- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy voamarika amin'ny asa fikarohana sy famonjena ao Tiorkia ireo mpamonjy voina manana tongotra efatra

Sokajy: Tiorkia, Mediam-bahoaka, Voina

Sary avy amin'ny mpanao sary tsy fantatra anarana. Nampiasaina nahazoana alalana.

Herinandro taorian'ny horohorontany nandravarava [1] namely an'i Tiorkia tamin'ny 6 Febroary, nihena isa-minitra ny vintana hahitàna ireo sisa velona voafandrika ao ambanin'ireo tranobe an-jatony nirodana. Na izany aza, dia misy ireo tantaran'ny olona voavonjy [2]amin'ny fomba mahagaga [3]isan'andro avy ao ambanin'ny korontam-bato. Ekipa iraisam-pirenena mpitady   [4]sy mpamonjy voina an'arivony no manampy amin'ny famonjena ireo ain'olona ireo. Ankoatra ireo manam-pahaizana momba ny horohorontany, injeniera ary mpamonjy voina matihanina, niantehitra tamin'ireo alikany mpanampy azy ireo, izay nitety nanerana izao tontolo izao ary niasa tsy an-kiato nandritra ny herinandro lasa ny maro amin'ireo ekipa ireo, anisan'izany ny eo an-toerana.

“Rehefa tsy afaka miantso vonjy intsony ny olona ary mandeha ny fotoana ary tsy heno intsony ny olona ao ambanin’ny korontam-bato, dia ny alika no iray amin’ireo vintana farany hahitana olona”, hoy ny fanazavan’i [5] Linda Hornisberger tamin’ny resadresaka nifanaovana tamin’ny BBC. Hornisberger dia Zokiolona Manam-pahaizana momba ny Fikarohana ao amin'ny Fikambanana Swiss Disaster Dog Association (REDOG). “Afaka mandrakotra faritra midadasika haingana ny alika ary afaka mamantatra ny fofon'ny olona amin'ny orony ao ambany korontam-bato.” Nandefa alika mpamonjy voina 14 ny fikambanana niaraka tamin'ny Swiss Rescue Mission  (Iraka Mpamonjy Voina Soisa) ary niara-niasa tamin'ny fikambanana iray teo an-toerana, GEA [6] (Mother Earth) hoy i  Hornisberger. Mbola maro kokoa anefa no nirohotra nanampy.

Fantaro ny sasany amin'ireo mpanampy manan-tongotra efatra izay nanavotra aina andro aman'alina.

View this post on Instagram

A post shared by EU aid & crisis response (@eu_echo) [7]

https://www.instagram.com/p/CoizI47Mm7I/?utm_source=ig_web_copy_link [8]

View this post on Instagram

A post shared by Poederbaas (@stenmar_ijff) [9]

View this post on Instagram

A post shared by REDOG Such- und Rettungshunde (@redogschweiz) [10]

View this post on Instagram

A post shared by 𝙇𝘼 𝘾𝙤𝙪𝙣𝙩𝙮 𝙁𝙞𝙧𝙚 𝙎𝙚𝙖𝙧𝙘𝙝 𝘿𝙤𝙜𝙨 (@lacountysearchdogs) [11]

View this post on Instagram

A post shared by IRO (@irodogs) [12]

View this post on Instagram

A post shared by SAR Team (@sarteameps) [13]

View this post on Instagram

A post shared by pompiers.urgence (@pompiers.urgence) [14]

View this post on Instagram

A post shared by Bomberos GIRECAN (@bomberos_girecan) [15]

Naratra [16]ny sasany tamin'ireo mpanampy ireo nandritra ny herinandro, saingy taorian'ny fitsaboana sy ny fialan-tsasatra dia niverina teny an-toerana izy ireo.

Ekipa mpanelanelana NDRF Urban Search & Rescue miaraka amin'ny alika Mpamonjy Voina sy ireo fitaovana ilaina hafa any Adana Türkiye ho an'ny 🇹🇷 #USAR [17] #HADR [18] Ops.

Tsy tsara vintana kosa ny hafa. Nihetsi-po ny maro rehefa nahare fa maty nandritra ny ezaka famonjena i Proteo, alika mpamonjy voina nandeha tany Torkia avy any Meksika.

RIP ho an'ny alika mpikaroka sy mpamonjy voina Meksikana Proteo, izay maty ‘teo am-perinasa’ araka ny fanambarana ofisialy, miasa ao amin'ny faritry ny horohorontany any Torkia.

Namoy ny ainy nandritra ny asa famonjena ilay alika mpanao fikarohana sy mpamonjy voina malaza ao Meksika #Proteo. Henoko fa nanampy olona roa tao amin'ilay faritra i Proteo. Miombon'alahelo  amin'ny fahafatesan'i Proteo 😢💔

Tsy hanadino anao izahay. Namoy ny ainy ilay alika Meksikana mahery fo Proteo rehefa voafandrika tao ambanin'ny korontam-bato

Araka ny voalazan'ny National Geographic [38], “Avy amin'ny karazam-biby isan-karazany ary voaofana amin'ny fomba fihetsika isan-karazany ireo alika mpamonjy voina. Mitady fofon'olona — toy ny fofonaina na fofom-batana — amin'ny faritra iray manokana ny alika hafa. ”Ny alika mpanaraka, tahaka ny ireo alika “mpanara-dia” nentim-paharazana, dia manaraka ny lalana nodiavin'ny olona tsy hita. Ny sasany aza dia niasa tamin'ny sambo nanampy tamin'ny fitadiavana ny sisa tavela tao anaty rano.