i Kôngô i Lusenge. Nomarihan'ilay mpikatroka ihany koa io tao amin'ny kaontiny twitter [32].

Voninahitra lehibe ho ahy ny mandray ny Fanamarihana Manokana  Félix Houphouët Boigny-UNESCO.
Antsika io, ary zaraiko amin'ireo rehetra vehivavy sy tovovavy Kôngôley izay mizaka ny mafy amin'izao fotoana izao noho ny tsy fandriampahalemana sy ny ady mitam-piadiana ao #RDC [36].#PrixFHB [37] pic.twitter.com/J37wi56Qmu [38]

— Lusenge Julienne (@LusengeJ) 8 Febroary 2023 [39]

Hafatra fandriampahalemana alefan'i Côte d’Ivoire ho an'ny vahoakany sy izao tontolo izao

Ilay lanonam-panolorana loka ho an'ny chancelière alemà fahiny dia fotoana ihany koa nahafahan'ireo Ivoariàna nahita ny fandriampahalemana nankalazaina sy nohamafisina. Fa indrindra, io fotoana io no nahafahana nampifanatrika mivantana imasom-bahoaka ireo goavana mpisehatra amin'ny pôlitika ao amin'ny firenena. Araka izany, ireo filoha ivoariàna taloha, Laurent Gbagbo [5] sy Henri Konan Bédié [3], samy mpanohitra nafana vay an'i Alassane Ouattara, filoham-panjakana amin'izao fotoana izao, dia samy hita niray latabatra tamin'ity farany avokoa. Io no manamarika ny fisehoana voalohany imasom-bahoaka niraisan-dry zareo hatramin'ny Jolay 2022, raha eo am-piomanana hiatrika fifidianam-paritra sy monisipaly hatao amin'ny  Oktôbra sy  Novambra 2023 [40]ny firenena.

Nisaoran'i Ouattara teo anatrehan'ny rehetra [41] i Gbago mpifanandrina aminy:

« Avantako amin'ny zandrilahy Laurent Gbagbo ny fisaorako. Tamin'ny namaliana ny fanasànay dia manome voninahitra ny fahatsiarovana ny filoha Félix Houphouët-Boigny sy ireo idealiny momba ny fandriampahalemana izy, ary manaporofo ny firaiketampony amin'ny fandriampahalemana. »

Tondro iray amin'ireo ambana fanakorontanana io antso atao amin'ny firenena mba hisian'ny fandriampahalemana io. Na sarotra aza ny haminavina momba izay mety ho vokatra amin'ireo fifidianana ho avy, dia mazava fa ho henjana ny lalao : ho amin'izany dia handray anjara i Gbago, amin'ity indray mandeha ity dia miaraka amin'ny antokony PPA-CI [40], raha tsy isan'ireo mpihazakazaka izy tamin'ny 2018 izay nandresen'ny  Rassemblement des Houphouëtistes pour la Démocratie et la Paix (RHDP) nanohana an'i Ouattara tany Amina faritra 18, raha enina kosa ho an'ny PDCI-RDA an'i Bédié.