- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

ONU, nataon'ny governemanta Maliàna lasibatra mivantana tamina fandroahana nisesy ireo solontenany

Sokajy: Borkina Faso, Mali, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
https://www.youtube.com/watch?v=KrG0nn2XbUQ&t=206s

Pkantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France 24 [1]

Tsy misalasala mandroaka ireo solontenan'ny Firenena Mikambana ny manampahefana maliàna, ho fampahafantarana azy ireny fa tsy leferiny velively, na kely aza, ny kiana, na eo an-toerana izany na iraisam-pirenena, atao amin'ny pôlitikany mankasitraka ny Rosiàna.

Ny 27 Janoary 2023, ny Filankevi-Pilaminana ao amin'ny Firenena Mikambana dia nanao fandinihana ny toedraharaha momba ny filaminana ao Mali [2]. Io kaonferansa io dia nahitàna ny fandraisana anjaran'ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily, toa an'i Aminata Cheick Dicko, mpiaro ny zon'olombelona. Nandritra ny fandraisam-pitenenany [3], nampangainy ny fidiran'ilay vondron-tafika rosiàna Wagner [4] tamina raharaha henjana nisy fanitsakitsahana zon'olombelona ao Mali.

Tsy lanin'ny vavonin'ny governemanta amperinasa ao Mali ireny fanambaràna ireny. Ny 5 Febroary 2023, nambaran'ny diplaomasia maliàna ho olona tsy iriana (tsy misy ilàna azy) [5] ao Mali i  Guillaume Ngefa-Atondoko Andali, talen'ny sampana misahana ny zo'olombelona ao anivon'ny Iraky ny Firenena Mikambana ho fampandriana fahalemana an'i Mali (MINUSMA [6]). Araka ilay fampitam-baovao [7], anatsiniana an'i  Andali ny nifantenany “ireo mpisandoka andraikitra mitafy ny laharam-boninahitra ho solotenan'ny fiarahamonina sivily maliàna, tsy niraharahiana ireo manampahefana sy ireo andrimpanjakana eo amin'ny firenena”.

Mitàna toerana goavana be anefa ny MINUSMA ao anatina tontolo iray isiana ady an-trano lavareny ao Mali. Taorian'ny  fikomiana iray nataon'ireo Touareg mpitady fizakàntena ta [8]ny avaratry ny firenena, dia tafiditra anaty krizy tsy mbola nisy toy izany ilay firenena, krizy nitondra nankany amin'ny fanonganana ny governemantan'i [9]Amadou Toumani Touré [10] ny 22 Martsa 2012. Tamin'ny 2013, lany tamin'ireo fifidianana vaovao i Ibrahim Boubacar Keïta [11] ho eo amin'ny fitondrana. Nampanantena tokoa izy fa hiady amin'ny kolikoly sy hamerina ny fandriampahalemana, ary dia nitondra fanohanana ho azy ny Firenena Mikambana tamin'ny fametrahana ny MINUSMA [6] tao Mali, raha vao nigadona ny Jolay 2013 [12].

Saingy nihanaka be teny anivon'ny rehetra ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly [13]. Ny firongatr'ireo vondrona mpampihorohoro sy ny fitomboan'ireo fanafihana nataon'ny jihadista [14] dia niteraka fitroaran'ny vahoaka hitaky ny fialàn'ny filoha Keïta. Fanonganam-panjakana niisa roa [9] no nodiavin'ny firenena, izany rehetra izany dia notarihan'ny Kôlônely Assimi Goïta [15] avokoa, ny iray tamin'ny 18 Aogositra 2020, taorian'ireo fihetsiketsehana marobe nokarakarain'ny Hetsiky ny 5 Jona Fivondronana'ireo Hery Tia Tanindrazana (M5-RFP), ary ny iray hafa tamin'ny 25 May 2021. Nanambara ny tenany ho filohan'i Mali i Goïta tamin'ny volana May 2021, ary nanomboka tamin'izay dia nanao fanavaozana pôlitika izay nitondra azy hitodika tany amin'i Rosia ho an'ny resaka fiaraha-miasa ara-tafika [16], sy nitaky ny hialàn'ireo tafika frantsay eo amin'ny tanin'i Mali [17], izay efa teao nanomboka tamin'ny Janoary 2013 tamin'ny alàlan'ilay hetsika Serval [18] izay nodimbiasan'ny hetsika Barkhane [19], natomboka tamin'ny 1 Aogositra 2014.

