Mampirehareha an'i Barbados tamin'ny fampisehoany mahavariana Super Bowl i Rihanna

Rihanna teny ambony sehatra nandritra ny fitetezan-tany Last Girl on Earth, sary nalaina tamin'ny 4 Marsa 2011. Sary avy amin'i Eva Rinaldi tao amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0.

Iray amin'ireo fampisehoana andrasan'ny maro indrindra maneran-tany ny fampisehoana manasa-potoana Super Bowl isan-taona. Miseho ho an'ny mpihaino be lavitra kokoa noho ny mpankafy football Amerikana, matetika mahasarika mpijery betsaka kokoa noho ny lalao mihitsy ny fampisehoana, ary miaraka amin'i Robyn Rihanna Fenty — kintan'ny pop, olo-malazan'ny lamaody, mpandraharaha momba ny fikolokoloana tarehy amam-bika— izay lohatenin'ny Superbowl LVII, mazava ho azy fa tsy andrin'ny olona izay nijerena azy.

Novelomin'ny Apple mpanohana vaovao ny fampisehoana manasa-potoana tamin'ny sombim-pampisehoana fohin'ny fampisehoana ny fiandrandran'ny vahoaka, izay nanoritra ny zava-misy fa ity no fampisehoana mivantana voalohany ataon'ny mpihira tao anatin'ny enin-taona eo ho eo. Namokatra andiana seho fohy mifototra amin'ny hiran'i Rihanna sasany malaza ihany koa ny orinasa, anisan'izany ny iray mitondra ny lohateny hoe “Run This Town” (pi-maso ho an'ny fiarahamiasany taona vitsivitsy lasa izay niarahany tamin'i Ye (Kanye West) sy Jay-Z). Misokatra amin'ny feom-behivavy Barbadiana iray milaza hoe, “Saingy fantatrao fa fotoana hiverenany izao” ilay toerana nanintona, izay niteraka onjam-pireharehan'ny Barbadiana :

Doka SuperBowl tsara indrindra hatramin'izay. Zazavavy mainty hoditra ao amin'ny misy azy ao Barbados. Feon'ny Nosy  🏝❤️ Roll on RIRI 👏🏾🔥

Ranty Facebook iray, manondro ny andalana ao amin'ny lahatsarin'ny “Run This Town” izay nanambaran'i Rihanna fa “zazavavin'ny nosy kely mampanidina papangohazo” izy saingy nanana “nofy lehibe”, nanamafy tamim-piderana:

The Right Excellent Robyn Rihanna Fenty, National Hero of Barbados, First of her Name, The Reb’l Fleur, Freedom Flyer of Kites

Robyn Rihanna Fenty Tena Tsara, Maherifo Nasionalin'i Barbados, Voalohany amin'ny Anarany, The Reb'l Fleur, Mpampanidina papangohazom-pahafahana

Raha ny fantatra anefa, dia tsy araka ny nantenain'ny ankamaroan'ny mpankafy, mariky ny fiverenan'ny mozika midadasika kokoa ny fisehoana Super Bowl  an'i Rihanna; somary mifanohitra, raha ny marina, satria nampiasa ny fiakarany an-tsehatra ilay kintana mba hanambara ny fitondrana vohoka faharoa:

Nate: “Te-hahafantatra ny olona hoe misy tsy ampoizina ve?”

Rih: “Mieritreritra ny hitondra olona aho..”

Rih Marani-tsaina! Tena nitondra olona niaraka taminao tokoa ianao! 🤰🏽Arahabaina!! #NateBurleson #SuperBowl #FentyBowl #Rihanna #Riri #rihannapregnant #Barbados

Raha mahatsapa ny resadresaka sasany tamin'ny media sosialy, indrindra tamin'ny alàlan'ny WhatsApp, fa afaka nanao hiaka antso antso  ho an'ny tany nahaterahany nandritra ny fampisehoana i Rihanna, azo antoka fa mariky ny fifamatorany amin'ny fiaviany ny safidiny hihira ny sombiny amin'ny “Rude Boy” sy ny “Work”, ary taorian'ny fampisehoana, hita nivoaka tao amin'ny dokam-barotra fohy nanofahofa saina Barbadiana koa izy:

