- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Nizera, mihoatra ny antsasa-manilan'ireo ankizy no tsy manana sora-piankohonana

Sokajy: Afrika Mainty, Nizera, Fampandrosoana, Fanabeazana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora
Capture d’écran de la chaîne YouTube de Tv5 Monde

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Tv5 Monde [1]

Marobe ireo antony azo ambara ho misakantsakana ny fandrosoana mankany amin'io fikarakarana ara-panjakàna io: ny tsy fahafantarana ireo dingana atao hahazoana ilay taratasy, ny tsy firaharahian'ireo ray sy reny niteraka amin'ny fanaovana fanambarana fahaterahana. Araka ny fanazavàn'i Ibrahim Malangoni,  tale nasiônaly misahana ny sora-piankohonana ao Niger teo amin'ny fandraisampeon'ny Tv5monde Info:  [2]

Tsy tonga dia misoratra izany aloha ny vahoaka raha vao misy trangam-pahaterahana miseho ao anatin'ny fianakaviany. Miandry rehefa misy ilàna izany foana ry zareo. Ohatra, fampidirana an-tsekoly, raharaham-pitsaràna, na raha tsy misy filàna hafa tsapany noho ny trangan-javatra hafa eo amin'ny fiainany, hangataka vatsim-pianarana na hanokatra kaonty any amin'ny banky, araka izany dia amin'izay fotoana izay ny olona vao tonga saina hoe tsy maintsy ataon-dry zareo ny filazam-pahaterahana, nefa zavatra efa tokony ho nataony tany aloha be tany fony izy mbola maimaimpoana.

Na izany aza, mitana anjara toerana lehibe tsy hitan'ny vahoaka ny soa tokony hositrahany ihany koa ny fihisarana ara-pitantànana. Tsy dia misy solotenam-panjakana any amin'ireo faritra lavitra andriana. Ankoatra izay, tsy ananan'ireo mponina any amin'ireny vohitra ireny ny vola hahafany mandeha lavitra manatona tanandehibe mba hirakaraka ireo antontan-taratasin-janany.

Ilay tranonkala maraokàna Le360 [3] no maneho ny toedraharaha miaraka amina ohatra iray mivaingana:

Ny Fanampin'anaran'izy ireo fotsiny no ahafantarana ny fisian'i Nadia Salou […] sy ny rahavaviny Zeneba, 9 taona, ary i Abdoulkarim kely, 4 taona […]. Ny renin-dry zareo, Aïchata Hassan, avy amina vohitra ambanivohitra kely iray ao Alzou, any amin'ny faritra lavitra ao Tillabéri (andrefana), dia niteraka tany an-trano ary tsy nisy na iray aza olom-panjakana afaka nanoratra ireo fahaterahana ho ao anaty rejisitra. Enimpolo andro no omena azy handehanana manao filazana fahaterahana ho an'ny zanany tsirairay avy. Saingy noho ny tsy fananany afa-tsy vola kely, ny fahalaviran'ny tanandehibe sy ny saram-pitaterana no nanakana azy tsy hahatontosa izany. Ary indrindra indrindra, « tsy dia misy ilàna azy loatra »  ao am-bohitra io sombin-taratasy io, ny sora-piankohonana.

Ao anatin'io lahatsoratra io ihany, mitaraina i  Idrissa Illiassou, mpanolotsaina ara-panabeazana, fa :

Marobe amin'ireo ankizy ao an-tsekoly no tafiditra ao anatin'io toedraharaha io. Ny tanora tsy manana sora-piankohonana, dia ho olon-dehibe tsy manana ny taratasy maha-izy azy any aoriana, ho voahilika izy ireny.

Betsaka ireo tetikasa natomboka mba hanatsarana ny toedraharaha

Efa ho dimy taona mahery, marobe ireo hetsika santatra isankarazany natomboka tao amin'ny firenena mba hanamaivanana io olana goavana io. Nampitomboin'ireo rafitra sy fikambanana iraisam-pirenena ireo fitsarana mitety vohitra [4] (mandritra ireny fotoana ireny dia misy fanomezana kopia  eny amin'ny toerana onenan'ilay vondrom-piarahamonina ), hetsika fampahafantarana,  fanomezana torohay, fanisàhana ilay sehatra mba hiditra amin'ny nomerika, fanentanana iarahana amin'ireo ONG eo an-toerana.

Izany ohatra no ataon'ny ONG Norwegian Refugee Council [5] (NRC) araka ny ambaran'ity ranty ao amin'ny kaontiny twitter ity.

“Raha te-hivezivezy ianao dia tsy maintsy manana io taratasy io. Rehefa manana ny kopiako aho,  ho afaka mitsidika ny dadatoako any Niamey.” -Fati.  Ao #Nizera [8] , ampianay ireo olona nafindra toerana mba hahazo ireo antontan-taratasy momba azy, toy ny kopia nahaterahany, pic.twitter.com/X0XYFisdMW [9]

— NRC Central and West Africa (@NRC_CWA)

Jan Egeland [10], sekretera jeneralin'ny NRC no manipika ao anatin'ity lahatsarin'ny   Tv5monde Info [2] ity fa:

“Miaraka amina fampiasambola kely monja iarahan'ny fanjakana amin'ireo mpanohana, azonao atao ny manome fanantenana ho an'ireo ankizilahy sy ankizivavy ao amin'io firenena tanora indrindra eto an-tany io”.