Andiam-pandroahana nisesy an'ireo solontenan'ny Firenena Mikambana

Ny fandroahana tamin'ny 5 Febroary an'i Volker Türk, ilay solontenan'ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona, dia nitranga fito volana taorian'ny nandroahana an'i Olivier Salgado [20], mpitondratenin'ny MINUSMA; ary nanaraka ny an'i Christophe Sivillon, lehiben'ny biraon'ny Minusma tao Kidal izay voaroaka tamin'ny 2019 [21] noho ireo teny tsy lanin'ny vavonin'ny governemantan'ny Filoha Keita.

Toa nankasitrahan'ny ankamaroan'ny vahoaka maliàna ny fandroahana ilay diplaomatin'ny Firenena Mikambana, vahoaka izay manohana ny governemantan'i Goïta, araka ny voalazan'ny sasany amin'ireo fanehoankevitra ao amin'ny Twitter:

Fanapahankvitra voasaina tsara nataon'ny governemantantsika #Mali [22] 🇲🇱 ! Tokony hifandanja amin'izay fahavoazana naterany ny valinkafatra! Nambara ho olona tsy iriana / tsy misy ilàna azy i Guillaume Ngefa Atondoko Andali, lehiben'ny departemanta momba ny zon'olombelona eo anivon'ny MINUSMA, ary tsy maintsy mandao ny firenentsika ao anatin'ny 48 ora. pic.twitter.com/ifAbTp6hg0 [23]

— Oumar Macalou (@OumarMacalou4)

Tao amin'ny Twitter, ireo mpikatroka sasantsasany toa an'i Nathalie Yamb [25], mpikaroka panafrikanista mitolona hisian'ny fanapahana tadimpoitran'ireo firenena afrikàna amin-dry zareo Tandrefana, dia niarahaba ilay fanapahankevitry ny diplaomasia maliàna:

Arahabaina ireo Maliàna manampahefana nandroaka ilay lazaina fa talen'ny rantsana mpiaro zon'olombelona ao amin'ny MINUSMA, Guillaume Ngefa Atondoko Andali. Ilay faharoa mpanasa atidoha avy amin'ny Firenena Mikambana voaroaka taorian'i Salgado. Mandra-piandry ny fangoronana entana tanteraka hataon'io iraka mpanimba io amin'ny 2023 #MinusmaDegage [26] pic.twitter.com/uG6nWKALmi [27]

— Nathalie Yamb (@Nath_Yamb)

Fanontaniana ateraky ny fandroahana tomponandraikitra telo tao amin'ny MINUSMA tato aatin'ny efatra taona latsaka ny momba izay hoavin'ilay iraka, ao anatin'ny tontolon'ny fanitsakitsahana sy fanararaotana tsy tapaka atao amin'ny zon'olombelona. [29]

Hanao ahoana ny hoavin'ny MINUSMA amin'ny fiarovana ny zon'olombelona?

Ny filohan'ny sampana misahana zon'olombelona ao amin'ny ONU dia malahelo nanoloana ilay fandroahana [30] ny solontenany tao  Mali, ary maintso ireo manampahefana mba hiverina amin'ny fanapahankevitra noraisin-dry zareo.

« Tena mampalahelo mafy ahy ny fanapahankevitr'ireo Maliàna manampahefana nanambara ny solontenako, Guillaume Ngefa, ho olona tsy misy ilàna azy ary  nanomezana baiko azy handao ny firenena ao anatin'ny 48 ora. Tena nampikorontan-tsaina ahy ireo fandementsaina sy filambaniny natao azy teny anaty media sôsialy tato anatin'ny volana vitsivitsy.  Miantso  ireo manampahefana vonjimaika ao Mali aho mba hanafoana tsy misy fepetra io fanapahankevitra mampalahelo io », hoy ny nambaran'Atoa. Türk.

