- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manàla valo taona amin'ny fahelàna velona ao Bangladesh ny fahalotoana mampididoza eny amin'ny rivotra

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Green Voices
Dhaka, once surrounded by trees, is now a megacity full of concretes. Image via Flickr by ASaber91. CC BY 2.0. [1]

Dhaka, raha voahodidina hazo fahiny, dia efa tanandehibe feno trano be mijoalajoala ankehitriny. Saripika tao amin'ny Flickr an'i ASaber91 [1]. CC BY 2.0 [2].

Tamin'ny Janoary, tra-pahasahiranana mafy ireo mponina tao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh, noho ny fahalotoan-drivotra nampidi-doza nandritra ny sivy andro [3], ny henjana indrindra tato anatin'ny fito taona farany. Ny Air Quality Index (AQI) [4] – tondron'ny kalitaon-drivotra hatreo amin'ny 50 na ambanin'izay dia milaza fahatsaran'ny kalitaon'ny rivotra, ary ny  201 hatramin'ny  300 dia Tena Tsy Mahasalama. Ny isa mihoatra ny 300 dia manambara kalitaon-drivotra mampidi-doza mety hisy fiantraikany miely patrana eny anivon'ny vahoaka amin'ny ankoapobeny, no sady mety hitondra [5] soritr'aretina malefaka na henjana ho an'ny taovam-pisefoan'ireo vondron'olona marefo.

Olana efa hatry ny ela ny fahalotoan'ny rivotra ao Dhaka, izay mety hiharatsy fotsiny. Asehon'ireo fandalinana [6] fa rivotra tena maloto be no fohan'ireo mponina ao amin'ilay tanandehibe, mampihena fito na valo taona eo ho eo ny fahelàna velona mahazatra azy ireo.

Tao Bangladesh, ny faharatsian'ny kalitaon'ny rivotra tao aminy no ahafantarana ny Janoary, noho ny tsy fahampian'ny orana. Ny Ivontoerana Fandinihana ny Fahalotoan'ny Atmosfera avy ao amin'ny Anjerimanontolo  Stamford dia nitatitra [7] fa tamin'ny 2017, andro dimy tamin'ny volana Janoary no tena nahitàna fahalotoan-drivotra faran'izay nahatsiravina indrindra. Teo anelanelan'ny 2017 sy 2022, tsy nitsahatra ny nitombo ny isan'ireo andro nahitàna fahalotoan-drivotra nahatsiravina, efatra tamin'ny 2017 ary valo tamin'ny 2022.

Maninona no ratsy be ny kalitaon'ny rivotra ao Dhaka?

Telo no tena loharano miteraka [8] ny fahalotoan'ny rivotra ao Dhaka — ny fandoroana biriky nentindrazana, ireo poti-bovoka eny amin'ny rivotra mandritra ny vaninandro ririnina, ary ny entona avoakan'ny fiara.

Mihoatra ny arivo ireo fandoroana biriky amin'ny fomba nentindrazana [9] any amin'ny manodidina an'i Dhaka miteraka fahalotoana goavana ho an'ny atmôsfera. Ankoatra izay, ireo setroka sy fako avoakan'ireo ozinina, ny tsy fahaizana mitantana ny vongam-pako, ny fandoroana fako, ary ireo hetsika fanorenana midadasika manerana ny tanàna dia manampy koa amin'ny fahalotoan'ny rivotra.

Ny Ivontoerana Fikarohana momba ny Kalitaon'ny Rivotra, ao amin'ny Departemanan'ny Simia ao amin'ny Anjerimanontolon'i Dhaka, dia nandalina [7] ireo loharano miteraka ny fahalotoan'ny rivotra ao Dhaka. Araka ny lazain-dry zareo, ny vovoka sy ny zavon-tsetroka no manome ny antsasaky ny fahalotoan'ny rivotra ao Dhaka. Hita ao anatin'ny zavon-tsetroka ny setroka sy ireo singa madinika avy amin'ireo biomass, toy ny vovoka mololo, hazo, ary akofa. Ny vovoka dia avy amin'ireo toeram-panorenana ary ny fahalotoan'ny rivotra dia avy amin'ireo fiara efa antitra.