Fihetseham-po mahatsikaiky an'i Rihanna taorian'ny fampisehoany manasa-potoana #SuperBowl. 😍👇❤️ #RihannaSuperBowl #RihannaReturns

Mpisera Facebook Harewood Alli Katt naneho hevitra momba ilay horonan-tsary:

I remember when Rihanna first come pon de scene and wanna use to say how she don't talk properly but she was just staying true to herself she did then, and she still is now Bajan and proud 🇧🇧

Tadidiko i Rihanna sambany niakatra an-tsehatra ary te hilaza hoe nahoana tsy miteny tsara izy saingy nijanona ho izy tenany ihany tamin'izay, ary mbola Bajan sy mirehareha izy ankehitriny.

Araka ny voalazan'ny mpisera Twitter iray hoe:

Heveriko fa tsy azonareo ny antom-pireharehana. 166 arivo maily toradroa i #Barbados. Ny nosy Karaiba farany atsinanana indrindra. Misy olona vitsivitsy monina tsy mihoatra ny iray maily miala ny toerana nanandevozana ny razamben'izy ireo. Ary avy amin'izany rehetra izany…#Rihanna! #BecauseNotDespite #SuperBowl

Tao amin'ny Facebook, nandroso lavidavitra kokoa ny Fikambanam-behivavy, milaza fa  nanao mihoatra lavitra noho ny maha-faka nosy azy ny zava-bitan'i Rihanna:

Representing for immigrants, representing for Barbados, representing for black women – Rihanna.❤️

Misolo tena ny mpifindra monina, misolo tena an'i Barbados, misolo tena ny vehivavy mainty hoditra – Rihanna.❤️

Mazava ho azy fa nanatrika an'izany rehetra izany ny Barbadiana, araka ny nanambaran'ity mpisera Twitter ity mialoha hoe:

Henoy, henoy! Ny fitaovana mitaratra sy nomerika rehetra any Barbados sy manerana izao tontolo izao dia tokony hampiasaina hijerena ny Mpanjakavavy Rih androany. Tohizo amim-paharanita-tsaina. #Rihanna #HalftimeShow #Barbados

Barbadiana an-jatony no nameno ny sehatra vitsivitsy ho an'ny daholobe izay nandefasana mivantana ny lalao (sy ny seho manasa-potoana), saingy nanenika ny vondrom-piarahamonina Karaiba midadasika ihany koa ny fireharehana, hany ka nananihany ilay mpisera Twitter Barbadiana Tiffany Griffith hoe:

Toa misy lalao football alohan'ny fampisehoan'i Rihanna. 🏈🎶 #FentyBowl #SuperBowl #Barbados @nattheproducer

Tao amin'ny Facebook, nandritra izany, nizara ilay mpihira avy any Guyane Jackie Jaxx:

I'm so happy to be born in the Age of Rihanna
To know there's a black, female, half-Bajan, half-Guyanese billionaire who is also a musician and business-woman like me pleases my whole heart.
Many would say her life is a dream but if anything she's shown us Caribbean girls it's that dreams are REAL.
If you're looking closely, you can [see] her teaching women HOW TO FREE THEMSELVES […] true power is having the THE FREEDOM TO CHOOSE how you want to live life.

Tena faly aho teraka tamin'ny Taonan'i Rihanna. Mahafaly ny foko manontolo ny fahafantarana fa misy miliaridera mainty hoditra, vehivavy, Bajan ampahany, Guyana ampahany izay mpiangaly mozika sy vehivavy mpandraharaha toa ahy. Maro no hilaza fa nofinofy ny fiainany, fa raha misy zavatra nasehony taminay tovovavy Karaiba dia tena TENA MISY izany nofinofy izany. Raha mijery akaiky ianao dia afaka [mahita] ny fampianarany ny vehivavy ny FOMBA HANAFAHANY TENA […] Ny tena hery dia ny fananana ny FAHAFAHANA MIFIDY izay tianao hiainana.

