Horonantsary: Ny hatsaran'ny Fetiben'ny Obatala, fomban-drazana Orisha ao Trinite sy Tobago

 

Sarin'ny Fetibe Obatala 2023, tao Woodbrook, Trinite, tamin'ny 28 Janoary, avy amin'i Jason C. Audain, nahazoana alalana.

Tahaka ny ankamaroan'ny Karaibeana dia manana tantaram-panjanahana avokoa (nozanahan'i) Espaina [mg] (ary avy eo) Angletera i  Trinite sy Tobago. Mahery setra loatra io zava-niainana ifampizarana momba ny fibodoana sy ny saika famafana [mg] io ka mbola miharihary taonjato maro taty aoriana ny voka-dratsiny, saingy misy ny zavatra miavaka, mifandray amin'ny fomban-drazana sy kolontsaina any Afrika Andrefana ny maro amin'izy ireo.

Ny fivavahana no iray amin'ireo fanehoana matanjaka indrindra amin'izany fifandraisana izany. Raha mitotaly ho eo amin'ny iray isanjaton'ny mponina ao Trinite sy Tobago ny olona manaraka ny finoana Orisha araka ny fanisam-bahoaka tamin'ny taona 2011 dia nanjary hita maso kokoa ny vondrom-piarahamonina, ary nahasarika mpanaraka bebe kokoa, tao anatin'ny 10 taona taorian’ny nanaovana izany fanisam-bahoaka izany. Nantsoina hoe Shanghai tany aloha tany Trinite sy Tobago ny fanehoana am-pielezana ny finoana Orisha, izay iheverana azy ho fampivadiana finoana.

Isan-taona, mandray anjara amin'ny Fetibe Obatala ireo Orishas, izay manome voninahitra ilay endrika ao amin'ny angano Yoruba izay nomena andraikitra tamin'ny famoronana ny tany. Milaza ny tantara fa nisotro divay voanio betsaka i Obatala rehefa nanomboka namolavola ny olombelona tamin'ny tanimanga. Tao anatin’ny fahamamoany, lasa nanao kitoatoa ny zavatra noforoniny izy ka nahatonga azy ireo hisy tsy fahatomombanana. Rehefa tsapany ny zavatra nataony, nibebaka izy ka lasa mpiaro ireo manana fahasembanana. Nomena Àṣẹ (hevitra Yoruba izay mamaritra ny fahefana hamokatra fiovana) ny olombelona avy eo, sy antsy varahina sy ny angady hazo, fitaovana nanampy azy ireo hamokatra.

Any Trinite,  natao tamin'ny 28 Janoary tao Woodbrook, ivelan’ny renivohitra, Port d’Espagne, ny filaharambe Obatala. Tao ny mpanakanto Jason C. Audain, ka sady naka sary  no naka horonantsary. Nambabo ny fakany sary ny filaharana, vao mainka nitombo hatrany any amin'ny faran'ny horonantsary, izay naka sary manokana ny trio moko jumbies.

Fomban-drazana mandeha an-tongotra izay manana faka Afrikana tandrefana, ahitana ireo endrika heverina ho andriamanitra manana fomba fijery eny ambony ahafahan’izy ireo miambina mora foana ny tanànakeliny sy mahita mialoha izay mety ho loza mitranga, ao anatin'ny fizarana ny endrika nentim-paharazana [mg] amin’ny karnavaly Trinite sy Tobago ny moko jumbies, fanaovana diabe eny an-dalambe ho fampahatsiahivana ny fomba tsy maintsy nitoloman’ireo Afrikana andevo mitady fahafahana. Mbola heverina ho mpiaro sy mpitari-dalana ao amin'ny kolontsaina Trinbagonian ireo endrika ireo, ary hankatoavina sy hajaina fatratra hatrany.

Fampahatsiahivana lehibe amin'ny niandohan-dry zareo, ny fahadiovany ary ny heriny nohasinina, ny fampidirana azy ireo ho ao amin'ny Fetibe Obatala ary ny fetibe mihitsy no manasongadina ny fifandraisana lalina izay mbola ananan'i Trinite sy Tobago amin'i Afrika Andrefana. Manamafy ny lafiny ara-panahy sy ara-pivavahana lalina amin'ny fomban-drazan’ny karnavaly ihany koa izy io, miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fampandrosoana ny Fiarahamonina, ny Kolontsaina ary ny Zavakanto izay nanamarika fa samy hita ao amin’ity fankalazana ity avokoa na “ny Kristianisma, ny Hindoisma na ny kolontsaina Ifa/Orisa.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.