Misy fiantraikany goavana amin'ny fitohizan'ny iraka tontosain'ny MINUSMA ity fifandirana vaovao ity satria ireo diplaomaty avy amin'ny Firenena Mikambana dia mihevitra fa ny governemanta maliàna dia mametraka mibaribary sàkana amin'ireo fanadihadiana ataon'ny MINUSMA [5] momba ireo fanararaotana nataon'ny tafika maliàna. Marobe ireo tatitra [31] momba ny toeran'ny [32]  zon'olombelona [33], isan'izany ny an'ny MINUSMA [29], no manapaingotra ireo manampahefana, na dia heverin'ireto farany aza fa tsy mifanaraka ireny tatitra ireny. Ny fanaisorana ireo andian-tafika vahiny [34] tsy ho ao anatin'ilay iraka, ary ny fampihenàna ny isan'ny olona [35] eo anivon'ny tafika misatroka manga dia milaza, araka izany, ny fangatsiatsiahan'ny sasany tamin'ireo mpifanome tànana tao anatin'ilay iraka. Mety vao mainka hiharatsy ny toedraharaha raha toa ny MINUSMA ka tsy maintsy hampitsahatra ny asany.

Fanamafisana ny dindo Rosiàna ao Mali

Valo amby efapolo ora taorian'ny nanambaràna ny fandroahana an'i Andali, tonga nitsidika ny mpitondra maliàna ny lehiben'ny diplaomasia rosiàna, Sergueï Lavrov, [36]araka ny asehon'ity bitsika ity:

Tamin'ity Talata ity ny minisitra rosiàna misahana ny raharaha ivelany, Sergeï #Lavrov [37], dia tonga tao #Bamako [38] hanambara amin'ny fomba ôfisialy ny fifanatonan'i #Rosia [39] 🇷🇺 sy #Mali [22] 🇲🇱.

Ny momba izay, miaraka amin'i @StephaneBALLONG [40], tonian'ny fanoratana momba an'i #Afrique [41] ao amin'ny @FRANCE24 [42] pic.twitter.com/MBLFg9IqWe [43]

— FRANCE 24 Français (@France24_fr) 7 Febroary  2023 [44]

Toy ny fanamafisana ny fifamatoran'i Bamako sy Maosko no nanehoana io fitsidihana io, ary toa maneho ny fahavononan'i Goïta hanaja ny fiandrianam-pirenen'i Mali. Ho an'i Abdoulaye Diop [45], minisitra misahana ny raharaha ivelany sy ny fiarahamiasa iraisampirenena, dia resaka fanatontosana ireo fiarahamiasa mifanaraka amin'ny hetahetan'ny vahoaka maliàna ilay izy, hoy ilay gazety anaty tambajotra Maliactu:

Tsy namaly ny filàn'ny vahoaka maliàna ny fiarahamiasa Frantsa-Mali, araka ny voalazan'i Bamako – https://t.co/U2uiUo85a5 [46] #Mali [22] Tonga saina i Mali hoe tsy nifanaraka tamin'izay nandrasan'ny vahokany ny fiarahany niasa tamin'i Frantsa, hoy ny nambaran'ny lehiben'ny diplaomasia maliàna. Indrindra… pic.twitter.com/SPTJ6ptg5n [47]

— maliactu (@maliactu) 7 Febroary 2023 [48]

Na ny Firenena Mikambana na i Frantsa dia samy miatrika kihon-dàlana momba ny tena jeôpôlitika ao amin'ny faritra. Raha ny marina, tsy zava-maningana ny toerana noraisin'ny diplaomasia maliàna : i Centrafrique sy Burkina Faso [49] koa dia manaraka pôlitika mitovitovy amin'izany, pôlitika mankasitraka an'i Rosia. Ambonin'izany, vao avy nanao fanambaràna ireo manampahefana ao Burkina Faso nanehoan-dry zareo ny faniriany hanangana federasiôna iray miaraka amin'i Mali [50].