Ny Danish Refugee Council [11] (DRC),  ONG iray hafa mikarakara ireo olona nafindra toerana sy nianjadian'ny fifandonana tao Afrika, dia nanao asa mitovy amin'izany teny an-kianja, niarahany tamin'ireo rafitra ao an-toerana. Tamin'ny  Febroary 2022, nanampy tamin'ny fanomezana kopia fahaterahana niisa 500 ilay fikambanana, araka ny fanazavana omen'ity ranty tao amin'ny Twitter ity.

Ny tetikasa @DanishMFA [12] dia nanao hetsika fanisàna an'ireo olona nafindra toerana sy mipetraka ao amin'ny kaominina 2 ao #Nizera mba hahafahana manao kopia fahaterahana miisa 500, izay tsy ho ela dia azon'izy ireo raisina!🇳🇪 #ICLA [13] #documentationcivile [14] pic.twitter.com/IqCeQHJo1e [15]

— DRC West Africa, Sahel & North Africa (@drcwestafrica)

Nitondra ny anjarany koa ny Organisation Internationale de la Francophonie [17] (OIF) ho fanampiana an'i Nizera hiatrehana io fanamby io. Tamin'ny 2020, natombony ny fandaharanasa [17] fitaratra iray tao amin'ny faritr'i Zinder [18], any afovoany-atsinanan'ny firenena, araka ny fangatahana nataon'i Nizera, izay nahafahana nanoratra olona efa nihoatra ny  7 300 , izay ankizy ny 90% tamin'izany.

Saray Lawali, 40 taona, iray tamin'ireo mpisitraka ilay fandaharanasa [17] fitaratra natomboky ny OIF, no mahatsiahy fa nitera-pahavoazana ho azy ny tsy nananany kopia nahaterahana :

« Rehefa tsy manana taratasy momba anao ianao dia tsy afaka mivezivezy an-kalalahana eto amin'ny firenena no sady, noho ireny antony  ireny ihany, tsy afaka mahita asa ianao. »

Ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampiroboroboana ny zon'ny ankizy ao Nizera, UNICEF Nizera [19], ihany koa dia nanao hetsika nitondra fihatsaràna kely tamin'ny toedraharaha, araka ny fijoroana vavolombelona ao anatin'ity ranty Twitter ity.

Ao Nizera, ankizy 6 amin'ny folo no manana sora-piankohonana. Nanomboka tamin'ny 2012, nahazo fanohanana avy amin'ny @dueniger [20] ny sampan-draharaha mpikarakara sora-piankohonana. Nahafahana nanatsara ny rafitra fikarakarakana sora-piankohonana, ny firaketana izay zava-pitranga eo anivon'ny ankohonana sy ny fanomezana kopia io fanohanana io. pic.twitter.com/o1vkFiDtfP [21]

— UNICEF Niger (@Unicefniger)

Ny tena fanamby : ny fampidirana angondrakitra ho anaty solosaina

Amin'izao vaninandron'ny nomerika izao, tsy mbola tafiditra ho isan'ny zava-mahazatra ao Nizera ny fitahirizana angondrakitra. Ankoatry ny toejavatra manahirana eo amin'ny sehatry ny firaketana ireo ankizy hatrany am-pahaterahana, sarotra ihany koa ao amin'ilay firenena ny mahazo ireo antontan-taratasy efa vonona sy afaka jerena ety an-tambajotra. Mbola tena olana be ihany koa ny resaka aterineto ao amin'ny firenena, izay manana taham-pidirana [23]  22,4% tamin'ny fiandohan'ny 2023.

Tamin'ny 2021, niaraka tamin'ny fanohanan'ny UNICEF Nizera [19] sy ny Vondrona Eorôpeàna, Natomboky ny governemantan'i Nizera ny tetikasa [24]  iray hamadihana ho nomerika ny rafitra fikarakarana sora-piankohonana mba hahafahana mampifanaraka ny pôlitika amin'izay angondrakitra voatahiry. Nampiroboroboina io drafitra io mba hahafahana manampy amin'ny fandaminana ireo tolotra sy tinady, ohatra, ho an'ireo tolotra sôsialy sy ny fanarahamaso ny momba ireo ankizy ao amin'ny firenena. Saingy na izany aza dia mbola miankina be amin'ny fivoaran'ny fahafahana miditra amin'ny aterineto.

Ao anatin'ity lahatsarin'ny Tv5Monde Info [2] ity, Ibrahim Malangoni, tale nasiônalin'ny firaketana sora-piankohonana ao Nizera milaza fa:

Amin'izao fotoana izao , ny tahan'ny firaketana  ireo zaza eo am-pahaterahana ao anatin'ilay fetra 60 andro dia 60%. Efatra amin'ny ankizy folo araka izany no tsy hitan'ny fanjakana. Saingy efa taha miavaka io satria, tsy ela akory izay, tamin'ny 2007, zara raha nahita  30% isika.

Tena zavadehibe no sady ilaina io fivoarana io, indrindra fa hoe ao Nizera no ahitana ny iray amin'ireo taha ambony indrindra eto an-tany amin'ny resaka fitomboan'ny mponina [25], 3.2%, mifamatotra mivantana amin'ilay taham-pahaterahana zaza 6,2 isaky ny reny, araka ny fanadihadiana nasiônaly momba ny fahaterahana sy fahafatesan'ny zaza latsaka ny dimy taona (ENAFEME Niger 2021 [26]). Miavaka amin'ny fahatanoràny ilay firenena, salanisa 15 taona, vokatr'io taham-pahaterahana ambony be io. Araka izany, amin'ny 2033 dia mety hanakaiky ny 35 tapitrisa [25] ny isan'ny mponina.