- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao RV: Akaiky hifarana ny Fangatahana hahazo famatsiam-bolan'ny Mediam-piarahamonina Indizeny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taratasim-baovao, Rising Voices

 

Fanamarihan'ny Rising Voices: Atolotry ny taratasim-baovaonay mivoaka isam-bolana ny famintinana ireo ranty am-bilaogy miresaka ireo endrika fanasosohana ankihy rehetra ka ao anatin'izany ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ankihy, sy ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno an-jotra. Vakio ato [3] ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.

Manao ahoana ianareo amin'izao fiandohan'ny taona izao, ry mpamaky malala?

Ho an'ireo izay miasa amin'ny onjam-peon'ny vondrom-piarahamonina teratany sy ireo sehatra fampitam-baovao hafa, mandrisika anareo mihitsy izahay hijery ny Tahirim-bolan'ny median'ny vondronolona indizeny — raha tsy tsara vintana ianao. Ity famatsiam-bola fanararaotra ity dia fisantaran'andraikitra avy amin'ny Cultural Survival, mikendry ny hanohana ireo ezaka eo an-toerana ho amin'ny firoboroboana sy ny fahatezan'ny media fehezin'ny vondron'olona indizeny. Azo jerena ato [4] ny antsipiriany fanampiny, miaraka amin'ny fepetra takiana, ary misy amin'ny teny espaniola [5], frantsay [6] ary paortiogey [7] koa.

Fara-fisoratana: 15 febroary 2023

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES

Afa-nijery ny ampahany tamin'ny Black Panther, navoaka tamin'ny herintaona, ve ianao? Amin'ity laharana ity, tianay ny hizara aminareo ny eritreritry ny mpiteny Maya rehefa nijery ny fomba nanehoana ny vahoakany tamin'ity famokarana nalaza ity. → “Vazimba ary mirehareha: fanehoan-kevitry ny mpiteny Maya iray mikasika ny ‘Black Panther: Wakanda Mandrakizay’ [8] [mg]”

Mandritra izany fotoana izany, amin'ireo andian-dahatsoratra [9] tamin'ny Digital Security + Language volana Janoary [9], dia asaina anao hianatra bebe kokoa momba ireo fanamby sy filana atrehin'ireo vondrom-piarahamonina fiteny vitsy an'isa avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao, raha fiarovana ankihy sy filaminana no resahana.

FAMATSIAM-BOLA

Tanora nefa vonona ny hanao soa ho an'ny vondrom-piarahamoninao teratany Kanadiana? Mahare anao ny We Matter ary te hanampy anao hanatontosa ny hetahetanao miaraka amin'ny Tahirim-bolam-panohanan'ny #IndigenousYouthRise. Azonao jerena ato [10] ny antsipiriany fanampiny sy ny torolàlam-pangataham-pisoratana anarana. Fara-fisoratana : 3 Marsa 2023

Ho an'ireo manoka-tena ho amin'ny sehatr'asa firaketana/famelomana indray sy/na haiteny: Te-hanohana anao ny Tahirim-bolan'ny teny tandindomin-doza [Endangered Language Fund] amin'ny fitazonana ny fiteny tsy hanjavona. Afa-mahita ny torohay ilaina amin'izany ato [11] ianao – miaraka amin'ny hirika famatsiam-bola maro fanampiny hafa – ka mandefa ato [12] ny fangatahana. Fara-fisoratana: 17 marsa 2023

Raha miara-miasa amin'ny fikambanana tsy mitady tombombarotra sy ONG-FTMF mikaro-bahaolana ara-tsosialy amin'ny alàlan'ny vahaolana ara-teknolojia ianao dia miaraka aminao ny Cisco. Tiany ny haneho ny fanohanany amin'ny ezaka ataonao amin'ny alàlan'ny Global Impact Cash Grants. Misokatra isan-taona ny fangatahana ary azonao jerena ato [13] ny paika hanombohana ny dingana.

HIRIKA | VATSIM-PIANARANA & FANOHANANA ARA-BOLA

Liana amin'ny vatsim-pianarana momba ny sivana sy  fanaraha-masom-pamoretan'aterineto kosa ve? Tokony hojerenao angamba ity hiriky ny Information Controls Fellowship [14] ity, araka ny atolotry ny Tahirimbolan'ny Teknolojia Misokatra [Open Technology Fund ]. Fara-fisoratana anarana: 20 febroary 2023 amin'ny 11:59 alina (GMT)

ANTSO HO FANDRAISANA ANJARA

 Ny AFD Digital Challenge, kosa etsy ankilany, mifantoka amin'ny tetikasa ankihy mampiroborobo ny fidirana amin'ny kolontsaina sy ny famoronana votoaty ireo vakoka afrikana. Azo jerena ato [15] amin'ny tranokalany ny antsipiriany. Fara-fisoratana: 24 febroary 2023

LANONANA & KAOFERANSA HO AVY

Ho an'ireo mpandeha lanonana, ato ny Fetiben'ny Sarimihetsika amin'ny fitenin-dreny [16]! Karakarain'ny Smithsonian ity hetsika maimaim-poana ity ary hatao any Washington, DC amin'ity taona ity. Tokony hankafy izany ianao raha tianao ny sarimihetsika, ny fahamaroan'ny kolontsaina/fiteny, sy ny sisa. Daty: 23–26 Febroary 2023 Fanamarihana: Tena ilaina ny fisoratana anarana mialoha

Ary efa ho tonga ihany koa tonga ny fotoana hanaovana ny MozFest 2023 [17] koa! Miraharaha aterineto salama ho an'ny zanak'olombelona ve ianao? Ho hitanao ao ny vondrom-piarahamonina virtoaly misy anao. Ahitana tapakila amin'ny sarany isan-karazany, anisan'izany ny fampitàna MozFest Virtual ao amin'ny fanomezan-naoty pass amin'ny Pay What You Can [Aloavy izay azonao atao]. Daty: 20–24 marsa 2023!

MARO HOVAKIANA, HOJERENA ary HOHENOINA

 

Mamandriha ny taratasim-baovao Rising Voices [22]

 

 

Ankasitrahana Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny nandraisany anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.