Many feel that the mega construction works like the Dhaka Metro Rail system has also increased air pollution in the city. Image via Wikipedia by Selim Khandoker. CC BY-SA 4.0. [10]

Maro no mahatsapa hoe ireo asa fanorenana goavana toy ny Dhaka Metro Rail dia mandray anjara koa amin'ny fampitomboana ny fahalotoan'ny rivotra ao an-tanàna. Sary avy amin'ny  Wikipedia an'i Selim Khandoker [10]. CC BY-SA 4.0 [11].

Noho izy vanimpotoana tsy be orana dia mitombe be ny asa fanorenana rehefa ririnina. Na izany aza, ny tsy fahaizana mitantana ny fandavahana tany sy ny zara fa fisiana toerana fametrahana ny fako eny amin'ireo tranobe dia mandray anjara amin'ny fampitomboana ny poti-bovoka [12]eny amin'ny rivotra.

Ary koa, manampy trotraka amin'ny fahalotoan'ny rivotra ny fandoroana fako miely patrana etsy sy eroa, araka ny bitsiky ny UNICEF Bangladesh:

Tena mandray anjara be amin'ny hahavon'ny fahalotoan'ny rivotra ny fandoroana fako ao amin'ny faritra Buriganga ao #Dhaka [13].

Ny hoavintsika.
Ny andraikitsika.#COP25 [14] #ClimateAction [15]

© UNICEF/Khan pic.twitter.com/qR3uA4KMDx [16]

— UNICEF Bangladesh (@UNICEFBD) 13 Desambra 2019 [17]

Nobitsihan'ny News daily The Daily Star fa avo be ny haavon'ny fahalotoan'ny rivotra any amin'ireo faritra tena ahitàna asa fanorenana goavana, ka ireo tratry ny toham-boivoy no tena mizaka izany betsaka madritra ny fivezivezen'izy ireny isanandro:

Ireo toerana misy asa fanorenana goavana sy mizaka fitohanana tsy tapaka ao an-tanànan'i Dhaka no manana ny haavo ambony indrindra amin'ny fahalotoan'ny rivotra.#Bangladesh [18] #AirPollution [19] https://t.co/YXiyFSXWyV [20]

— The Daily Star (@dailystarnews) 4 Desambra 2022 [21]

“Lasa tena sarotra be ny miaina ao Dhaka”

Toeram-ponenana ho an'ny olona miisa roapolo tapitrisa eo ho eo i Dhaka, mahatonga azy ho ny tanàna fahefatra lehibe indrindra [22] ao Azia Atsimo raha ny habetsahan'ny mponina. Hatramin'ny nahazoan'i Bangladesh ny fahaleovantenany tamin'ny 1971, nihazakazaka be ny fivoaran'i Dhaka, miaraka amin'ireo fotodrafitrasa marobe sy ireo tetikasa fanorenana tanàndehibe napetraka. Nisarika ireo olona avy eny am-bohitra sy ireo tanàna hafa ho tonga sy honina tao Dhaka io. Mba hanaovana ilay tanàna ho azo iainana kokoa, marobe ireo tetikasa fampandrosoana natomboky ny governemanta, toy ny metro, ny lalamby ambanin'ny tany, ary ny Làla-Manivaka Mihantona ao Dhaka.

Ilay mpahay toekarena, Anu Muhammad, mahita ny fahalotoan'ny rivotra ao Dhaka ho toy ny vokatr'io “fandrosoana” io, araka izay resahany ao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook [23]:

যে ধারায় ‘উন্নয়ন’ হচ্ছে মানুষের এই বিষাক্ত যাত্রা তারই ফল। বিশুদ্ধ নিরাপদ বাতাস, নিরাপদ পানি, নিরাপদ খাবার, নিরাপদ জীবন সবই এখন ধরাছোয়ার বাইরে চলে যাচ্ছে। শুধু থাকছে ‘উন্নয়নের’ পরিসংখ্যান!

Vokatry ny fironana amin'izao fotoana izao hankany amin'ny “fampandrosoana”  dia voapetraka amina làlana ratsy ireo mponina ao Dhaka. Tsy taka-bidy intsony izao ny rivotra madio sy azo antoka, ny rano dfisotro madio, ny sakafo azo antoka, ny fiainana azo antoka. Ny hany sisa hita tavela dia ny antontanisa momba ny “fampandrosoana”!