Mpankafy avy any Trinidad sy Tobago nisioka hoe:

Tiako ny [siakany-hatsiakany] azy. 🥹 #SuperBowl #Rihanna

Nampirehareha anay ny tovovavinay ao Karaiba ❤️ #Rihanna

TSY MISY SEGONDRA IRAY VERY! Tsy nila hetsika hafa mihitsy izy tamin'ny fampisehoana nataony satria MALAZA izy #SuperBowlLVII #Rihanna

Na dia nisy aza ireo ny fanehoan-kevitra ratsy momba ny fampisehoan'i Rihanna izay nanakiana ny dihy nataony sy ny zava-misy nisafidianany nihira ny “All of the Lights“, efa niarahany nihira tamin'ilay mpanao rap mampiady hevitra Ye, izay ifantohan-dresaka voalohany, dia farafaharatsiny mba fahatsapana fireharehana lehibe izany any Karaiba,

Tao amin'ny lahatsoratra ho an'ny gazetiboky Esquire, nanazava ny lanjan'i Rihanna ho an'ny faritra i Zahra Spencer Barbadianina:

When Rihanna steps on the world stage, it feels like a mirror, reflecting the best of us. Our tenacity, our warmth, our vibrance, our pace—because make no mistake, there will be no new album until Rihanna is good and ready, because there’s simply no rushing a Caribbean woman. When she showcases the potential of a very small region, one often overlooked and underestimated, it doesn’t just show the world what the Caribbean is capable of, it shows us as well.

Rehefa miditra eo amin'ny sehatra maneran-tany i Rihanna, dia mitaratra ny tsara indrindra aminay, maneho ny tsara indrindra aminay. Ny fikirizanay, ny hafananay, ny fahavitrihanay, ny halakinay — satria aza diso, tsy hisy rakikira vaovao raha tsy efa tsara sy vonona i Rihanna, satria tsy misy mahamaika ny vehivavy Karaibeana. Rehefa asehony ny harena miafin'ny faritra iray tena kely, izay matetika atao tsirambina sy atao ambanin-javatra, dia tsy mampiseho amin'izao tontolo izao izay mety ho vitan'i Karaiba fotsiny, fa mampiseho anay ihany koa.

Nanome voninahitra an'i Sheryl Lee Ralph, izay manana fiaviana Jamaikana ihany koa ireo mpisera media sosialy ao amin'ny faritra,  nihira ny “Lift Every Voice and Sing” tamin'ny lanonana izy:

Nanao asa MAHATALANJONA ireo Mpanjakavavy Karaiba roa ireo!! @thesherylralph @rihanna woiii di way reharehako! 🥹🥹 #Jamaica #Barbados #SuperBowl

Nisioka ny zanakavavin'i Ralph:

Jah Jah! Mbola talanjona ihany aho fa ireo mpanakanto Karibeanina malaza indrindra no manao fampisehoana ao amin'ny #superbowl rahampitso. TOA HANAKATONA NY SUPERBOWL i #SherylLeeRalph & #Rihanna! MITSANGANA i #Jamaica sy #Barbados

Ho an'ny Jamaikana maro, nitovitovy tamin'ny fisian'i Jamaika teo ihany koa ny fisian'i Rihanna teo amin'ny sehatra Super Bowl:

Nisolo tena an'i Jamaika ho toy ny gyal-n'ny tokotany misy azy i Rihanna! #Rihanna Mampirehareha

Raha diso fanantenana ny hafa noho ny tsy nisehoan'i Rihanna teo an-tsehatra niaraka tamin'ny sasany amin'ireo anara-malaza indrindra amin'ny mozika ao Jamaika araka ny nambara tamin'ny dokam-barotra tamin'ny fomba diso, dia nisy mpisera Twitter iray nampahatsiahy ny tenirohy Twitter 2019 izay nanandrana nandresy lahatra an'izao tontolo izao fa Jamaikana i Rihanna no tena marina: 

Nitaky an'i Rihanna indray i Jamaika haffi taorian'io.

Na dia mety hoe Barbadiana aza izy, amin'ny fotoana tahaka izao, dia tsy azo lavina fa Karaibeana i Rihanna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.