Syeda Rizwana Hasan, tale mpanatanteraka ao amin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovava momba ny Tontolo Iainana ao Bangladesh (BELA) izay voatonona ho iray amin'ireo 40 Maherifon'ny Tontolo Iainana eto amin'izao tontolo izao, nataon'ilay gazetiboky TIME, ary nahazo koa ny Loka Goldman natokana ho an'ny Tontolo Iainana (2009) dia mametraka ny fahalotoan'ny rivotra ao Dhaka ho vokatry ny fampandrosoana tsy voaomana [24]:

সরকার চাইলে উন্নয়ন প্রকল্পগুলো জবাবদিহির আওতায় এনে বায়ুদূষণ কমাতে পারতো। গাছ লাগিয়ে, জলাশয়গুলো রক্ষা করেও বায়ুদূষণ নিয়ন্ত্রণ করা যেত। বায়ুদূষণ মানুষের জীবনের অধিকারের ওপর হস্তক্ষেপ করছে, মরণের দিকে ঠেলে দিচ্ছে, মানুষকে কঠিন কঠিন অসুখ দিচ্ছে। এদিকে আমরা ন্যূনতম মনোনিবেশ করছি না।

Tokony ho nataon'ny governemanta izay hampihena ny fahalotoan'ny rivotra, tamin'ny alàlan'ny fampandraisana andraikitra ireo tetikasa fampandrosoana. Azo fehezina ihany koa amin'ny alàlan'ny fambolena hazo ny fahalotoan'ny rivotra, ary ny fiarovana ireo faritra misy rano. Ny fahalotoan'ny rivotra dia manohintohina ny zon'ny vahoaka hiaina, miteraka aretina ary tonga hatramin'ny fahafatesana. Tsy tonga saina momba izany isika.

Farzana Faruk Jhumu, mpikatroka ho an'ny tontolo iainana, dia mitanisa ao amin'ny Twitter fa “Lasa miha-sarotra isanandro vaky ny miaina ao Dhaka”:

Lasa mihasarotra isanandro vaky ny miaina ao Dhaka miaraka amin'ny fahalotoan'ny rivotra #AirPollution [19] https://t.co/2OxeRsK17K [25]

— FARZANA FARUK JHUMU (@FarzanaJhumu) 9 Febroary 2022 [26]

Fahalotoana miteraka aretina

Ny fahalotoana mitohitohy sy maharitra dia misy fiantraikany amin'ny olona, [27] miseho amin'ny endrika aretina sy fiharatsian'ny fahasalaman'ny saina. Nitombo ny isan'ireo marary taovam-pisefoana any amin'ireo hopitalim-panjakana sy ny tsy miankina.  Zakain'ireo mponina ao an-tanàna ihany koa ny fitomboan'ireo aretina entin'ireo bibikely mpamindra aretina, toy ny tazo mahery ‘dengy’ sy ny fiharatsian'ny fahasalamana ara-tsaina, ankoatra ny maro hafa.

Tamin'ny Novambra 2022, ny Banky Iraisampirenena dia namoaka voka-pikarohana [28] iray nitondra lohateny hoe “Tsy avy miaina: Porofo Vaovao momba ny Fahalotoan'ny Rivotra sy ny Fahasalamana ao Bangladesh.” Araka ny fikarohana [29] nataon-dry zareo, 88.000 eo ireo olona maty isantaona vokatry ny aretina misy ifandraisany amin'ny fahalotoan'ny rivotra ao Bangladesh.

Na nanao ny fanentanany aza ny Departemantan'ny Tontolo Iainana ho an'ilay “Taridàlana Fisorohana ny Fahalotoan'ny Rivotra” [30] avy aminy, tamin'ny fijerena ireo antony tao ambadiky ny fahalotoan'ny rivotra, tsy dia misy hetsika mibaribary avy amin'ny governemanta loatra mba hanalefahana ny fandotoana, ankoatra ny namafazana rano teny an-dàlana mba hisorohana ny fisidian'ireo vovoka mba tsy ho entin'ny rivotra.